Efa niteraka adihevitra ny fanovana nentin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny teknolojian'ny finday teo amin'ny fitroarana Arabo. Na inona na inona anefa ny fehin-kevitra avy aminao, azo heverina tokoa fa nampiasa ireo taranjan-teknolojia vaovao ireo ny mpikatroka ary hitarataratra ny sasantsasany amin'izy ireny isika amin'ity lahatsoratra ity.
Mitatitra ny fisamborana anao
Maro ny bilogera sy mpikatroka no nosamborina hatramin'ny nanombohan'ny fitroarana arabo. Ireto avy ny voasambotra tany Syria tao anatin'ny volana vitsy dia vitsy fotsiny: Rima Dali, Safana Baqleh, Ali Mahmoud Othman, Razan Ghazzawi. Ny sombiny amin'ireo nosamborina tany Ejipta ry Maikel Nabil Sanad, Alaa Abd El Fattah ary Amr Gharbeya. Efa tsy lazaina intsony ireo avy any amin'ny firenena tahaka an'i Tonizia sy Bahrain, sy ireo bilaogera na mpikatroka tsy navela hiditra tany Ejipta sy notazonina hatao fanadihadiana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Ejipta.
Noafahana ny sasantsasany amin'ny bilaogera sy ny mpikatroka taoriana, tsy nanampotoana nilazana izay nitranga tamin'ny mpisolovava sy ny fianakaviana anefa ry zareo tamin'ny fotoana nisamborana azy. Ka eo no manana anjara toerana ny teknolojia. Efa nisy ny fotoana, efa elaela ihany izay, niresaka momba ny Etmasakt, iray amin'ny vahaolana teknika tahaka izany, ny mpandray anjara ao amin'ny Global Voices Advocacy Ramy Raoof:
@RamyRaoof: Our friend Mohamed Hussien (@7aloli) developed this application http://bit.ly/Etmasakt to alert people when you get arrested. #Egypt #Android

Manampy anao handefa hafatra fohy ho ana laharana maro ny Etmasakt (fianakaviana, mpisolovava, mpikatroka sns.) sy ny fangitry ny toerana nisamborana anao.
Teny arabo midika hoe “voasambotra aho” io Etmasakt io. Miresaka momba ny fampiharana ao amin'ny bolongana i Orlando Elkabeer sy ny fomba andefasany SMS amin'ny olona maro miaraka amin'ny toerana misy anao indrindra -izay azo amin'ny alalan'ny GPS amin'ny findainao – amin'ny tendry tokana monja:
Tsy tokanamanantany ny Etmasakt. Misy ihany koa ny “Byt2ebed 3alia” sy ny “I'm Getting Arrested“; tahaka ny efa antitra ity farany ity ho an'ny mpisera fototra betsabetsaka. Midika mazava ny fisian'ireo fampiharana samihafa manao zavatra mitovy ireo fa misy tokoa ny ilàna azy ireny.
Fandefasana lahatsary mivantana
Tsy misy zavatra ratsy tahaka ny mandrakitra toe-javatra lehibe amin'ny alalan'ny fakantsarinao, voatazon'ny polisy izay mamotika ny fakantsarinao, na farafahatsarany manery anao hamafa ny kara-pitehirizanao. Ary izany no antony mampalaza ny Bambuser eo amin'ny samy mpikatroka. Azonao atao amin'ny alalan'ity fampiharana Soedoà ity ny maka lahatsary sy ny mampakatra azy avy hatrany amin'ny alalan'ny findainao; tahaka ny hoe manana toby fandefasana lahatsary ao am-paosinao ianao.
Be ny Syriana no nampiasa ny Bambuser nialoha ny nanakanan'ny governemanta syriana azy. Nilaza moa ny orinasa mpanome ny tolotra tamin'ny Febroary tao amin'ny bilaoginy fa voasakana any Syria:
Over the past weeks the number of Bambuser broadcasts from Syria has increased, with strong footage showing bombings, victims, destruction and terrible conditions at local field hospitals in Syria.
Ampiasain'ny fantsona fampahalalam-baovao an-tsary lehibe tahaka ny CNN, BBC, AlJazeera ary ny SkyNews Ny sasantsasany amin'ireny sary azo ireny tahaka ny fantsona mitondra solika potika tany Homs ohatra:
We believe this footage was the trigger for the Syrian government to block access to bambuser.com and disable the possibility to broadcast live video with mobile phones on Syrian 3G.
Nitantara ny fisamborana azy tamin'ny alalan'ny Bambuser i Tarek Shalaby tany Ejipta, ary nisy ihany koa ny drafitra nomanin'ny mpikatroka hampiasa ity tolotra ity hanaraha-maso ny fifidianana antenimiera indrindra raha tsy avela manao izany ny mpanara-maso iraisampirenena. During the first days of the Egyptian revolution Nanapa-kevitra ny hanakana ny Bambuser ny fitondrana Ejisiana nandritra ny andro voalohany nisian'ny revolisiona ejipsiana mialoha ny nanapahana tanteraka ny aterineto iray manontolo roa andro taty aoriana.
Fitaovana hafa
Nampiarahan'i Nancy Messieh avy ao amin'ny The Next Web avokoa ny fampiharana fototra rehetra ho an'ny mpikatroka. Fikambanana iray tsy mitady tombom-barotra nanoka-potoana hamantatra, hampifandray, hanohana ireo mpikatroka nomerika any amin'ny misy azy any ary hisolovava azy amin'ny fampiasana teknolojia vaovao, Movements.org, no nanome ny lisitra fampiharana ampolony miainga avy amin'ny fomba fanaovana Open Source sy ny fanovana rindrambaiko feo/lahatsary ka hatramin'ny rindrambaiko mamadika ny hafatra hiafina sy mitady lalana miafina (“ambanin'ny tany”).
Misy ny fampiharana hafa tsy dia hoe tena ilaina tahaka ity ato ity izay miezaka ny handrakitra tahirin-kevitra ny revolisiona ejipsiana amin'ny alalan'ny fandefasana ny saripika noraisina nandritra ny revolisiona ho any amin'ny findainao.
Ny lafy ratsin'ny fandefasana tsy voizina (automatique)
Na dia eo aza ny tena maha-zavadehibe ny fampiharana etsy ambony, indraindray mety hiteraka olana ihany ilay hafatra mandeha ho azy. Iray volana lasa izay ny mpikatroka Hossam El Hamalawy naharay hafatra fohy avy amin'i Mostafa Sheshtawy nilaza fa voasambotra izy.
@3arabawy: Guys, I received few mins ago a text message from @msheshtawy saying he's getting arrested. I called him, he's not answering.
Niahiahy tamin'izay nanjò an'i Mostafa Sheshtawy ny olona ary taty aoriana vao hitany fa nisy nandefa tsy nahy ilay hafatra:
@msheshtawy: Am fine people. Am not arrested or anything. My phone wasnt with me. Am sorry people.
@msheshtawy: Someone clicked on the application while i was asleep. Silly joke and i will screw whoever did this. Am really sorry.
Farany, mampiasa ny teknolojia vaovao tahaka ny mpikatroka sy ny olona ihany koa ny mpanao didijadona. Nahazo fanohanana sy fanorotoroana avy amin'ny orinasa amerikana ihany koa ny fitondrana manao didijadona any amin'ny tontolo arabo rehefa hanivana sy hitsikilo ny hetsi-panoherana avy amin'ny mpandala ny demokrasia. Tsara ny milaza aty amin'ny farany fa sabatra roa lela ny teknolojia; samy miasa (amin'ny fotoanany manokana) avokoa ny lela andaniny sy ankilany.