
Tafahitsoka any an-tsekoly ao Zhuoshou ny mpianatra sy ny mpampianatra satria tonga tampoka ny tondran-drano. Sary avy amin'ny lahatsary Weibo 细雨蒙蒙lsj
Niharan'ny sisa tavela tamin'ny rivodoza Doksuri, nahitàna rotsak'orana mahery vaika indrindra tao anatin'ny 140 taona ny avaratra atsinanan'i Shina, ary indrindra ny faritanin'i Hebei. Teo anelanelan'ny 29 Jolay sy 2 Aogositra 2023, nitarika famindran-toerana ireo olona 1,23 tapitrisa mahery tao amin'ny faritanin'i Hebei fotsiny ny tondra-drano voarakitra an-tsoratra.
Yet, a statement made by a top official of Hebei province regarding the region’s mission to serve as “a moat for the capital” has unintendedly exposed a design problem for China’s newly constructed sub-capital Xiong’an as it blocked flood waters from being discharged into Baiyangdian, the largest lake in Hebei.
Na izany aza, nampiharihary tsy nahy ny olana ara-pamoronana an'i Xiong'an, renivohitra kely vao naorina ao Shina ny fanambarana nataon'ny tompon'andraikitra ambony iray ao amin'ny faritanin'i Hebei momba ny iraka ataon'ny faritra ho toy ny “lava-dranon'ny renivohitra”, satria nanakana ny fivoahan'ny rano mankany Baiyangdian, farihy lehibe indrindra any Hebei.
Nitranga tao Zhuozhou, tanàna kely misy mponina 718.000 voahodidin'ny tany fambolena, ary miorina eo anelanelan'ny renirano ambony ao Beijing sy renirano ambany ao Xiong'an ny tondra-drano nandravarava indrindra. Nahatratra 7 metatra ny haavon’ny tondra-drano. Nampiseho ny halalin'ny tondra-drano tao amin'ilay tanàna kely ny lahatsarin'ny Mpampianatra Li, mpamaky bantsilana vaovao Shinoa tao amin'ny Twitter:
涿州中学目前水位: pic.twitter.com/63dfEejRyp
— 李老师不是你老师 (@whyyoutouzhele) August 5, 2023
Fiarovana ny renirano ambony Beijing
Nanome toromarika ny ekipa mpamonjy voina i Ni Yue-feng, sekreteran'ny AKS (CCP) ao amin'ny faritanin'i Hebei tamin'ny 2 aogositra rehefa avy nitsidika an'i Zhuozhou sy Xiong'an fa tokony hanaraka ny fihevitry ny Filoha Shinoa Xi Jinping izy ireo ary nilaza tamim-pireharehana fa mba hiarovana an'i Beijing, dia tokony miasa ho toy ny ““lava-dranon'ny” Renivohitra ny faritra manodidina.
Niteraka resabe izany fanambaràna izany satria tsy fantatry ny mponina any amin’ireo faritra voakasika fa amoron'ny lava-dranon'ny Renivohitra izy ireo no mipetraka. Raha ny momba an'i Zhuozhou, tonga tampoka ny tondra-drano, ary maro ny mponina tafahitsoka tsy nisy fiomanana sy fanohanana. Araka ny hita tamin'ny fahitalavitra fanaraha-maso nalaina tamin'ny 31 Jolay teo amin'ny lalambe iray tao Zhuozhou (tamin'ny alalan'ny mpisera Twitter @kevinpabloFR), niakatra avy any amin'ny santimetatra vitsivitsy ka hatramin'ny iray metatra mahery ny haavon'ny rano tao anatin'ny minitra vitsy raha mbola nandeha teny amin'ny lalambe ireo fiara:
坐标:涿州
看看这段史诗级的洪水来的景象 pic.twitter.com/JhzBmjKwgx— 左撇子内参 (@kevinpabloFR) August 4, 2023
Mpandrindra: Zhuozhou
Jereo ity sarin'ny tondra-drano mampitolagaga ity
Tamin'ny voalohany dia noheverina ho “tsaho” nataon'ireo tia tanindrazana an-jotra ny fitarainana tao amin'ny sehatra media sosialy ny fihoaran'ny rano tsy nampoizina. Saingy nanamafy ny siosio ny fanamarihan'ny sekreteran'ny AKS Hebei amin'ny “hanompoana tsara ho lavadranon'ny renivohitra”.
Nanamafy ihany koa ny tatitry ny Global Times vatsian'ny fanjakana fa voatendry ho koveta fitehirizana ny tondra-drano ny faritra sasany ao Zhuozhou, ary tokony ho iray volana eo ho eo vao hidina tanteraka ny rano ao amin'ilay faritra, satria antenaina ho 300 tapitrisa ka hatramin'ny 400 tapitrisa metatra toratelo ny rano mikoriana manavatsava an'i Zhuozhou na dia nitsahatra aza ny orana.
Fiarovana amin'ny renirano ambany Xiong'an
Na dia izany aza, maro no nanamafy fa tsy vitan'ny hoe nateraky ny fivoahan'ny rano avy eny amin'ny renirano ambony ihany ny tondra-drano tsy mbola nisy toy izany tao Zhuozhou, fa noho ny fanakanana ny rano tokony hivoaka mankany Baiyandian, farihy lehibe indrindra ao amin'ny faritanin'i Hebei. Namintina ny fifanakalozan-kevitra an-jotra ilay mpisera Twitter @Petrichor :
历史上,白洋淀是北京周围的蓄洪区。但今年涿州作为泄洪区。实际上涿州的海拔比雄安要高,为啥不往白洋淀泄洪?因为水利部不敢,雄安是钦定副都。以前遇到洪水,保首都北京即可,现在还要保皇帝舅舅家的雄安。 pic.twitter.com/mqWhS1mcbz
— Petrichor (@Jam79922967) August 3, 2023
Amin'ny ankapobeny, koveta fitazonana rano mandritra ny tondra-drano i Baiyandian. Saingy tamin'ity taona ity, nahoana i Zhuozhou no tsy namoaka ny rano tondraka ho any Baiyangdian na dia tonga amin'ny haavo henjana aza ny ranony? Satria tsy sahy nandray andraikitra tahaka an'i Xiong'an renivohitra kely ny Departemantan'ny Harena an-drano. Tany aloha, nila niaro an'i Beijing fotsiny i Zhuozhou. Ankehitriny, tsy maintsy miaro ny tanindrazan'ny dadatoan'ny emperora, Xiong'an izy.
Ny tanàna Xiong'an vao naorina dia tetikasa fampandrosoana lehibe izay maneho ny Nofinofin'i Shina an'ny Filoha Shinoa Xi Jinping. Noforonina ho zana-drenivohitra izy io taoriana kelin'ny nanombohan'ny tetikasa fampandrosoana tamin'ny volana Aprily 2017, raha nanambara ny fifindra-monina tsikelikely ireo asa “tsy fototra” ao amin'ny Renivohitra mankany amin'ny Faritra Vaovao, izay 100 km miala ny Renivohitra i Beijing. Tamin'ny fitsidihana vao haingana tany Xiong'an, nanoritsoritra an'i Xiong'an ho “tanànan'ny ho avy” i Xi satria heverina ho ivon'ny fanavaozana sy ny fandraharahana amin'ny taona 2035 izy.
Na izany aza, nampiharihary ny faharefoan'i Xiong'an amin'ny tondra-drano ho avy ny tondra-drano mahatsiravina tao Hebei, olana iray noresahan'i Lu Dadao, Shinoa malaza mpahay jeografia, tamin'ny taona 2019. Nipoitra indray tao amin'ny sehatra media sosialy Shinoa ny lahatsoratr'i Lu tamin'ny herinandro lasa mba hanazavana ny antony fahadisoan'ny olombelona amin’izao tondra-drano izao. Nitahiry dika mitovy amin'ny fanakianan'i Lu momba ny fifantenana ny toeran'ny renivohitra kely ihany koa ny Chinese Digital Times:
雄安新区选择在河北省北部平原上的一个大洼地(洼地中心部分是白洋淀)的“边坡”上,平均海拔10米左右。历史上洪涝灾害频发。未来的雄安新区可能需要按照极高的洪水标准设防。在严重洪水发生时,白洋淀有可能必须泄洪,可能会使城市被淹。 https://t.co/Us7gx8E6mT
— 中国数字时代 (@CDTChinese) August 3, 2023
Ny Faritra Vaovao Xiong'an dia miorina eo amin'ny faritra lemaka midadasika any amin'ny faritra avaratr'i Hebei, voahodidin'ny tehezan-tendrombohitra. Baiyangdian no ivon'ny lemaka, ary voahodidin'ny sisin'ny tehezan-tendrombohitra misy haavo tokony ho folo metatra eo ho eo. Tena mora tratran'ny tondra-drano ny faritra teo amin'ny tantara Shinoa. Ny fenitry ny fepetra fisorohana ny tondra-drano amin'ny Faritra Vaovao Xiong'an ho avy dia tokony ho avo dia avo. Rehefa misy ny tondra-drano lehibe, dia mety tsy maintsy mamoaka rano i Baiyangdian, ary mety ho difotry ny rano ny tanàna.
Mba hisakanana an'i Xiong'an tsy ho difotry ny rano, tsy nariana tao Baiyangdian ny rano tamin'ity indray mitoraka ity. Nanazava ny fomba nampitan'ny manampahefana Hebei ny tondra-drano tamin'ny sarintanin'ny prefektioran'i Baoding, izay misy ny renivohitra kely, ilay mpanao gazety Shinoa veteran Michael Anti:
用地图来显示下涿州水灾和雄安的关系。河北境内13个法定蓄滞洪区,这次开了7个,关键看保定市,只有1个没开,哪个?是历史上天然蓄水大户、附近唯一湖泊——白洋淀区(雄安)。这样,涿州县开了小清河(去津)、还有兰沟洼(南下),但不开白洋淀,自然兰沟洼水在白洋淀就下不去,只能东向缓慢去东淀。 pic.twitter.com/zQPRz4ET3T
— Michael Anti (@mranti) August 5, 2023
Mamelà ahy hampiasa ny sarintany hanondroana ny fifandraisana eo amin'i Zhuozhou sy Xiong'an. Manana koveta fitehirizan-drano 13 natokana ho azy i Hebei. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia fito no nampiasaina. Tao anatin'ny prefektioran'i Baoding, iray ihany no tsy nampiasaina. Iza amin'ireo? Ny toerana fitahirizan-drano voajanahary lehibe indrindra sy ny farihy tokana ao amin'ny faritra — faritra Baiyangdian (Xiong'an). Namoaka rano tamin'ny alalan'i Xiaoqinghe (mankany Tianjin) sy Langouwa [tahiry] (mankany atsimo) i Zhuozhou fa tsy namoaka izany tany Baiyangdian. Izany no nahatonga ny tondra-drano avy any Langouwa tsy maintsy nitodika niantsinanana ary nivarina tsikelikely nankany amin'i Dongdian [ao Tianjin].
Rehefa nitodika niantsinanana ny tondra-dranon'i Langouwa fa tsy nankany atsimo any Baiyangdian, dia safotry ny rano ny tany fambolena ao Bazhou, tanàna kely iray hafa atsinanan'i Xiong'an. Tezitra ireo mponina tao an-tanàna noho izany ka nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny governemanta, nitaky onitra. Nanome ny odidin'ny fihetsiketsehana ilay Shinoa mpanohitra @ZhouFengSuo:
支持霸州人維權抗暴,沒有這抗议,外界都不知道霸州也被指定淹没了。查地图,霸州在雄安的东面,而涿州在北面,果然是为了保住习近平的雄安新区,把周围当作护城河。 https://t.co/m7nVK8Cvki
— 周锋锁 Fengsuo Zhou (@ZhouFengSuo) August 5, 2023
Tohano ireo mpanao fihetsiketsehana ao Bazhou amin'ny fiarovana ny zon'izy ireo. Tsy ho fantatry ny olona avy any ivelany fa toerana iray hafa natokana hanaovana tondra-drano i Bazhou raha tsy mitsangana hanohitra izy ireo. Nojereko ny sarintany. Bazhou dia ao atsinanan'i Xiong'an ary atsimon'i Zhuozhou. Ny tanjona dia ny hiaro ny Faritra Vaovao Xiong'an an'i Xi Jinping amin'ny alàlan'ny famadihana ny faritra manodidina ho hady (lava-drano lehibe).
Nandritra izany fotoana izany, nanomboka nanivana ireo adihevitra nanameloka an'i Xiong'an tamin'ny tondra-drano tao Zhuozhou ny media sosialy Shinoa (tamin'ny alàlan'ny Mpampianatra Li tao amin'ny Twitter):
有B站网友因为发布雄安和涿州的海拔对比图被封号15天 pic.twitter.com/lbFBY7Homy
— 李老师不是你老师 (@whyyoutouzhele) August 5, 2023
Saingy mbola betsaka ny adihevitra momba ny fomba nikorian'ny rano tao Hebei nandritra ny tondra-drano. Mpisera Weibo iray nametraka ny politika fampitana rano ao Shina amin'ny fomba fohy:
会不会被淹,不在于海拔高度,而是在于政治高度
Tsy miankina amin’ny haavony ny toerana iray tondraky ny rano na tsia fa miankina amin’ny sata politikany.