Syria/Torkia: Manao Fihetsiketsehana Noho Ny Tsy Fahampian-drano Ao Amin'ny Tobin'i Kilis Ireo Syriana Tsy Manan-kialofana

Ampahany amin'ny fandrakofana nataonay manokana momba ny Fihetsiketsehana Tao Syria 2011 ity lahatsoratra ity.

Nanao fihetsiketsehana nanohitra ny tsy fahampian-drano ireo tsy manan-kialofana Syriana ao amin'ny Tobin'ireo Tsy Manan-kialofana ao Kilis, any amin'ny sisin-tany Syriana sy Tiorka. Polisy miisa efatra sy tsy manan-kialofana miisa telo no voalaza fa naratra.

@Fixer_Turkey, izay milaza ny tenany ho mpanao gazety mahaleo tena, miasa mandika teny/mitari-dia ho an'ny haino aman-jery vahiny ao Torkia, no nibitsika hoe:

@Fixer_Turkey:Ao amin'ny tobin'i Kilis izay itoeran'ny Syriana tsy manan-kialofana miisa 11.000, manodidina ny 500 ireo tsy manan-kialofana nanao fihetsiketsehana noho ny olana momba ny rano, polisy miisa 4 sy tsy manan-kialofana miisa 10 no naratra

Kilis, tanàna iray any Atsimo-Afovoan'i Torkia, manakaiky ny sisin-tany Syriana, miaraka amin'ny Atsimon'i Hatay, Sanliurfa ary Gaziantep, no nanangana toby mba handraisana ireo Syriana tsy manan-kialofana, izay mitsoaka ny famonoana aa amin'ny fireneny.

Manohy ihany i @Fixer_Turkey:

@Fixer_Turkey: Nanao fihetsiketsehana tao amin'ny toby ireo Syriana tsy manan-kialofana tao kilis ka nangataka rano misimisy kokoa, namaky ny fitaratry ny varavarankelin'ny tranoben'ny fitantanana izy ireo ary nandratra polisy miisa 4

Manaparitaka ny sary iray misy ireo ankizy Syriana tsy manan-kialofana mitondra tavoahangy plastika sy siny hasiana rano ao amin'ny Tobin'i Kilis izy avy eo:

@Fixer_Turkey: Handeha hisotro rano miaraka amin'ny tavoahangy plastika sy siny ireo ankizy tsy manan-kialofana ao amin'ny Tobin'ireo tsy Manan-kialofana ao Kilis

Syrian refugee children getting water at the Kilis camp

AnkizySyriana tsy manan-kialofana maka rano ao amin'ny Tobin'i kilis. Sary nozarain'i ‘i @Fixer_Turkey tao amin'ny Twitter

Manantitrantitra ny zava-nisy i Turk4Syria:

@Turk4Syria: Syriana an-jatony no nanomboka fihetsiketsehana tao amin'ny toerana fitobiana tao kilis tamin'ny alina, nilaza fa tena farak'izay kely ny rano azon-dry zareo. #Syria #Turkey

Manazava izy any amin'ny bitsika teo aloha:

@Turk4Syria: Syriana tsy manan-kialofana miisa 1080 no namakivaky ny tany misy baomba milevina mba hiditra an'i Torkia avy tao Kilis tato anatin'ny 72 ora. #Turkey #Syria

Satria mitohy ny fisavorovoroana ao Syria, dia mitohy ihany koa ny adin'ireo Syriana tsy manan-kialofana izay niala tamin'ireo toby ho an'ny fepetra maha olona mandra-piandry ny fodiana am-pilaminana any an-tanindrazany.

Ampahany amin'ny fandrakofana nataonay manokana momba ny Fihetsiketsehana Tao Syria 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.