Ny Thailandey amin'ny Faritra Be Mponina no Voalohany Milalao Ao Amin'ny Kianja Filalaovam-baolina Tsy Mahitsizoro ‘Voalohany Eto Amin'Izao Tontolo Izao’

A non-rectangular football field in Khlong Toei, Bangkok. Source: YouTube

Kianja filalaovam-baolina tsy mahitsizoro ao in Khlong Toei, Bangkok. Sary avy amin'ny: YouTube

Ny kianja filalaovam-baolina tsy mahitsizoro ? Eny , raha toa ka tsy misy ny toerana hanaovana azy , inona moa ny olana?

Namolavola ny tetikasan'ny kianja filalaovam-baolina  ‘tsy mahazatra’ ny Thailandey mpandrafitra tanàna mba ho vahaolana amin'ny tsy fahampian'ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena any amin'ny faritra be mponina ao afovoan'i Bangkok, renivohitr'i Thailandy.

Namorona ny kianja filalaovam-baolina tsy mahitsizoro tao Khlong Toei, izay distrika be mpiasa akaikin'ny toerana misy seranan-tsambo, ny orinasa AP Thailand. Voalaza izany fa kianja filalaovam-baolina tsy mahitsizoro voalohany eto amin'izao tontolo izao.

Manantena ny orinasa fa hampisy fifandraisana matanjaka eo amin'ireo mponina ao Khlong Toei ny kianja filalaovana baolina kitra, izay lalao malaza ao amin'ny firenena. Mikendry ireo Thailandey mba hanana aingam-panahy handinika indray sy hampivelatra ireo toerana tsy miasa ao amin'ny vondrom-piarahamonina ihany koa izany:

This unusual football field has proven that designing outside boundaries can help foster creativity used to develop these useful spaces.

We hope that other communities will adapt this idea to change their own irregular space into an area for organizing various activities, under the concept that “Any abnormal space can achieve the highest benefit.”

Nanaporofo ity kianja filalaovam-baolina tsy mahazatra ity fa afaka mampiroborobo ny famoronana ampiasaina hikarakarana toerana ho ilaina ny famoronana ivelan'ny fefy mahazatra.

Manantena izahay fa hanaraka izany hevitra izany ny vondrom-piarahamonina hafa amin'ny alalàn'ny fanovana ny toerana tsy ara-dalàna ho faritra azo hikarakarana hetsika isan-karazany, eo ambanin'ny foto-kevitra hoe: “Afaka mahazo tombontsoa ambony indrindra ny toerana hafahafa rehetra.”

An unusual football field in Bangkok. Source: YouTube

Kianja filalaovam-baolina tsy mahazatra ao Bangkok. Sary avy amin'ny  YouTube

Ankehitriny,  tsy mila mandeha lavitra rehefa hilalao baolina kitra ny ankizy ao Khlong Toei. Amin'ny alàlan'ny fanomezana fahafahana ho an'ny tanora hifandray amin'ny alàlan'ny fanatanjahan-tena sy amin'ny alàlan'ny fanovana ny toerana tsy ilaina ho fananam-piarahamonina sarobidy, dia azo atao ho maodely ity tetikasa ity hanaovana hetsika mikatsaka ny hamelomana sy hanatsarana ny fari-piainan'ny mponina any antanàndehibe  .

Fantaro bebe kokoa ny momba ny tetikasa amin'ny alàlan'ity lahatsary novokarin'ny sampan-draharahan'ny  sarimihetsika nomerika CJ Worx ity  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.