Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008)
Namana an'i LondonBrad
Avy any Ejipta, lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy ireo marina mahatsiravina. Miezaka manohina ny mpanana mba hihetsehany ny iray amin'izy ireo, Hideous, amin'ny fampisehoana ny fifanoherana eo amin'ny fiainan-dry zareo tsy mivaky loha sy ny fahantrana eny an-dàlambe. Eo ihany koa ny To H.E Mrs Suzanne Mubarak, hira sy lahatsary natolotra amim-panajana ho an'ny Vadin'ny Filoham-pirenena Ejipsiana, mitatitra ny tantaran'ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.
Mandeha eny an-dàlamben'i Ejipta isan'andro i Nader G. EL-Attar ary nahatsikaritra, efa fotoana maromaro izao, ny fifandraisana eo amin'ny mpanana anatin'ity firenena ity sy ny mahantra, ary indrindra ny fomba fifaneraseran'ireo saranga roa mifanao atsimo sy avaratra ireo. Noresahany tamin'ny namany, Rienne Gamal, izany, ary izy ireo miaraka no namokatra ny lahatsary “Hideous” navoakany tao amin'ny pejy facebook-ny, izay hananany lahatsary hafa ihany koa. Ao anatin'ny Hideous, lahatsary iray azonao jerena eto (rohy maty), mampiseho ny fifanoherana eo aminà fomba fiaina roa samy hafa i Nader G. EL-Attar sy i Rienne Gamal. Tanaty mailaka, nanontaniako izay nanosika azy hanao io lahatsary io i Nader. Namaly ahy izy:
…ny zavatra hita ankehitriny dia vondrona vahoaka manan-karena, izay anjakan'ny harena tanteraka…sy vahoaka mahantra mijery ireo olona manan-karena ireo ary manontany tena hoe “nahoana isika no avelan'izy ireny ho irery…inona no nataontsika…?” Ny mahavariana dia ny fomba fijerin'ireny olona ambony saranga ireny an'ireto vahoaka ireto amin'izao fotoana…ny ankamaroany mihevitra fa adalàny no nampahantra azy, satria tsy manao afa-tsy ny mangata-bola amin'ny hafa izy ireny… tsy miasa ihany koa [izy ireny], manadino fa anatin'ity firenena tendan-kanina, mpikatsaka vola, notontoloana, mpanangon-karena ity, tsy misy toerana ahafahan'ireny olona ireny miasa…aiza no ahafahanà bandy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary mahantra miasa ankehitriny???
Anatin'ilay sarimihetsika, manaraka ireo sary maro loko mampiseho ireo toeram-pivarotana goavana, trano fisakafoana, fandraisana mari-pahaizana, fety, tranobe mirentirenty sy morontsiraka ireo sary mainty sy fotsy maneho olona matory an-dàlambe, ankizy miasa sy mpangataka mipetraka eny an-jorony, tsy raharahian'ireo mpandalo. Mametraka fanontaniana mihitsy io sarimihetsika io any amin'ny farany: raha ireo sary tany am-boalohany, mampiseho ny fiainana mahafinaritra, no “mandratra saina”, na ireo sary tany amin'ny tapany faharoa. Mametra-panontaniana amin'ny anjara toeran'ny governemanta sy ny fanapenany maso amin'ity olana ity i Nader:
…nanana ity sarinà ankizilahy kely telo manosika daba-pako ity koa aho…ary teo dia nanontany tena aho hoe fa aiza ny Vadin'ny Filoham-pirenena??? miaraka amin'ny resany rehetra momba ny ankizy eny an-dàlambe!!!!
Manana holazaina amin'ny vadin'ny filoha ihany koa ilay bilaogera Ejipsiana sady mpanakanto, Ahmad Sherif. Nanapa-kevitra ny hanao izany anatinà hira sy lahatsary navoakany tao amin'ny YouTube izy, mitondra ny lohateny “To H.E Mrs Suzanne Mubarak/إلي سيدتي سوزان مبارك.” Manoratra izao izy ao amin'ny mombamomba ilay lahatsary:
Tantara marina momba ny Herisetra ataon'ny Mpitandro filaminana Ejipsiana, ny fanararaotana ankizy sy ny fahantrana lalina. Atolotra ho an'i “Ramatoa Hajaina Suzanne Mubarak, Vadin'ny Filoham-pirenena Ejipsiana. Amim-panajàna.
Dikateny Malagasy an'ireo tonony: “Ramatoa Mubarak, niara-niseho taminao tanaty fahitalavitra aho. Ankizikely bitika, faly ary pelipelika. Nibitsika teny mamy tanaty sofiko ianao… ireny no andro mamiratry ny ‘Wafa sy Amal’ (fanamarihana: Fandaharanasa Fiarovana ny Ankizy izay ny Vadin'ny Filoham-pirenena Ejipsiana no solontenany). Aza tezitra amin'ity hira ity. Mino aho, Rtoa Mubarak, fa mitondra tenim-Pahafahana izy ity. Indray andro, nisy ankizy iray nantsoina hoe Shaaban. Efa maty ny reniny, kamolahy kosa ny dadany ary ny zokiny lahy roa mpivarotra rongony anatinà tarika iray. Ny masoko izao mihitsy no nahita azy nitsentsitra ny sisanà ampongabendanitra (fanamarihana: voankazo ejipsiana) izay nalainà amboa tanaty fako miandrona. Ry Vadin'ny Filohako: Shaaban firy tapitrisa no miaina aty Ejipta? Tsy mbola nahita azy teny akaikinao aho, tanaty fahitalavitra. Ry Vadin'ny Filohako, Shaaban firy tapitrisa no tsimponin'ireo mpitandro filaminana ary hararaotiny anatin'ireo tobin'ny mpitandro filaminana an'ny vadinao hajaina? Fiverenana, amin'ny teny maro: Te ho ankizy aho, te hisakafo, te hianatra, te hana-namana, te hotiavina, tsy te hatahotra, te hilalao, te hanana trano sns.”
Manana lahatsary maro hafa i Ahmad Sherif ao amin'ny fantsony YouTube, maro amin'izy ireny no nokendrena haparitaka amin'ny finday. Resahany anatin”ilay lahatsary eto ambany hoe Ajanony ny Esoeso momba ny Niqab, atomboy ny fifanakalozankevitra, ny fifanjevoana any Angletera ateraky ny vehivavy mitafy Niqab, voaly manarona ny tava sy ny vatana iray manontolo, sy ny tokony hametrahana izany ho safidy. Anatin'ny Fitiavana Malalaka: dia maninona? Mubarak Ejiptaالحب : وماله ؟ / مبارك, maniry ny haneken'i Ejipta ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana izy, ho fomba iray hialàna amin'ireo tranganà fanafihana ara-nofo sy fanolanana any Caire. Ity manaraka ity ny Ajanony ny Esoeso momba ny Niqab.
Lahatsary iray mety hojerenao hahitanao bebe kokoa ireo fiainana indraindray miafina an'ireo vehivavy any Ejita maoderina ny To Feel Cold (Fahatsiarovana Mangatsiaka), lahatsary fanadihadiana maharitra 51 minitra ary ambanin'ny fahazoandàlana Creative Commons, novokarin'i Hala Lotfy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...