· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Janoary, 2013

Saka, Basy Ary Famaboana Fanànana Any Amin'ny Faritra Ambanivohitr'i Idlib

  03 Janoary 2013

Maaret Misreen, Syria–Omar, mpianatra iray momba ny fandraharahana ara-barotra fahiny tao aminà anjerimanontolo tsy miankina ao Damaskaosy, dia miaina fiainana izay tsy azony noeritreretina velively. Avy any Idlib no fiaviany, iray amin'ireo tanàna kely any Syria, afovoan'ny tanin'oliva any avaratra-andrefana. Ankehitriny izy dia monina any amin'ny faritry ny tsipika misy ny fifampitifirana amin'ny maha-mpikatroka mafàna fo azy amin'ny media, manadihady herisetra sy manao mpitaridia ireo vahiny mpanao gazety sy ireo mpiasa mpiaro zon'olombelona manerana ny tany Siriana.

Fanazavana Kely Tamin'ny Fahatapahan'ny Aterineto tao Syria

  02 Janoary 2013

Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady. Nanana fanazavana kely momba ny fahatapahan'ny aterineto tao Syria, izay nampitoka-monina an'i Syria tamin'izao tontolo izao tamin'ny 29 novambra 2012 lasa teo i...