Ejypta: Manoro Hevitra Ireo Syriana Ny Ejypsiana

Mizara toro-hevitra amin'ireo Syriana ny Ejypsiana -ao amin'ny Twitter. Amin'ny alalan'ny tenifototra manokana, sy torohevitra manomboka amin'ny hoe “aza maka sary miaraka amin'ny fiara mifono vy” ka hatramin'ny “mandraisa torohevitra avy amin’ olo-kafa.” Taorian'ny vaovao nitranga tao Damaskosy androany atoandro no anton'izany,vaovao mikasika ny nahafatesan'ireo mpikambana ambony telo ao amin'ny presidanza noho ny baomba nipoaka tao Damaskosy [mg]. Anisan'izany ny Minisitry ny Fiarovana, izay vao avy notendrena ny mpandimby azy.

Yousry Salama nanamarika hoe:

#نصيحة_المصريين_للسوريين‬‏ اوعوا تتصوروا جنب دبابة
@MYousrySalama: Aza maka sary miaraka amin'ny fiara mifono vy

Ibrahim Elgarhi nanome soso-kevitra hoe:

#نصيحة_المصريين_للسوريين‬‏ خدوا نصايح من اي حد غيرنا
@Ibrahim_Elgarhi: Mangalà soso-kevitra amin'olo-kafa.

Esraa Mahfouz manana soso-kevitra betsaka:

#نصيحة_المصريين_للسوريين‬‏ وصيتكم بقى بزوجة بشار .. تتدفن معاه ..مش تسيبوها حرة زى ناس هبل اعرفهم

@esraamahfouz: Aza adino ny vadin'i Bashar. Tokony halevina miaraka aminy izy. Aza avela ho afa-maina izy ary ataovy toy ny fanaon'ireo adala fantatro fa nanao toy izany

Taminà hafatra matotra, Salma Mubarak ni-tweet hoe:

@PiercedMajesty: Aza manantena fa hifarana afaka herintaona & na tapa-taona ny tolona, aza manantena izany ho lavorary, aza kivy & mitomania.

Maro ireo mpiserasera niezaka nanazava ny antony namoronana ny tenifototra.

Mamdouh Jalal nanazava hoe:

#نصيحة_المصريين_للسوريين‬‏ أصلا نصائحنا دي سخرية من نفسنا… لأن أصلا ثوار سوريا شايلين سلاح وبيحرروا أرضهم، مش زينا قاعدين على تويتر

@FinalRule: Mamazivazy antsika tokoa izany tenifototra izany … satria raha ny tena marina milanja basy ny mpikomy ao Syria ary manafaka ny taniny fa tsy tahaka antsika mijanona ato amin'ny Twitter

Israa Elsakka nizara fijery sahala amin'izany ihany koa:

@IsraaElsakaa: ity tenifototra ampiasan'ny Ejypsiana hanoroana hevitra ny Syriana ity… mampiseho ny fahadisoam-panantenan'ny Ejypsiana tamin'ny “revolisiona milamina”

Tamin'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo, ny Ejypsiana no faharoa nahahongana ny mpanao didy jadonany tamin'ny volana Febroary 2011,  Hosni Mubarak izay nanjaka nandritra ny 32 taona. Ny Toniziana kosa no voalohany. Nampianjera ny fitondran'i Zine al-Abidine Ben Ali, izay nitondra an'i Tonizia nandritra ny 23 taona, nandositra tany Arabia Saodita izy tamin'ny volana Janoary 2011. Ny Libyana kosa nanongana ny Kolonely Muammar Gaddafi's tamin'ny volana Oktobra 2011 izay nanjaka nandritra 40 taona. Ny Yemenita indray nahatosika an'i Ali Abdulla Saleh tamin'ny  Janoary taona 2012, rehefa avy nomeny tombontsoa manokana ny tenany mba tsy ho azo enjehina noho ny heloka vitany nandritra ny 33 taona nitondrany. Raha vitan'ny Syriana  ny manongana an'i Al Assad sy ny fitondrana Baath, izy no firenena Arabo fahadimy hibata ny fandresena.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.