Tao Niger, naongan'ireo miaramila ny Filoha Mohamed Bazoum

Mohamed Bazoum, pikantsary an'ny fantsona YouTube an'ny France 24

Feno fanonganam-panjakana sy fikasana hanongam-panjakana ara-miaramila ny tontolo politikan'ny Repoblikan'i Niger. Hatramin'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny 3 Aogositra 1960, efatra tamin'izany no efa hitan'ilay firenena. Saingy tamin'ity 26 Jolay 2023 ity, fanonganam-panjakana iray vaovao nataon'ny miaramilan'ny mpiambina ny filoha no nahavita nanaisotra ny filoha ankehitriny, Mohamed Bazoum.

Tamin'ny 21 Febroary 2021, tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 27 Desambra 2020, Mohamed Bazoum, kandidà natolotr'i Mahamadou Issoufou (filoha avy nandao ny toerany) no voafidy ho filohan'i Niger tamin'ny vato 55,75% nanoloana ilay mpanohitra mpifanandrina taminy Mahamane Ousmane (44,25 %). Na izany aza, notoherin'ireo ny mpanohana an'i Mahamane Ousmane ny fahalaniany. Andro vitsivitsy talohan'ny nametrahana azy tamin'ny toerany, ny 30 hatramin'ny 31 Martsa 2021, niharan'ny fikasana fanonganam-panjakana i Bazoum izay tsy nahasakana mihitsy ny fanokanana azy tamin'ny 2 Aprily 2021. Roa taona taty aoriana izany dia voaongana izy.

Tamin'ny fahitalavitra nasionaly, nambaran'ireo miaramila ny putsch. Tahaka izay nilazàn'ny Tchad One azy, gazety Tchadien iray, tao anatin'ity bitsika ity hoe :

Fanonganam-panjakana ao Niger : fanambaràn'ny CNSP

pic.twitter.com/geEaJ7H07T

— Tchad One (@TchadOne) 27 Jolay 2023

Ny ankamaroan'ny olona ao Niger no miampanga ny fitondrana  ho tsy mahavaly intsony ny zavatra andrasan'ny vahoaka aminy ka anisan'ny fitarainana lehibe amin'izany ny fanafihan'ny mpampihorohoro, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ary amin'ny ankapobeny, ny fitantanana ratsy. Moussa Aksar, mpanao gazety sady talen'ny famoahana ny gazety “L’Événement” ao Niger no nanazava teo amin'ny fandraisampeon'ny Deutsche Welle fa:

Fantatrareo fa misy ny olana mikasika ny fiarovana any amin'ireo faritra rehetra amin'ny sisintany telo. Hita ny fidirian'ireo mpitsoa-ponenana marobe, olona nohazain'ireo mpampihorohoro. Eo ihany koa ny fitantanana izay tsy niova, nampanantena ady hanoherana ny kolikoly i Bazoum saingy amin'izao fotoana izao tsy voatohintohina ireo mpikatroka avy amin'ny PNDS, ilay antokon'ny filoham-pirenena, izay asa mendrika hosaziana.

Hetsika avy amin'ny lafiny rehetra

Nanomboka tamin'ny 26 jolay, nanenika ny araben'i Niamey, renivohitr'i Niger, ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny ampitson'ny nanonganana ny mpitondra am'perinasa, dia nitohy ireo fihetsiketsehana saingy araka ny voalazan'ny Tv5Monde teo amin'ny kaonty twitter-ny, dia misy ny manohitra ilay fanonganam-panjakana,

Fihetsiketsehana iray ho fanohanana ny filoha Nizeriana Mohamed Bazoum no nokarakarain'ireo mpanohana azy tao ##Niamey renivohitra. Nitifitra teny an-tsisin'ny famoriam-bahoaka ireo mpiambina ny filoha. Farafahakeliny, olona iray no naratra araka ny tombana voalohany. https://t.co/L5UyIutW1z pic.twitter.com/groRrUiqy9

— Ny gazety Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde)26 Jolay 2023

Ny hafa mitehaka ilay fanonganam-panjakana nataon'ireo miaramila. Tsikaritra ny fisian'ny fandrobàna sy fanimbàna fananam-bahoaka. Ny foiben'ny antoko eo amin'ny fitondrana ohatra dia lasibatra raha ireo minisitra vitsivitsy sy tomponandraikitra mbola nanao fivoriana tany anatin'ireny toerana ireny :

Teo am-pivoriana tao amin'ny foiben-toerana ny Minisitra sy Tomponandraikitra ambony avy amin'ny antokon'ny filoham-panjakana ao Niger, PNDS-Tarraya. Tonga nanafika azy ireo ny mpanao fihetsiketsehana, nandositra ny sasantsasany tamin'ireo mpikambana amin'ny governemanta. Voatora-bato sy voadotra ireo fiara ! pic.twitter.com/CamfK4wxqT

— Raïssa Nouradine Kassiré (@RaissaKassire) 27 Jolay 2023

Andiana mpanao fihetsiketsehana iray hafa no mihiaka ny anaran'i Rosia ary mitaky sahady ny fialàn'i Frantsa ao amin'ny firenena.

#Niger: olona an-jatony maro no nivory nanoloana ny Antenimieram-Pirenena tao Niamey mba hanao fihetsiketsehana fanohanan-dry zareo ny putschistes.
Angatahan-dry zareo ny fandraisan'anjaran'i Rosia sy ny fialàn'ny tafika frantsay ao Niger. pic.twitter.com/ihWgQc2ARo

— Lespiaut Anne-Fleur (@annefleurjo) 27 Jolay 2023

Lohataonan'ireo Fanonganam-panjakana ao Afrika Andrefana

Taorian'ny fanonganana mpitondra tany Mali (Aogositra 2020 sy May 2021), tao Guinée Conakry (Septambra 2021) ary tao Burkina-Faso (Septambra 2022), ny fanonganana an'i Mohamed Bazoum no fanonganam-panjakana fahadimy tany amina firenena efatra tao Afrika Andrefana hatramin'ny 2020. Andiana fanonganam-panjakana ara-miaramila tany amin'ireo firenena samihafa ireo izay namela hafatra mazava : ny finiavan'ny vahoaka hamarana ny fitondrana jadona sy fahefana manao tsinontsinona ny filàn'ny vahoaka.

Maro no antony mahatonga ho amin'ity fanonganam-panjakana fahadimy tao Niger ity. Hatramin'io 26 Jolay 2023 io, Niger no firenena tokana ao Sahel tantanin'ny sivily raha toa ireo firenena mifanila vodirindrina sy mpiray sisintany kosa, anisan'izany Mali sy Burkina-Faso, dia tarihan'ny miaramila avokoa. Etsy ankilany, toa nitondra vokatra ny fiaraha-miasan'ireo firenena mifanila vodirindrina ireo amin'i Rosia taorian'ny fialàn'ny tafika Frantsay teo amin'ny taniny. Mazava fa mitarika sy mahazo vahana i Rosia ao amin'ny faritra Sahel, satria toa miha-matanjaka eny anivon'ny vahoaka ny fihetsehampo mankahala Frantsay.

Niger no hany mpiara-dia amin'i Frantsa tao Sahel saingy amin'ity fanonganam-panjakana ity dia mety ho very ny tohana farany ho an'i Frantsa ao amin'ny faritra izay mbola rembin'ireo vondrona jihadista.

Raha te hahalala bebe kokoa, vakio ny :  Ao Niger, manjary faritra fandraisana an'ireo mpialokaloka mandositra ny fanafihana mitam-piadiana avy ao Sahel ny any avaratra-atsinanan'ny firenena (fr.)

Ny fanehoankevitry fianakaviambe iraisam-pirenena

Hatramin'ny marainan'ny 26 Jolay, miraradraraka ireo antso fanamelohana. Mifandimby samy malahelo amin'ity fanonganam-panjakana iray vaovao ao amin'ny faritra Afrikana Andrefana ity, ireo hery iraisam-pirenena, ny mpiara-dia amin'i Niger ary ireo andrim-panjakana Afrikana.

Tamin'ny alalan'ny fanambaràna iray, manameloka ilay fanonganam-panjakana ny CEDEAO (Communauté Économique des États de l'Afrique de l'Ouest)  :

Manameloka ny fikasàna hanongam-panjakana ao Niger ny kaomisiônan'ny CEDEAO/ ECOWAS pic.twitter.com/0iYWCqLU18

— Ecowas – Cedeao (@ecowas_cedeao) 26 Jolay 2023

Manaraka azy, Moussa Faki Mahamat filohan'ny Firaisambe Afrikana dia manameloka ny famadihana ataon'ireo miaramila izay manadino ny adidy repoblikana iantsorohany :

Manameloka ny fikasana fanonganam-panjakana ny Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana @AUC_MoussaFaki

#Niger.https://t.co/bWYHc36OgU pic.twitter.com/kqtrX0xqWm

— African Union (@_AfricanUnion) 26 Jolay 2023

Maneho ny fanohanany ny filoha Bazoum ihany koa ny Vondrona Eoropeana sy Frantsa tamin'ny alalan'ny fiampangana ilay fanonganam-panjakana nataon'ireo miaramila. Josep Borrell Fontelles, solontena ambony avy amin'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny fiarovana sy ny raharaha ivelany dia manasongadina izany  ao anatin'ny bitsika nalefany manao hoe :

Tena manahy amin'ireo zava-mitranga mitohy ao #Niamey.
Ny Vondrona Eoropeana dia manameloka ny fikasana rehetra hanakorontanana ny demokrasia sy mandrahona ny filaminana ao #Niger.
Miray feo amin'ny fanambaran'ny Filohan'i Nigeria Tinubu amin'ny anaran'ny @ecowas_cedeao ny Vondrona Eoropeana
— Josep Borrell Fontelles (@JosepBorrellF) 26 Jolay 2023

Manameloka ihany koa ilay fanonganam-panjakana ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia. Araka ny voalazan'ny gazety LeMatin, Stéphane Dujarric, mpitondra tenin'i Antonio Guterres, sekretera jeneralin'ny ONU dia manambara hoe :

Ny sekretera jeneralin'ny ONU, Antonio Guterres, dia manameloka mafy ny fikasàna rehetra fakàna fahefana an-keriny sy fanimbàna ny fitantanana demokratika, ny fandriampahalemana ary ny filaminana ao Niger.

Araka io loharanom-baovao io ihany, dia manamafy i Jake Sullivan mpanolotsaina amin'ny fiarovam-pirenena ao amin'ny Trano Fotsy fa :

Melohinay tanteraka izay mety ho fikasàna haka na hanohintohinana ny fampandehanan-draharahan'ny governemanta demokratika voafidy tao Niger izahay, tarihan'ny Filoha Bazoum.

Eo ampiandrasana ny fahafantarana izay ho mpitondra vaovao ao Niger, dia mbola tazonin'ireo miaramila putschistes eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika hatrany ny Filoha Mohamed Bazoum.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.