Mikorisarisa Eny “An-Dohasahan'ny Havoana Arivo” Ry Besorongolan'i Afrika Atsimo

A screenshot of the documentary "Valley of a Thousand Hills."

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Lohasahan'ny Havoana Arivo.”

Lahatsarim-panadihadiana fohy nivoaka vao haingana miresaka ny Indigo Skate Camp, ezaka iray hananganana taranaka Zulu voalohany mpanao skate ao an-tanànan'i Isithumba, ao amin'ny faritra Kwazulu-Natal ao Afrika Atsimo ny “Lohasahan'ny Havoana Arivo”. Voahodidina havoana 1000 ny tanàna, ka izay no nahatonga ny lohatenin'ny filma.

Tsirin-kevitra avy amin'ilay Afrikana Tatsimo matihanina amin'ny fanaovana skate antsoina hoe Dallas Oberholzer ny toby. Fanatanjahantena tsy mahazatra ny ao Afrika Atsimo, indrindra fa ny mainty hoditra, ny fikorisana an-takelakazo.

Ho fanampin'ny fikorisana an-takelakazo, kilonga 30 ka hatramin'ny 40 no handray anjara amin'ny programa fampanajana tena, fahasalamana sy fiarovana ary mozika.

Jess Colquhoun, mpanatontosa filma fanadihadiana sady mpaka sary, sy ny Huck Magazine. no niandohan'ny filma. Araraoty ny fijerena azy mandra-panaisotra azy tsy ho hitan'ny besinimaro:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.