Malazan'ny Media Sosialy: Ireo Heloka Bevava Tsy Hitantsika Tao Syria
Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady..
Syriana an-tapitrisany no mampiasa fitaovana fampahalalam-baovao tahaka ny Facebook, Twitter, YouTube ary ny Skype mba hampiely vaovao sy hiady hevitra momba ny ady ao amin'ny firenena. Isan-kerinandro, mandrindra ny resadresaka an-tserasera amin'ny teny anglisy sy Arabo i Mohammed Sergie, ary mifantina ireo zava-niseho nisongadina ho atsofoka amin'ilay antsoina hoe Buzz na malaza amin'ny Fampahalalam-baovao Sosialy.
Ankoatra ny fivezivezena tsy an-kiaton'ny diplaomasia manerantany, nifantoka tamin'ny fitomboan'ireo andian'olona mahery fihetsika mitaky ny hananganana Firenena Islamika sy ny tahotra mikasika ny zava-manjò ireo Syriana vitsy an'isa ny lohatenim-baovao vao haingana tao Syria. Tsy notantarain'izy ireo ny fijaliana misesisesy niainan'ny olom-pirenena, tahaka ilay tombanana ho tifitra mpivaro-mofo iray avy an'habakabaka tao amin'ny faritra Sonita. Izany no niteraka fitarainana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy Syriana fa misy ny heloka bevava tabatabaina ary misy kosa ny tsy raharahiana.
Manaitra ny saina momba ilay tranga iray hita maso jeren'ny gazety tafahoatra ny feo sasany amin'ny aterineto: lahatsary tafaporitsaka avy ao amin'ny miaramila Syriana. Tahaka ireo mpioko mandrakitra ny sasany tamin'ireo fitondratenany ratsy indrindra, narakitr'ireo miaramila Syriana sy milisy mpanohana an'i Assad ihany koa ny herisetran'izy ireo. Tamin'ny fihetsika sasany feno fihantsiana na iniana atao ho hafatra ampitaina, mipaka eny amin'ny vahoaka Syriana ireny sary ireny. Misy amin'ireny lahatsary tafaporitsaka ireny ahitana miaramila manitsakitsaka ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manana fitaovam-piadiana sy ny fandrehetana balafomanga tsy misy kendrena amin'ny alalan'ny sigarany mialoha ny hanipazany azy avy eny ambonin'ny angidimby. Lahatsary iray nalaza ihany koa ny lazaina fa famonoana olona tao Al Hiffa, tanàna Sonita any an-tendrombohitra Alaoita izay nodarohan'ireo miaramila Syriana baomba tamin'ny volana Jona rehefa azon'ny mpioko fifehezana ny tanàna. Miaramila iray mifanandrina amin'ireo olo-tsotra eny an-dalana.
Amin'ity lahatsary fohy eto ambony ity. Voadaka sy voan'ny totohondry ilay lehilahy. Metatra vitvitsy avy eo ahitana vehivavy telo, ahitana tovovavy kely iray anisan'izy ireo. Nitodika tany amin'izy ireo ilay miaramila, ka nikapoka ilay tovovavy ary nandrovitra ny voaliny, no sady nihiakiaka teny tsy fampiseho masoandro tamin'ireo vehivavy. Nilaza tamin'ilay lehilahy teo izy fa mikasa hanolana ny anabaviny. Miaramila hafa nananihany ireo vehivavy ary niantso azy ireo ho jihadista.

Sasany tamin'ireo hafatra mivantana nifanaovan'i Jihad Makdissi sy ilay mpikatroka Syriana Rami Jarrah tao amin'ny Twitter
Momba ny fisintahan'ilay manamboninahitra ambony, mifanipaka ny tantara re momba an'i Jihad Makdissi, minisitra lefitry ny Raharaham-bahiny sy mpitondra teny, nandritra ny herinandro nandaozany an'i Damaskosy. Niala ve izy, maka vakansy telo volana ve izy, nosamborin'ny Hizbollah tao Beirota ve izy sa nanome vaovaom-pitsikilovana ho an'i Etazonia ao Washington? Raha niandry ity lehilahy ity hanao fanambarana izahay, indro misy resadresaka voalaza fa nifanaovan'i Makdissi sy Rami Jarrah manokana tao amin'ny Twitter, mpikatroka fanta-daza i Rami Jarrah, izay mibilaogy amin'ny solon'anarana Alexander Page.
Nampahafantatra ny fomba fisainany, sy ny fankasitrahany ny “asa an-keripon'ireo vahoaka Syriana” tamin'i Jarrah i Makdissi. Nanontany an'i Makdissi i Jarrah ny amin'ny antony nitazonan'ireo sampandraharaham-piarovana ao Syria azy sy ny fanakanana azy tsy hivezivezy talohan'ny revolisiona. Nandrisika ilay diplaomaty izy mba hiala na handray fanapahan-kevitra hentitra ny hiara-dia amin'ny vahoaka. Maro tamin'ireo resadresaka no nalefa tao amin'ny kaonty twitter @AlexanderPageSY. Mitatitra io tantara io ato [mg] ny Global Voices Online.
Mikasika ny disadisa efa mahazatra ankehitriny eo amin'ny Islamista sy ireo vondrona mpioko hafa tsy ara-pivavahana mifehy ny tanànan'i Aleppo kosa no lahatsary farany avy aminay amin'ity herinandro ity. Nanatontosa famoriam-bahoaka tao amin'ny toerana mahazatra azy ireo ao Bustan Al Qasr, faritra onenan'ny sarangan'ny mpiasa, ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Zoma tao Aleppo izay voadaroaka baomba imbetsaka hatramin'ny volana Jolay. Nanomboka niventso ny hiran'ny fihaikan'ny revolisionera izy ireo. Saingy nandà ny tsy hiara-hiventso amin'ny hira tsy ara-pivavahana ireo mpanohana ny vondrona mpiady Islamista mahery fihetsika indrindra ary niezaka nanery ireo vahoaka mba hamerimberina ny antsoantson'izy ireo manokana ho fananganana firenena Islamika. Nanaraka avy eo ny fifamaliana.
Na dia eo aza ny tatitra mikasika ny bala tena izy nampiasaina tamin'ny vahoaka, voalaza fa tsy nisy ny naratra mafy. Saingy manameloka ny herisetra ireo mpikatroka sady nampitovy ny fihetsiky ny Islamista amin'ny famoretana ataon'ny fitondrana Assad amin'ireo hetsi-panoherana milamina.

Hira Islamika ao Al Bustan
Momba ny lohahevitra Islamista hatrany, nampiely lahatsary misy ny lazaina fa fihetsiketseha-panoherana tao Aleppo izay mamerimberina ny hiaka hoe: “Mpangalatra ny Tafika Syriana Afaka, ny tafika ofisialy no ilainay” ny vondrona mpanohana an'i Assad sy ireo tsy mankasitraka ny Islamista. Nalefa tamin'ny fahitalavi-panjakana ny lahatsary voalohany, na dia toa simba aza ny feo ary tsy mifanaraka amin'ilay lahatsary. Fantatra avy eo fa toa nalaina tamin'ny fihetsiketsehana tao Aleppo tamin'ny volana Avrily 2011 ny tahirim-peo tamin'izany ary nalefa indray ho toy ny fihetsiketsehana manohitra ny mpioko tamin'ny volana Desambra 2012. Mety avokoa ny atao rehetra ao anatin'ny ady virtoaly momba an'i Syria.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...