Nanokatra ny pfmsea.org, sehatra iarahana manara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerana ny faritra ny fikambanana media miisa fito any Azia Atsimo Atsinanana.
Ny fikambanana dia ahitana ny Fiombonan’ireo mpanao gazety mahaleo tena any Indonezia (AJI), ny fikambanan'ny mpanao gazety any Timor Leste, ny Fiombonan'ny fikambanan'ny mpanao gazety Kambodziana, ny Foiben'ny asa fanaovan-gazety mahaleo tena any Malezia, Hetsika Media Merdeka any Malezia, Sendikan'ny mpanao gazety Filipina, ary Prachatai any Thailandy.
Natomboka tamin'ny 29 Mey 2023, mizara torohay ara-potoana momba ny trangana herisetra atao amin'ny mpanao gazety sy ny media ny vohikala, sy ny tatitra momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any amin'ny firenena miisa enina, ny famoahana an-gazety iraisana, ary ny rafitra ahafahan'ny besinimaro mitatitra tranganà herisetra atao amin'ny haino aman-jery.
Tamin'ny alàlan'ny mailaka, niantsafa tamin'ny Sekretera jeneralin'ny AJI Ika Ningtyas momba ny hetsika vaovao ny Global Voices. Nizara ny fomba nifandrindran'ireo vondrona media isam-paritra tamin'ny fanombohana ilay sehatra izy.
Most of us have been working together for quite a long time, belonging to regional organizations that unfortunately did not last long enough. But we understand the urgency of the need to build a new one as press freedom is increasingly threatened in most countries in Southeast Asia. Finally, since last year, we had quite intense discussions for a year to rebuild the collaboration with a new approach.
Niara-niasa nandritra ny fotoana ela ny ankamaroanay, tao anatin’ny fikambanana isam-paritra izay indrisy fa tsy naharitra ela. Saingy takatray fa maika ny filàna fananganana vaovao satria miha-tandindonin-doza ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any amin'ny ankamaroan'ny firenena any Azia Atsimo Atsinanana. Farany, nanomboka tamin'ny herintaona, nifanakalo hevitra mafana nandritra ny herintaona izahay mba hananganana indray ny fiaraha-miasa amin'ity fomba vaovao ity.
Nohazavainy ny antony nanosika ireo vondrona hanangana ilay sehatra. Manantena izy fa ho mora ny fikirakirana ny tambajotra.
We discussed how to do it simply and at a low cost. Our current strategy is not to establish a permanent organization like before. Instead, this collaboration is more flexible. We chose one organization in turn as the facilitator responsible for facilitating each meeting, managing finances, and other administration. In this first year, AJI was chosen as the collaboration facilitator.
Then we discussed about the work program, several ideas emerged, one of which was to create a joint press freedom monitoring platform. We thought it was important to have data available in real-time that shows the safety of journalists and media organizations in Southeast Asia.
Niresaka ny fomba hanaovana izany amin’ny fomba tsotra sy mora vidy izahay. Tsy hametraka fikambanana maharitra toy ny teo aloha ny paikadinay amin’izao fotoana izao. Fa azo roritina kokoa ity fiaraha-miasa ity. Nifidy fikambanana iray izahay ho mpanentana tompon'andraikitra amin'ny fanamorana ny fivoriana tsirairay, ny fitantanana ny vola ary ny fitantanana hafa. Tamin'ity taona voalohany ity, voafidy ho mpanentana ny fiaraha-miasa ny AJI.
Avy eo izahay niresaka momba ny fandaharan'asa, hevitra maro no nipoitra, anisan'izany ny fananganana sehatra iraisana hanaraha-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Noheverinay fa zava-dehibe ny fananana torohay azo alaina amin'ny fotoana ilaina izany izay mampiseho ny fiarovana ny mpanao gazety sy ny fikambanana media any Azia Atsimo Atsinanana.
Raha nanontaniana momba ny fomba hampiasana ny torohay fanaraha-maso hampiroboroboana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izy dia niresaka momba ny paikady fanentanan'ny tambajotra izy.
The promotion of press freedom requires reliable data. Data that is available in real-time can show the real situation, about the mode, perpetrators, types of threats and see how the trend is from year to year, whether it is improving or worsening. From the data, we or each organization can determine what intervention actions should be taken, what the advocacy strategy is, and how to do it. Through this monitoring data, we can campaign together more broadly about the security situation of journalists in Southeast Asia because we found some similar trends used by governments such as the increase in digital attacks, the use of disinformation regulations to target journalists, and others.
Mitaky torohay azo antoka ny fampiroboroboana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Afaka mampiseho ity torohay azo jerena amin'ny fotoana ilàna izany ity momba ny zava-misy marina, momba ny fomba, ny mpanao heloka bevava, ny karazana fandrahonana ary mijery ny fironana isan-taona, na mihatsara izany na miharatsy. Avy amin'ny alalan’ny torohay, afaka mamaritra izahay na ny fikambanana tsirairay hoe inona ny andraikitra tokony horaisina, inona ny paikady fiarovana ary ahoana no hanaovana izany. Amin'ny alalan'ity torohay fanaraha-maso ity, afaka manao fanentanana mivelatra kokoa momba ny toe-piarovan'ny mpanao gazety eto Azia Atsimo Atsinanana izahay satria nahita fironana mitovy amin'izay ampiasain'ny governemanta toy ny fitomboan'ny fanafihana nomerika, ny fampiasana ny lalànan'ny fandisoam-baovao hanenjehana ny mpanao gazety, sy ny hafa.
Tamin'ny taona 2022, nanara-maso ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety miisa 185 manerana ny faritra ny vondrona misy azy ireo. Tamin'ity taona ity, nahatratra 73 ny tranga notaterin’izy ireo. Manodidina ny 60 isanjaton'ny tranga tamin'ity taona ity no nahitana fanafihana mivantana mikendry ny media, raha ny 23 isanjato kosa no mifandray amin'ny fanafihana nomerika. Manodidina ny 36,5 isanjaton'ny tranga no nataon'ireo mpisehatra amin'ny fanjakana. Sasany amin'ireo olana lehibe nomarihin'izy ireo ny fanakatonana an-tery ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao Kambodza, ny fampiharana ny lalàna famoretana atao amin'ny media any Indonezia, ary ny fanaratsiana mpanao gazety any Philippines.
Farany, namaritra ny sasany amin'ireo fanamby amin'ny fampivoarana ny sehatra fanaraha-maso i Ika Ningtyas.
The initial challenge was how to set a common standard for indicators, working mechanisms, and report formats. Because we found that several organizations that monitor press freedom have different indicators. Then we agreed to use internationally accepted standards, namely according to Sustainable Development Goals number 16.10.1 where the safety of journalists is one of the indicators. By using this SDG's indicator, it will be easier if each organization prepares a shadow report related to the SDG's on the safety aspect of journalists.
Secondly, of the six organizations that have joined, only three regularly monitor cases. But our members in Timor Leste, Malaysia and Thailand are not very intense in monitoring, because they don't have special resources. So the challenge is how to provide support especially to organizations that don't have resources and strengthen those that do. Because monitoring is not just inputting data, but a long process such as receiving reports, verifying each case that occurs, writing reports and analyzing them.
Ny fametrahana fenitra iraisana ho an'ny tondro, ny fomba fiasa ary ny endrika tatitra no fanamby voalohany. Satria hitanay fa manana tondro samihafa ny fikambanana maromaro manara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Avy eo, nanaiky ny hampiasa ny fenitra ekena iraisampirenena izahay, izany hoe araka ny Tanjona fampandrosoana maharitra laharana 16.10.1 izay ny fiarovana ny mpanao gazety no iray amin'ireo tondro. Amin'ny fampiasana io tondro SDG io, ho mora kokoa raha manomana dindon-tatitry ny SDG momba ny lafiny fiarovana ny mpanao gazety ny fikambanana tsirairay.
Faharoa, amin’ireo fikambanana miisa enina niditra, telo ihany no manara-maso tsy tapaka ny tranga. Saingy tsy dia hentitra loatra amin'ny fanaraha-maso ny mpikambanay any Timor Leste, Malezia ary Thailandy, satria tsy manana loharano manokana izy ireo. Noho izany ny fomba hanomezana fanohanana no atao fanamby, indrindra ho an’ireo fikambanana tsy manana fitaovana sy hanamafisana ireo izay manana izany. Satria tsy fampidirana torohay fotsiny ny fanaraha-maso, fa dingana lava toy ny fandraisana tatitra, fanamarinana ny tranga tsirairay miseho, fanoratana tatitra ary famakafakana izany.
Mikasa ny hanitatra ny fandrakofana ny tetikasa amin'ny alalan'ny fitadiavana mpiara-miombon'antoka matanjaka any Myanmar sy Vietnam ny tambajotra.