
Zere manao hira ao amin'ny rakikirany vaovao. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Zere Asylbek. Fampiasana ara-drariny.
Tamin'ny volana Jolay lasa teo, namoaka rakikira vaovao antsoina hoe “Men Kaidamyn” (Aiza Aho) ahitana hira 12 amin'ny teny Kyrgyz ilay mpihira Kyrgyz Zere Asylbek, fantatra amin'ny anarana hoe Zere. Rakikirany fahatelo izy ity hatramin'ny nanombohany nihira tamin'ny taona 2018, rehefa nivoaka lohateny lehibe izy tamin'ny rakikirany “Kyz” (Tovovavy) izay nalaza tao anatin'ny indray alina.
Ity ny horonan-tsarin'ny hira “Kyz.”
Nalaza ny “Kyz” raha nivoaka satria nampisara-bazana noho ny hafatra feminista nampitainy tamin'ny fandrisihana ny tovovavy ho afaka amin'ny fitsipi-piarahamonina maneritery ary hiaina ny fiainany araka izay tiany sy mety aminy. Naka ny toeran'ireo rakikirany roa teo aloha tamin'ny taona 2018 “Bashtalos” sy ny taona 2021 “EKEK” ny rakikira vaovao. Manohy miresaka momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny hira no sady mitrandraka ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika hafa ao Kyrgyzstan manoloana ny zava-niainany akaiky sy manokana ary ny tantarany hatramin'ny fahazazany.
Ahitana tantaran'olona manokana maromaro ao anatin'ny hira amin'ny rakikira vaovao. Ao anatin'ireny hira ireny no izaran'i Zere ny fahatsiarovana ny fahazazany tamin'ny nandaniany fialantsasatra fahavaratra tao an-tranon'ny raibe sy renibeny tao Jalalabad any atsimon'i Kyrgyzstan, mihaino angano, ny tenim-pahendrena nozarain'ny raibeny efa maty, ary ny resaka nifanaovany tamin'ny reniny momba ny olo-malaza ara-tantara tamin'ny lasa. Toy ny ampahany amin'ny hira momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fanavakavahana, ny kolikoly, ny herisetra an-tokantrano ary ireo olana hafa ao amin'ny firenena ireo tantara manokana ireo .
Ao amin'ilay hira antsoina hoe “Jangak” (Voaniho), nizaran'i Zere ny nofinofim-pahazazany ary nilazany ny fiheverany ho toy ny olon-drehetra ka ho afaka hanao izay rehetra tiany atao amin'ny fiainany. Na izany aza, ny fiainan'olon-dehibe sy ny fitsipi-piarahamonina maneteritery ny vehivavy no nampianatra azy fa tokony ho nitandrina kokoa tamin'ny nofiny izy. Ao amin'ny hira iray hafa antsoina hoe “Men Kaidamyn,” natombony tamin'ny angano henony matetika nandritra ny fahazazany izany ary notohizany tamin'ny fanontaniana izay nanatrehany sy nanatrehan'olonkafa maso ireo trangan-javatra lehibe amin'ny tsy-rariny sy ny fihoaram-pahefana ao amin'ny firenena.
Ity ny dika am-peo amin'ny hira “Men Kaidymyn.”
Nanontany ny vahoaka Kyrgyz izy avy eo hoe taiza izy ireo nandritra ny “foaram-pifidianana” rehefa novidina ny “safidim-bahoaka” ary notapahana ny hevitra momba ny hoavin'ny firenena — mahazatra ny mpanao politika ao Kyrgyzstan ny mizara vola mandritra ny fifidianana sy manangona vato. Manontany ihany koa izy hoe taiza ny olona rehefa nisy vehivavy mpikatroka notafihan'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona nasionalista antsoina hoe Chorolor nandritra ny diabem-behivavy, raha nijoro sy nitazam-potsiny ireo polisy nanatrika. Ny 8 marsa 2020 no nisehoan’izany tranga izany.
Ao amin'ny “Jakshy Kyz”‘ (Tovovavy Tsara), no iresahan'i Zere ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny herisetra an-tokantrano. Manontany ny mpihaino azy izy raha misy teny hoe “tovovavy olombelona” eo anelanelan'ny teny roa hoe “tovovavy tsara” sy “tovovavy ratsy”, manondro ireo marika roa azon'ny vehivavy sy ny tovovavy matetika ao amin'ny fiarahamonin'i Kyrgyzstan, fa tsy jerena ho olombelona. Tsy mahita valiny amin'io fanontaniana io izy amin'ny fampiasana ny ohabolana Kyrgyz taloha ary manontany hoe inona no karazam-pahendrena ho an'ny taranaka hoavy avelan'ireo lehilahy amin'izao fotoana midaroka ny vadiny.
Tsy ity no hira voalohany niresahan'i Zere ny herisetra an-tokantrano. Ny hirany “Jeneke” (Zaobavy), izay nivoaka tao amin'ny rakikirany faharoa tamin'ny taona 2021, dia niresaka olana mitovy amin'izany. Na dia tafiditra ho heloka bevava aza ny herisetra an-tokantrano ao Kyrgyzstan, dia miharatsy hatrany ny toe-draharaha noho ny fitomboan'isan'ny herisetra an-tokantrano.
Ity ny horonan-tsary momba ny hira “Jeneke.”
Miafina ao amin'ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Vau” (Wow), izay nanasany ny mpijery haka sary an-tsaina ny hoavy nahatanterahany ny nofinofiny rehetra, ny iray amin'ireo hafatra lehibe an'i Zere. Nanehoany fiarahamonina iray izay voavaha ny olana rehetra ary tsy misy mpankahala izy sady tian'ny rehetra. Nifarana tampoka ilay hira tamin’ny fampahatsiahivana fa na dia eo aza izany dia mbola hisy ihany ireo hiantso azy hoe “tovovavy ratsy”. Mampahatsiahy ireo vehivavy sy tovovavy ao Kyrgyzstan izany fa hisy hatrany ny olona hiezaka hanala baraka azy ireo noho ny fitondran-tenany ary tokony tsy hiraharaha fotsiny ny fanakianana izy ireo fa hiaina ny fiainany mihoatra ny fenitra fameperana.