Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman

Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily.

Tamin'ny fandaharana fampahafantarana fohy nalefan'ny fahitalavi-panjakana Addounia, tazana tao anaty tranomaizina nametrahana azy aloha i Ali, avy eo nivoaka tao mba hiresadresaka amin'i Rafiq Lutif, narahina mozika mampalahelo sy lohateny milaza hoe “Araho ny fandaharana… Ao anatin'ny Baba Amr” ny (faritra ao Homs izay nodarofan'ny tafiky ny fitondrana Syriana baomba). Efa fanao mahazatra any Syria ny mandrakitra an-katerena sary misy “fiaikena” ataon'ny gadra, fomba iray hanakiviana ny sasany tsy hanatevin-daharana ny mpanohitra izany.

Miteny ho azy ny lahatsary azo jerena ao amin'ny Facebook sy YouTube:

http://youtu.be/c6YRba6VlLo

Mpivarotra ànana i Othman teo aloha, fantatra amin'ny solon'anarana fiantson'ny namana azy hoe “Al Jed” (dadabe), ary nanomboka nandrakitra an-tsary ny fikomiana tao Homs izy hatramin'ny niandohan'ny fitroarana Syriana. Nanampy betsaka tamin'ny fitantarana sy famoahana ny ady niseho tao Baba Amr ny fanatrehany izany, ary nanampy ireo mpanao gazety vahiny niala ny faritra ihany koa izy. Nanapa-kevitra nijanona tao Baba A mr anefa izy na dia taoriana ny nakan'ny tafika syriana indray ny faritra aza.

Ali Mahmoud Othman tao Baba Amr, Homs. Sary tao amin'ny: Baba Amro News

Nampahafantarina ny fisian'ny “hetsika an-tserasera” ho firaisankina miaraka amin'i Othman tamin'ny Asabotsy 28 Aprily tamin'ny 9 ora hariva (ora ao Syria), “Mpikatroka mafana fo Ali Mahmoud Othman avokoa isika rehetra” no fango nampiasaina tamin'izany. Araka ny voalazan'ny pejy Facebook Baba Amro News:

Noteren'ny fampahalalam-baovao Syriana i Ali hilaza zavatra ary nanambara tamin'ny vahoaka ny fampahalalam-baovao mba hanaraka ny fandaharana manokana mikasika ny “zava-miafin'i Baba Amr”. Fantatsika hoe tahaka ny ahoana i Ali ary fantatsika ihany koa hoe firy kilao izy, hita mazava tsara fa nampijaliana sy nanaovana herisetra mafy izy. Ary ankehitriny, tsy hoentina hotsaraina eny amin'ny fitsarana izy, fa haseho fahitalavitra.

Mpanao gazety espainola Monica G. Prieto nisioka hoe:

@monicagprieto: Patético. A Al Jed, jefe del equipo d periodistas ciudadanos de #BabaAmr, le obligan a ‘confesar’ sus crímenes en TV

Mampahonena. Noterena “hiaiky” ny helony tao amin'ny fahitalavitra i Al Jed, lehiben'ny ekipan'ny olo-tsotra mpampita-vaovao #BabaAmr

Nisento ireo mpiserasera sasany raha nahita fa mbola velona soa amantsara i Othman, ary mbola tsy nahenoam-baovao kosa ny mikasika ireo olon-kafa nogadraina. Free Syriana nisioka hoe

@HamaEcho: Mbola nogadraina ireo mpikatroka Noura al-Jizawi sy Ali Othman, na dia izany aza  fantatsika aloha fa mbola velon'aina i Ali. Mpanao gazety Tiorka roa no mbola tsy nandrenesam-baovao ihany koa

Manohy ny fitakiany amin'ny famoahana an'i Othman ny mpiserasera amin'ny alalan'ny fitakiana antserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.