Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Aogositra, 2023
Tohin'ny adiny amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Kyrgyzstan ny rakikiran'i Zere vaovao
Manohy miresaka momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny hira no sady mitrandraka ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika hafa ao Kyrgyzstan manoloana ny zava-niainany akaiky sy manokana ary ny tantarany hatramin'ny fahazazany.
Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara
Fanintelony hampiantrano ny lalaon’ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indianina manomboka amin'ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao i Madagasikara.
Olona nandositra an'i Rosia : «izahay koa tsy nomena trano”»
Heverin'i Valeria ho tsy dia misy dikany ny tantarany : "Nandao an'i Rosia aho satria tsy vitako ary tsy te-hangina aho, sady tsy te higadra noho izany koa aho."
Andian-tantara vaovao amin'ny TV ao Taiwan, mikitika ny resaka saropady momba ny foko, ary tona ao amin'ny Netflix
Andiana tantara iray amin'ny fahitalavitra ao Taiwan mitondra ny lohateny hoe "Port of Lies", nalefa ihany koa ankehitriny tamin'ny Netflix, no niatrika ny iray tamin'ireo olana tena saropady indrindra ao Taiwan amin'izao fotoana izao : ny foko.
Tao Niger, naongan'ireo miaramila ny Filoha Mohamed Bazoum
Ireo fanafihana jihadista, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly tao Niger no nampiongana an'i Mohamed Bazoum naongan'ireo miaramila avy amin'ny mpiambina ny filoha.
Ny nofinofin'ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona Loujain Al-Hathloul ao amin'ny bokin'ny ankizy
Ao amin'ny tantara, maniry ny hanidina miaraka amin'ny elany i Loujain kely, nefa ny ankizilahy ihany no nanana izany zo izany. Na dia teo aza ny zava-tsarotra, manohana ny nofinofiny ny fianakaviany, ka mahatonga azy ho maherifo manome aingam-panahy.
Mampiharihary ny olana fisafidianana toerana ao Xiong'an, Shina ny tondra-drano nandravarava tao Hebei
Mpisera Weibo iray nametraka ny politika famoahana rano ao Shina amin'ny fomba fohy: "Tsy miankina amin’ny haavony ny toerana iray tondraky ny rano na tsia fa miankina amin’ny sata politikany."
Sehatra vaovao manara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Azia Atsimo Atsinanana
Fikambanana media any Azia Atsimo Atsinanana miisa fito no nanangana ny pfmsea.org, sehatra iraisana hanaraha-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerana ny faritra.
Niankohoka i Barbara Requa, fangon'ny dihy jamaikàna!
« Natokany ny fiainany manontolo hiasàna hanomezana habaka sy toerana ho an'ny dihy ao anatin'ny rafi-panabeazana ary ao anatin'ny fiainan'ny olona»
Palestiniàna miady ho an'ny tranon'izy ireo ao Jerosalema Atsinanana
Araraotin'ireo fikambanana mpanjanaka Israeliana, tohanan'ny Fanjakana, ny fampiasàna ilay lalàna fanavakavahana mba hakàna tsy an-drariny ny tranon'ireo Palestiniana, mampiasa fomba lazaina ho ara-dalàna hahafahana manàla an-keriny ireo fianakaviana amin'ny trano fonenany.