Niankohoka i Barbara Requa, fangon'ny dihy jamaikàna!

Pikantsary avy amin'ny sanganasan'i Barbara Requa mitondra ny lohateny hoe « Treadmill », nolalaovin'ilay vehivavy mpandihy, Arlene Richards, notsongaina avy amin'ny lahatsary  YouTube  an'ny National Theatre Company « TREADMILL » (1985) soradihy narindran'i Barbara Requa, ary ny « ONE TIME » (1986) soradihy narindran'i  Sheila Barnett.

[Mitondra mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra]

Ny 22 Febroary, nodimandry teo amin'ny faha-90 taonany ilay vehivavy mpandihy, mpanao soradihy mpampianatra ary fangon'ny kolontsaina jamaikàna, Barbara Requa. Amin'ny maha-mpikambana mpanorina azy ny National Dance Theatre Company (NDTC), izay nankalaza ny faha-60 taonany tamin'ny 2022, nandray anjara betsaka tokoa i Requa nametraka ny vatofototry ny dihy teatraly taorian'ny nahazoan'ny fireneny ny fahaleovantena. Izy ihany koa dia mpikambana mpanorina, ary taty aoriana, zokiolona tao amin'ny Sekolin'ny Dihy, izay ankehitriny efa ao anatin'ny Edna Manley College for the Visual and Performing Arts sy ny Dance and the Child International.

Lisa Wilson, ilay Jamaikàna vavy, mpandihy ary mpampianatra amin'izao fotoana izao ao amin'ny oniversite Captown, dia nandefa fanomezam-boninahitra nakotroka  tao amin'ny pejiny Facebook, ka ao anatin'izany no iderany ireo fotokevitra ambony nananan'i Requa, ny hanihaniny, ny fahatsorampony, ary ny fanatrehany mampitony:

Raha izaho no anontaniana hoe iza no tena lalaiko indrindra ao anatin'ny sehatry ny dihy eto Jamaika, dia tena tsotra fotsiny no hamaliako azy : Barbara Requa. Toy ny hoe ao anatin'ny hoditr'iny ramatoa iny aho. Tamin'ny fotoan'andro, dia mpandihy kanto dia kanto izy ary hijanona ho tsy manan-tsahàla ny asa nataony ho an'ny fampianarana dihy teto Jamaika. Natokany ny fiainany manontolo hanaovana ezaka mba hahitàn'ny dihy ny habaka sy toerana, tsy hoe ao anatin'ny rafi-panabeazana fotsiny ihany, fa koa eny anatin'ny fiainan'ny olona. Tena nampitolagaga ahy ny fitiavany ny dihy. Indraindray, rehefa miresaka izahay dia latsaka ny ranomasony rehefa miteny momba ny dihy sy ny hasarobidin'izy io ho antsika vahoaka. Na be aza ny zavabitany dia manetry tena hatrany izy. Toa hainy tsara mihitsy ny mampivady ny dihy amin'ny maha-mpitantana, mpanabe, mpandika, mpitaridàlana, reny, renibe, ary vady.  Nahatalanjona ahy tokoa ny nahafahany nitondra tsara ireny satroka rehetra ireny. Teo imasoko, izy no tena maneho ny atao hoe vehivavy.

Nandefa ny fiarahamioriny tao amin'ny Twitter ny minisitry ny kolontsaina, ny miralenta, ny fialamboly ary ny fanatanjahantena, Olivia « Babsy » Grange :

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana sy ireo naman'ilay olo-malaza nodimandry, Barbara Requa, ary indrindra indrindra fa ho an'ny fianakaviamben'ny @NDTCJAMAICA.

Tena loharanon'aingampanahy tokoa ity mpandihy, mpampianatra sy mpanao soradihy ity, ho an'ireo andiantaranaka jamaikàna mpamorona, ary ho an'ireo hafa marobe aty Karaiba mampiasa sy miteny anglisy. (1/2) pic.twitter.com/IetfgJqa13
— Hon.Olivia Grange (@Babsy_grange) 23 Febroary 2023

Nibitsika toy izao ny Edna Manley College for the Visual and Performing Arts :

Miara-miondrika isika ho fanomezana voninahitra an'i Barbara Requa, vehivavy mpandihy tsy manan-tsahàla, mpisava làlana sy mpiara-nanorina ny  Sekolin'ny Dihy izay nitànany toerana sy asa marobe. Nitàna toerana maro tao anatin'ny sekoly izy: zokiolon'ny sekolin'ny zavakanton'ny fiakarana an-tsehatra ary tale mpisolo toerana. pic.twitter.com/bL5dNRHdwp

— Collège Edna Manley (@EMCJamaica) 23 Febroary 2023

Requa dia lehibe tany Appleton Estate  ao St. Elizabeth, toerana naha-tale ny rainy, Henry Grant. Ny dihy no nofinofiny, saingy nandritra ny valo taona izy dia nianatra ny mozika tao amin'ny lisea ary ny lavidavitra kokoa, ny piano no zavamaneno tena namiràtany. Nandritra ny androm-piainany manontolo, mpanentana jazz sy mozika klasika izy.

Nandritra ireo taona maro nandrantoany fianarana tao amin'ny Lisean-jazavavy St. Andrée ao Kingston no nanomboka ny asa feno famoronana nananan'i Requa. Teo amin'ny faha-17 taonany, tontosany ny nofinofiny rehefa niditra tao amin'ny Sekolin'ny Dihy an'ilay olomalaza Ivy Baxter, izay nampivoatra ny fomba fandihy « tsy mikiraro » tamin'ny taona 1950.  Rex Nettleford, iray amin'ireo mpikambana voalohany tao anatin'ny tarika, sy Eddy Thomas, no niaraka nanorina ny NDTC tamin'ny 1962, taona izay nahazoan'i Jamaika ny fahaleovantenany tamin'i Angletera. Izany no nakàn'i Requa ny angampanahiny ho an'ny asa fandihizana nataony.

Tamin'ny 1955, notohizany ny fianarany tamin'ny fandrafetana soradihy tao amin'ny Dartford College of Physical Education, sy ny Teknika Laban  tao amin'ny Kôlejy Goldsmith ao Londona any amin'ny Firenena Mitambatra. Vantany vao tafaverina tao Jamaika izy dia namaly ny fanasàn'ny “alma mater”-ny, ao St. Andrew, mba hampianatra fanatanjahantena sy dihy. Izy dia nampianatra ihany koa tao amin'ny Mico University College, sekoly mpanofana mpampianatra. Fantatra tamin'ny fomba kanto sy ny angovo niavaka nananany rehefa mandihy, nanjohy ny Nettleford izy tamin'ireo famokarana ny National Pantomine tamin'ny 1959, 1960 ary 1961. Tamin'ny 1963, ny anjara toerana naha-mpilalao azy tao anatin'ny « Woman in Dialogue for Three », tena nankafizana tokoa ny Nettleford. Marobe ireo fampisehoana hafa tsy hay hadinoina no nanaraka taty aoriana. Teo anelanelan'ny 1982 sy 1995, dia mpanao soradihy izy ho an'ireo sanganasa dimy goavana ho an'ilay tarika, ka isan'ireny ny (« Treadmill ») izay naverin'ny NDTC naseho an-tsehatra indray tamin'ny 2022 :

Ny Zoma 22 Jolay ny NDTC 60 no manomboka ao amin'y LITTLE THEATRE : aza tara amin'ilay famerenana ny « Treadmill » (1985) an'i Barbara Requa mandritra ny fampisehoana amin'ity andiany ity, hodihizin'ilay kintana mpandihy, Kenny-Ann Henry miaraka amin'i Mark Phinn, Marlon D. Simms sy Patrick Earl. pic.twitter.com/GMFxkzNEoN

—  (@NDTCJAMAICA) 8 Febroary 2022

Tao amin'ny tranonkalany an-tambajotra, hoy ilay tarika hoe:

Nitondra fahafehezana teknika marolafy ho an'ny NDTC i Barbara Requa, ary fahalalàna matanjaka momba ny hetsika sy ny fomba fitondra fampisehoana. Ny tanjany dia mifàka ao anatin'ny fahatakarana lalina ny zavamanenon'ilay mpandihy sy ny mety ho fihanak'ireo hetsika any anatin'ny habaka, izay amin'ny ampahany dia avy amin'ireo fianarana nataony tany Laban

Nafàna fo hatrany i Requa tamin'ny resaka fanabeazana. Ireo fampianarana dihy nomeny ho an'ny ankizy dia niafàra tamin'ny famoronana Sekoly ho an'ny Dihy tao Jamaika, izay tamin'ny 1970 no nanomboka ny asany tao amin'ny Little Theatre tao Kingston. Izany dia noho ny fifanomezan-tànana teo amin'i Requa sy olona roa hafa mpisava làlana ny dihy, Bert Rose sy Sheila Barnett. Taty aoriana kely ilay Sekolin'ny Dihy dia lasa ho ny iray tamin'ireo departemanta efatra teo amin'ny seha-pampianarana, izay misy ao amin'ny Edna Manley College for the Visual and Performing Arts.  Nitety faritra maro ihany koa i Requa, nampianatra tamina atrikasa sy seminera iraisampirenena marobe.

Tamin'ny 2004, izy efa zokiolona, nitsahatra handeha hisotro ronono i Requa tao amin'ny Oniversite Edna Manley, toerana niasàny nandritra ny 30 taona. Saingy tsy nijanona teo ny asany; nanohy hatrany nampianatra sy nanoro ny tanora izy, na izany aza, satria resy lahatra izy fa ny dihy dia ho isan'ireo fandaharam-pianarana jamaikàna, na any amin'ny ambaratonga fototra izany, na any amin'ny ambaratonga faharoa. Notohizany ihany koa ny niasa niaraka tamin'ny College Alumni Fund, izay izy ihany koa no nametraka azy tamin'ny 1988.  Rehefa nisotro ronono, nahazo mariboninahi-pirenena niavaka izy, ny Order of Distinction, sy ny Medalin'ny Fahazato Taona ary ny Silver Musgrave Medal natolotry ny Ivontoerana ao Jamaika noho ny fandraisany anjara goavana tamin'ny zavakanto. Tamin'ny 2019, nahazo fankasitrahana izy avy amin'ny Rex Nettleford Foundation ho fankasitrahana ny asany, ary ny Edna Manley University Excellence Award nomena azy tamin'ny 2022.

Tamin'ny taona lasa, ilay mpamokatra podcast, Tenement Yaad Media,  dia nankalaza ny asan'i Requa nandritra ny iray volan'ny tantaran'ireo vehivavy tao Karaiba:

Ny volana Martsa, ankalazain'ny Yaad ny #irayVolanIreoVehivavyAoKaraiba & ary ho fanombohana io volana fankalazàna io, asongadinay ny iray amin'ireo vehivavy mpandihy tena nalaza indrindra tato amin'ny faritra, Barbara Requa, iray amin'ireo nanangana ny @NDTCJAMAICA

Ireto ireo fotoan-dehibe tamin'ny androm-piainany

Sary fanaingoana avy amin'i  @natashashaneek pic.twitter.com/YatwKESAyg

— Tenement Yaad Media (@tenementyaad_) 2 Martsa 2022

Tamin'ny lafiny maro,  Barbara Requa no farany tamin'ny vondrona iray nahafinaritra nisy ireo mpamorona izay niaraka namolavola ny tontolon'ny dihy teto Jamaika. Goavana be ny lova navelan-dry zareo. Ireo andry izay novelomin'i Requa sy ireo mpiara-manorina taminy mba hitohy hatanjaka ny lazany nandritra ny taompolo maro, na teo amin'ny sehatra nasiônaly, na iraisampirenena, dia nitondra araka izany ny fahaterahana vondrona mpandihy hafa marobe mbola amperinasa sy tsy tapakamiseho an-tsehatra. Ankoatra izay, amin'ny maha-fanehoana ara-kolontsaina azy, ny dihy dia mitohy misitraka ny fahazoana laza, miaraka amin'ny fikarakaràna manerana ny nosy manontolo ireo fifaninanana marobe ho an'ny gadona reggae, dancehall, sy ny dihin'ny làlana, raha tsy hilaza ny amin'ireo fifaninanana malaza ara-javakanto sy ny fampisehoana ambany fiahian'ny fanjakàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.