Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona

Manantena ny ho any Angola amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena voalohany ny ekipa mpilalao baolina kitra tapa-tongotra Kameroney . Saripikan'i Giovanni Wanneh, Kick442.com, nahazoana alalana.

Mety tsy ho afaka hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay vao voalohany indrindra ho azy ireo any Angola ny ekipa mpilalao baolina kitra tapa-tongotra Kameroney noho ny tsy fahampian'ny fanohanana ara-bola .

Nandritra ny lalao baolina kitra dia niantso ny olona sy ny fikambanana mpanao asa soa mba hanohana azy ireo ahafahany manatanteraka ny nofinofiny ireo mpilalao izay hisolo tena an'i Kamerona amin'ny fifanitsanana lalao baolina kitra ho an'ny mpilalao tapa-tongotra any Angola ny volana septambra 2019.

Milalao ao amin'ny ekipam-pirenena ho an'ny mpilalao baolina kitra tapa-tongotra ireo mpilalao baolina kitra manam-pahasembanana ary manohana azy ireo ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany ho toy ny sampana eran-tany ho an'ny fanatanjahantena. Mpilalao miisa fito avy no milalao amin'ny andaniny roa – mpiandry tsatokazo ny iray ary mpilalao eny an-kianja ny enina fa tsy toy ny ekipa izay tsy manana fahasembanana miisa 11 avy ny mpilalao tsirairay.

Ahitana an'i Angola, Ghana, Kenya, Liberia, Nizeria, Rwanda, Sierra Leone, Tanzania, Togo ary Kamerona ny lalao hiadiana ny tompon-dakan'i Afrika fahadimy ho an'ny Baolina Kitran'ny Tapa-tongotra , CANAF saingy manahy anefa ireo  Kameroney fa mety tsy ho afaka hanatrika ny lalao izy ireo:

Hanomboka ny 30 Septambra ka hatramin'ny 14 Oktobra any Benguela, Angola. ny lalao hiadiana ny tompon-dakan'i Afrika fahadimy ho an'ny Baolina Kitran'ny Tapa-tongotra (CANAF).  Ekipa 10 no handray anjara amin'ny fifaninanana: Nizeria, Angola, Kamerona, Ghana, Kenya, Liberia, Tanzania, Togo, Rwanda ary Sierra Leone.

“Tsy manana loharano ara-bola izahay handoavana ny saran'ny fiaramanidinay ary mety tsy handeha hisolo tena ny firenena,” hoy i Fon Dieudonné, mpilalao eo afovoan'ny kianja sady lehibe mpanatanteraka ao amin'ny ekipa Kameroney tamin'ny fampitam-baovao tao an-toerana ny Alatsinainy 23 Septambra.

Vao niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny taon-dasa ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba dian'izy ireo mankany amin'ny lalao famaranana any Angola.

Fanazaran-tena tao Bamenda. Fiatoana manaraka, Yaounde. Mihatsara ny lalao baolina kitra any Kamerona ho an'ny tapa-tongotra . Mahafinaritra ry zalahy . Araho izahay raha te hamantatra bebe kokoa momba ny baolina kitran'ny tapa-tongotra any Kamerona/Afrika. Tsy misy avela na iray aza

“Mizotra tsara ny fiofanana saingy ao anatin'ny toe-java-tsarotra; tsy manana kianja izahay. Tsy manana fitaovana izahay fa baolina miisa telo monja fotsiny », hoy ny vodilaharana François Dim Baring tamin'ny fampitam-baovaom-panjakana CRTV ny 13 Septambra.

Tsy resaka lalao fotsiny ihany ny fahombiazana mankany Angola fa ny mba hanitarana ny fampahafantarana ny ekipa sy zon'ny olona manana fahasembanana . Namorona hetsika manerantany ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra ho an'ny Firenena Mikambana sy ny fandaharan'asa “aza misy olona hadinoina” mba hahazoana antoka fa afaka mandray anjara amin'ny lafi-piainana rehetra tsy misy fanavakavahana ny olona manana fahasembanana..

Mankalaza ny ekipa Kameroney noho izany antony izany ilay mpisera Twitter Njobati Sylvie:

Ho tanteraka ny hetsika “Aza misy olona avela” rehefa tonga eto Kamerona ny klioban'ny baolina kitra nasionaly ho an'ny tapa-tongotra. Zava-dehibe ny fifampikasohana ara-tsosialy amin'ny fampihenana ny tsy fitoviana. Faly aho fa tafiditra ao anatin'ity fampandrosoana miabo ity.

Na dia teo aza ny fandresen'i Angola tamin'ny Tompondaka Erantany 2018 ho an'ny Manana Fahasembanana tany Meksika dia mbola maro ireo firenena Afrikanina no miady mafy mba hahazoana loharanom-bola ho an'ny fanatanjahantenan'ny sembana. Nandray anjara tamin'ny fanohanana ara-bola handraisana anjara ny ekipan'ny tapa-tongotra ao Nizeria tamin'ny herintaona mba ahafahany mandray anjara tamin'ny Fiadiana ny Tompondaka Eran-tany, rehefa avy niatrika ny fifaninana tamin'ny taona 2010, 2012 ary 2014 izy ireo.

Minoa fotsiny ihany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.