Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Naverina tamin'ny toerany indray ilay mpivaro-boanjo Trinidadiana tiam-bahoaka any amin'ny fijerena lalao cricket

Pikantsarin'i “Jumbo ilay mpivaro-boanjo ,” izay efa nivarotra voanjo nendasina vao mafana tao amin'ny hetsika ara-panatanjahantena cricket any Antilles Andrefana. Nalaina tao amin'ny lahatsary YouTube nalefan'i Brian Bartholomew mitondra ny lohateny hoe “Tohano i JUMBO ilay mpivaro-boanjo” ny sary .

Fifaninanana fohy amin'ny lalao cricket isam-paritra izay atao isan-taona nanomboka ny taona 2013 nyCaribbean Premier League na  Ligy Karibeana Voalohany (CPL) . Antsoina mahazatra hoe cricket Twenty20, nanomboka tamin'ny 5 septambra tao amin'ny Kianjan'ny Mpanjakavavy miendrika Oval (boribory lavalava) ao Seranan'i Espaina, renivohitr'i Trinite ny fifaninanana 2019 ary hatao amin'ny 12 Oktobra ny lalao famaranana. Nomena anarana hoe Brian Lara moa ity kianja any atsimon'i Trinite ity, ilay atleta malaza amin'ny lalao cricket – saingy tsy ireo atleta loatra no tena nalaza tamin'ity taona ity fa ilay «Mpivaro-boanjo».

Namaritra ilay lehilahy Mpivaro-boanjo malaza ho “fahita matetika eny amin'ny fivarotan-tsakafo an-dalambe sy any amin'ny hetsika ara-panatanjahantena” ilay bilaogera miresaka momba ny sakafo TriniGourmet :

Sometimes he moves around with a cart, other times with a tray around his neck. […] people line up, prepared to wait, if a particular vendor’s reputation has dubbed his roasting style worthy. You can get your nuts plain, salted, or honey roasted.

Matetika izy mandeha miaraka amina kalesy kely ary indraindray mitondra sahafa mifatotra eo amin'ny tendany. […] Milahatra ny olona, ​​vonona hiandry, raha misy mpivarotra iray hafa naka tahaka ny fomba fanaony. Hitanao eo aminy ny voanjo natiora, masira, na nendasina tamin'ny tantely.

Anisan'ny manan-danja amin'ny fijerena lalao cricket any Karaiba ireo mpivaro-boanjo. Rehefa mirohotra handeha hijery ny lalao ireo mpankafy cricket na ireo mpijery hafa izay tonga any an-toerana fotsiny mba haka ambiansy dia ny voanjo no mety tsara hanalana ny hanoanan'ny vavony kanefa sady tsy voatery hiala eo amin'ny seza hipetrahana rehefa tonga ny hanoanan'ny olona .

Raha mandeha ny cricket dia i Keith “Jumbo” Martin angamba no Mpivaro-boanjo fanta-daza indrindra — farafaharatsiny ao amin'ny Kianja Oval — izay fantatra amin'ny fahaizany manipy ny haronkely misy voanjo ho an'ireo mpijery miparitaka manerana ny toerana fipetrahana, efa nanomboka tamin'ny taona 1971 no nahitana an'i Jumbo teny amin'ny lalao cricket Karibeana .

Raha vantany vao nanomboka ny fifaninanana CPL 2019 no navoakany ny lahatsary izay niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy izay nampiseho ny tsy fahafaliany raha nilazana izy fa tsy mahazo mivarotra ny voaniony ao amin'ilay hetsika satria ny Sunshine Snacks izay vondronorinasa eo an-toerana no mpanohana ofisialy.

Nitobaka ny fanohanana azy tao amin'ny tambajotra sosialy, niaraka tamin'ny lahatsoratra sasany niangavy ny Oval mba “hamerina ity olona anisan'ny manamarika ny fijerena lalao crocket ity”.

Nieritreritra ilay mpisera Facebook Rhoda Bharath hoe:

[The] Thing is, fellas like Jumbo and Nuts Landing [another nuts vendor] have a grassroots ad campaign that would destroy SS [Sunshine Snacks] in the Oval in an open market…which technically is what capitalism claims to be based on. So when SS wants to lock down rights to an event…that isn't a free and open economy.

[Ny] Zava-misy dia manana dokambarotra ifotony izay hamotika ny SS [Sunshine Snacks] ao amin'ny Oval amin'ny tsena misokatra ny bandy toa an'i Jumbo sy ny Nuts Landing [mpivarotra voanjo iray hafa]… nefa ara-teknika dia ny tsena malalaka no lazainy fa iorenan'ny kapitalisma. Ka rehefa te-hanakana ny zo amin'ny hetsika ny SS … dia tsy toekarena malalaka sy misokatra intsony izany.

Angamba ny endrika lahatsary YouTube nalefan'i Brian Bartholomew, izay nataon'ny zanany lahy tamin'ny endrika extempo (endrika calypso tsy niomanana) no fanehoana fanohanana tena niavaka indrindra:

Tafita ny hafatra. Efatra andro taorian'ny lalao CPL 2019 voalohany, nanambara ny Sunshine Snacks fa nihemotra amin'ny ampahany ry zareo amin'ny zo hany mahazo mivarotra mba ahafahan'ny mpivaro-boanjo tsy miankina mivarotra ny entany ao amin'ny fifaninanana.

Nanazava ny Tale Mpitantana Kristine Thompson :

When the cricket fans spoke out in favour of all nuts sellers being there as a critical part of the Oval Cricket Culture and the game experience…we simply decided to put our hearts ahead of our strict sponsorship rights.

Rehefa naneho ny heviny manohana ireo mpivaro-boanjo rehetra tany an-toerana ny mpankafy cricket ho ampahany lehibe amin'ny Kolotsainan'ny lalao Cricket ao Oval sy ny haizatran'ny lalao… dia nanapa-kevitra izahay ny hihaino ny fonay mialoha ny zo hentitry ny mpanohana ara-bola.

Nankasitraka betsaka ny fihetsiky ny orinasa ny mpiseran'ny media sosialy, kanefa tsy ny olon-drehetra akory no nanohana ny paikadin'i Jumbo. Nisy mpisera Facebook sasany nahatsapa tao amin'ny andiana fanehoan-kevitry ny daholobe fa mifanohitra amin'ny sarany aloan'ireo mpanohana ny fomba nataony; ny hafa kosa nanontany raha toa ka nanaraka ny fomba ara-dalàna izay manome azy ny alalana hivarotana ao amin'ny hetsika i Jumbo. Nihevitra  ny tompon'andraikitra iray tao amin'ny klioban'ny Lalao Cricket ao amin'ny Kianjan'ny Mpanjakavavy, izay nifampiresaka tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhatsApp saingy tsy nitonona anarana fa tokony hisy ny marimaritra iraisana eo amin'ny roa tonta.

Raha namintina izany i Aarti Gosein :

If it wasn't for those big businesses and their sponsorship money there may not have been any cricket

Mety tsy nisy ny lalao cricket raha tsy nisy ireo orinasa lehibe sy ny fanohanana ara-bola.

Tamin'ny farany, mbola zava-dehibe ny haizatran'ny lalao cricket Karibeana mamela toerana ampy ho an'ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.