“Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no soratra hita tamin'ny sora-baventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo. Nilaza ireo mpikatroka fa nosamborina izy avy eo. Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho an'i Rima milanja an-kerimpo ilay sora-baventy eo anoloan'ny fiara mandeha, misy vondrom-behivavy kosa etsy ampita mitehaka azy.
Niampanga ny fisamborana azy sy Saffana Baqleh ireo mpikatroka hafa, Saffana no niaraka tamin'i Rima nandritra ny fotoana nisamborana azy. Nosamborina i Saffana noho ny fanakanany ireo manampahefana tsy hisambotra an'i Rima.

Rima Dali nandritra ny fiaretan-tory ho an'ny maritiora Syriana ao Damas, tamin'ny 2011. Sary tao amin'ny Facebook
Rima Dali, 33 taona, avy any Latakié, tanàna misy serana-tsambo. Manana mari-pahaizana momba ny lalàna tao amin'ny oniversité Alep izy. Mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana ny fahaiza-manao sy ny fiofanana miaraka amin'ny ” United Nations Development Program” (Fandaharan'asam-pampandrosoana an'ny Firenena Mikambana) ary mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Vokovoko Mena no asany ankehitriny. Tamin'ny fanentanana ny “Homs is in our hearts” (ao am-pontsika i Homs) no tena nahafantarana azy, fanentanana natao ahazoana fanampiana maha-olombelona ao Homs.
Nanatsonga ny tenin'i Martin Luther King manaraka ity no famoahana farany nataon'i Rima tao amin'ny pejy Facebook-ny:
“Tokony hadio mangatsakatsaka tahaka ny tanjotsika ny fomba ampiasaintsika hanatratrarana ny tanjotsika”
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...