
Ny hoe “Tsy mila ady” dia soratra eo ambony ranomandry ao Kirgizistana. Sary an'ny mpanoratra, nampiasaina nahazoana alalana tamin'ny Global Voices.
Nandrava fiainan'olona an-tapitrisany ny fananihambohitra an'i Okraina nataon'i Rosia. Mialoha ny zavatra rehetra, noravàny ny fisiana am-pilaminan'ireo Okraniana, izay miady tsy amin-tahotra amin'izao fotoana izao ho an'ny fireneny ary mandositra ny ady amina isa mahazendana. Fa nanova hatrany am-potony ihany koa ny fiainan'ireo mponina marobe ao amin'ilay firenena mpisetrasetra, Rosia sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy mpanao didy jadona, Bielôrosia.
Noheverin'ny fitondrana Rosiana fa ananan-dry zareo ny karatra fotsy hahafahany mampitombo ny famoretana ao anatin'ny firenena, ka nanafoana ny sisa tavela tamin'ny fanoherana an-karihary. Ny hany làlana tokana hivoahana dia ny fandosirana any ivelany, ho any amin'ny tontolo iray tsy misy na iza na iza miandry azy ireo.
Vakio ihany koa : Mahita fonenana vaovao ao Tiorkia ireo Rosiana manohitra ny ady
Nitafàn'ny Global Voices ireo Rosiana sy Belarosiana izay nahita fa tsy mety ny hijanonana anaty firenena mpanomboka fananiham-bohitra.
Any Pôlôna, tsy mifanaraka amin'ny firenena izay nandosirany ireo mpifindra monina
Nanana fifandraisana sarotra tamin'i Rosia i Pôlônina. Nosakafany tamin'ireo Okraniana nandositra ny varavarany ary nanorina manda teo amin'ny sisintany iraisany amin'i Rosia ao Kaliningrad izy.
Fotoana fohy taorian'ilay fananiham-bohitra, tonga tany Varsôvia i Elena, satria mora kokoa ho azy ny nandeha nankany : “tsy ilainy ny fandikanteny ianianana ; misy ny fahafahana mangataka fahafahana mivahiny ho an'ny asa na ny fianarana.” Araka ny filazany, dia tsy miverina io fiaingana io : “Nipetraka tany Bielôrosia aho hatramin'ny fahazazako. Taorian'ny famoretana an'ireo fihetsiketsehana toarian'ny fifidianana tao Bielôrosia tamin'ny 2020, dia nanjary nampahatahotra ny nijanona tany.”
Atsy ho atsy, ho feno herintaona ny nanombohan'ny ady ary ho an'ireo maro mpiteny Rosiana dia mizara ho amin'ny aloha sy aorianan'izany ny fiainana. Hatry ny ela i Elena no niakiy fa tsy hifarana vetivety ilay ady.
Mety ho sarotra sy mampahatahotra ny handositra an'i Rosia, izay hiresahan'ireo media ny mikasika ny “roanjato taonan'ny fankahalàna voalamina.” Na talohan'ny nanafihan'i Rosia an'i Okraina aza tamin'ny Febroary 2023, dia nihazakazahan'ireo mediam-panjakàna ny niresaka mikasika ny “fankahalàna an'i Rosia” ao amin'ny “Tandrefana iombonana”. Saingy tena lavitra ny zava-misy marina ny sary nomen‘ny fampielezankevitra, hoy Elena nanamarika :
Nijaly fatratra tamin'ireo fahazàrana imperialy nataon'i Rosia tsarista ry zareo Pôles, avy eo ny Firaisana Sovietika. Nefa tsy mifanentana amin'ny firenena sy ny vahoaka izy ireo.
Ankehitriny, miasa sy mianatra any Pôlônina i Elena, na sarotra aza ny hanana tetikasa maharitra. Nanampy izy hoe :
Kanto ny tontolontsika. Na eo aza ireo momba ny amperora tsy mahomby sy ny klioba mpankafy azy. Ary ngeza ny tontolo, tsy voatery hivelona ao amin'ny firenena iray mandratra anao ianao.
Nanjary tanindrazana vaovao i Kirgizistana
Repoblika Sovietika tranainy i Kirghistana ao Azia Afovoany. Teo aloha, noho ireo antony ara-toekarena, dia be dia be ny fitobahan'ny mpifindra monina avy any Kirghistana nankany Rosia, saingy ankehitriny, noho ireo antony ara-politika dia nitsimbadika io fitobahana io.
Nifidy ity firenena ity i Lesya noho ny maha-akaiky azy ; ny antony hafa dia ny fahatakaran'ny olona maro ny teny Rosiana, nsy noho ilay firenena manana sakafo sy toetrandro mahazatra, ary ny vidin-javatra azo ihoriranana :
Voalohany indrindra, te-handositra aho, na toerana aiza na aiza. Tsy voalaza mialoha ny faharetan'ny fotoana ipetrahanay. Raha ny tokony ho izy dia tsy te-hiankina velively ara-bola amin'ny fireneko aho [Rosia] ka hahita ny tenako any amin'izay toerana hisy “trano”, izay efa nesorina taminay.
Na teo aza ny hoe novizanina nandritra ny vanim-potoana Sovietika ny kolontsaina kirghizy sy ny sasantsasany tamin'ireo fombandrazana (namporisihina ny fampidirana ny fomba Rosiana, tahaka ny any rehetra any), dia nahavita nitazona ny fombandrazany ny Kirghizes, izay araka ny voalazan'i Lesya, dia ahitana ny fitazonana ny mangaraharaha, ny fahafahana mivelona sy mamaha miaraka ireo olana ary koa ny fampiantranoana vahiny. Manamarika i Lesya fa :
Ankehitriny aho tsy matahotra ny mason'ny polisy, tsy mamafa ireo teny mampalahelo any anatin'ireo fandefasana hafatra eo noho eo, tahaka izay nataoko tany Moskoa, izay nahafahan'ny polisy nanamarina mora foana ny findainao any anaty metro.
Antenainy fa indray andro any dia mety ho azony atao ny miverina mody, saingy angamba tsy mbola ato anatin'ny taona vitsivitsy ho avy no hitranga izany :
Efa mahazatra ahy sahady ny hevitra hoe tsy misy afatsy zava-doza no ateraky ady “ao an-tranoko, any amin'ny fireneko. Ketraka aho nandritra ny fotoana ela, menatra aho ny hanao na inona na inona, manao sary, mankafy fiainana, satria amin'io fotoana io indrindra, misy olona iray mijaly.”
Zeôrzia : ndao hiroso
Amin'izao fotoana izao dia tena mitandrina be i Zeôrzia amin'ny fifandraisana ara-politikany amin'i Rosia. Manana tantara tamin'ny fananihambohitra nataon'i Rosia ny firenena, tamin'ny 2008, ary ireo fitsapankevitra sasany vao haingana dia nampiseho fa vahoaka zeôrziàna marobe no tsy nankasitraka ilay fomba fifampitondrana ‘tsy mila viza’ ifanaovan'ireo firenena roa. Tamin'izay fotoana izay ihany koa dia nifantoka tamin'ny fidirana ho ao amin'i OTAN sy ny Vondrona Eoropeana izy. Saingy i Zeôrzia no nandray Rosiana maro nandao ny nisy azy ireo. Na ny fiteny Zeôrziana aza no fiteny ofisialin'ilay firenena, marobe ny olona miteny Rosiana sy Anglisy, izay manamora be ny fiainan'ireo mpifindra monina vaovao.
Anisan'ireo, ny tovovavy ჯუნო [izay azo vakiana hoe Juno], izay, hatramin'ny 24 Febroary, na teo aza ny olana rehetra natrehany tany amin'ny firenena niaviany, dia tsy nieritreritra velively ny hipetraka any ivelan'i Rosia : “Zava-tsy nampoizina ho ahy ny filàna misafidy firenena iray hafa hijanona mandritra ny fotoana ela. Rehefa tsy manana fahazoan-dalana mivahiny “Schengen misokatra”, mihena haingana ho roa ambinifolo ny lisitry ny safidy azo raisina. Nandresy an'io Zeôrzia.” Maro isan-karazany ny antony : “Voalohany indrindra aloha, efa tany aho ary nazava tamiko hoe toy ny inona io firenena io; Mbola afaka mijanona ao foana ny Rosiana mandritra ny herintaona na tsy manana fahazoan-dalana hipetraka aza ; mora ny hetra ary azo atao ny manokatra kaonty amin'ny banky sy manoratra anarana ho mpandraharaha olontokana; farany, misy ireo olona mahafinaritra, zavaboary mampitolagaga, sy ny toetrandro malefaka”, hoy izy manazava.
Iray volana sy tapany mahery taorian'ny fanambarana ny fanetsehana tao Rosia dia nampiantrano Rosiana maherin'ny 700 000 i Zeôrzia, izay 100 000 sisa tavela. Hoy ny fanamarihan'i ჯუნო : “Hatramin'izay naha-teto ahy, tsy mbola niharana herisetra mihitsy aho. Ireo mponina eo an-toerana dia, na tsy momba ny atsy na ny aroa, na sariaka, ary velom-pankasitrahana an'izany fihetsika izany aho.”
Vakio koa : Georgia facing backlash over possible flight resumption with Russia (Georgie miatrika fanehoankevitra miiba momba ny mety ho fiverenan'n sidina ifandraisany amin'i Rosia)
Namindra ny mpiasany rehetra niaraka tamin'ny fianakaviany ho any Zeôriza ny sasany tamin'ireo orinasa Rosiana. Na talohan'ny 2022 aza, natolotr'ilay firenena ny fandaharanasa “Miasa Avy Any Zeôrzia” hanohanana ny toekaren'ny firenena: nasaina handray anjara amin'izany ireo vahiny miasa ampitin-davitra.
Miasa amin'ny solosaina avy any an-trano ihany koa i ჯუნო ary mifandray amin'ny fianakaviany sy ireo namany mbola nijanona any Rosia. “Azoko lazaina fa ao anatin'ny fiarahamonina Rosiana dia maro ireo jembin'ny fampielezankevitra, ary mila fotoana ny olona mba hahatakarana. Mifandray amin'i Rosia aho satria ny fianakaviako sy ny namako mbola any. Tsy afaka nandeha izy ireo. Izany no antony mahatonga ahy tsy maintsy mitandrina fatratra amin'ny fisafidianana ny teny sy ny valinteny omeko azy”.
Isiraely : Ilay tany nampanantenaina
Heverin'i Valeria ho tsinontsinona ny tantarany : “Nandao an'i Rosia aho satria tsy tiako sady tsy te-hangina aho, ary tsy te-higadra mihitsy noho izany aho.” Tsy nanana fianakaviana na namana tao Israely izy ary, na teo aza ny zo efa misy hahazoany ny maha-olom-pirenen'ilay firenena azy (noho ny maha-taranaka Jiosy azy), talohan'ny ady dia tsy nampifandray ny fiainany afa-tsy tamin'i Rosia izy, ary tsy nitsidika an'i Israely mihitsy, na dia ho mpizahatany fotsiny aza.
Araka ny filazany, Israeliana marobe no matahotra hoe ny ankabeazan'ireo izay tonga taorian'ny nanombohan'ny ady dia ireo izay hiandry fotsiny, ary handeha tsy ho ela. Nandeha ireo Rosiana sasany rehefa avy nahazo pasipaoro Israeliana, raha ny sasany kosa mikasa ny hijanona.
Tany Rosia, nandray anjara i Valeria tamin'ireo fihetsiketsehana hatramin'ny fotoana farany. Saingy amin'izao fotoana izao, tsy mino intsony izy hoe mety ho resy lahatra ireo mpiandany amin'ny ady. Nanaraka akaiky ny fandaharam-potoana pôlitika izy ary nahamarika ny fandrosoan'ny fampielezankevitry ny Fanjakana ao amin'ny firenena, ary tena tonga haingana tokoa ny dingan'ny fanekena ny zava-misy.
Zava-dehibe ho ahy ny hitomboan'ny zanako vavy ho olona manome lanja ny tenany, manome lanja ny fahafahany, anisan'izany ny fahalalahany maneho hevitra. Tiako izy mba ho afaka hanapa-kevitra amin'izay tiany hipetrahana, amin'izay tiany hatao, hevitra inona no hotohanany. Indrisy fa ao Rosia amin'izao fotoana izao, sakànana tsy hanana ireo fahafahana ireo ny olona”, hoy Valeria nanampy.