Peroa : Baolina kitra, Dokambarotra Amin'ny Fahitalavitra , Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany ary Tambanjotra Sosialy

Ny Talata,  19 Jolay [es], raha mbola nijalytamin'ilay lalao manasa-dalana teo amin'ny Peroa-Orogoay tamin'ilay Amboaran'i Amerika ry zareo Peroviana, nanana n y antony nandefasana bitsika tamin-katezerana ireo mponin'ny aterineto nijery ilay lalao baolina :  Dokambarotra nataon'ny  Sociedad Nacional de Mineria, Petróleo and Energia [es] (National Institute of Mining, Oil and Energy) na  ny (Foibem-pirenena misahana ny harena an-kibon'ny tany, Solika ary ny Angovo) niaraka tamin'ilay mpilalao baolina taloha  Juan Carlos Obitas eo amin'ny toeran'ny mpilalao fototra, nalefa nandritra ny fialan-tsasatra,  izay nampiasa ny fifandrafiana nisy taloha teo amin'ny Peroa sy ny “Chile” mba hitadiavana ny olona mitsipaka ny fisondrotan'ny haba amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany.

http://www.youtube.com/watch?v=IKReyL5v5-E&feature=player_embedded

Toy ny mahazatra, ny filazam-baovao Peroviana [es] dia nahavita nanangona [es] fanehoan-kevitra [es] avy amin'ireo mponin'ny aterineto,  indrindra tao amin'ny Twitter,  niaraka tamin'ny tenifototra toy ny hoe #culpadeoblitas [Oblita's fault] ny hadisoan'i Oblitas ] (izay mbola miasa ary ny #consejosdelciego [advice from the blind] na ny torohevitr'ilay jamba.

Misy ihany koa ireo vondrona ao amin'ny Facebook manome ny heviny amin'ilay toe-draharaha toa an'i ”Oblitas, te vendiste a las mineras y salaste a la selección” [es] ( Oblitas nivarotra ny fanahinao amin'ny Orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ianao ary nanome vintana ratsy ho an'ny Ekipanao) sy  “Sí al Impuesto a las Sobreganancias Mineras [es] Eny ho an'ny fakàna onitra amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany izay vola vetivety. Ireo dia ampahany amin'ireo bitsika mamoaka tsara ny hevitra momba ny haben'ny fahatezeran'ireo mpampiasa Twitter.

Na dia diso filaza aza i @elguille Oblitas tamin'ny nanononany ilay fikambanana nampiasa an'i Oblitas,  nampita fahatezerana tamin'ny olona izy tamin'izay fotoana izay :

Buena la estrategia de conacami de contratar a oblitas para termimar de convencer a todo el Perú de lo mal que nos hacen las mineras 19 Jul via Snaptu

Fomba fiady tena tsara nataon'ny conacami ny fampiasàna an'i Oblitas mba handresena lahatra an'i Peroa iray vohitra momba ny fatiantoka  mianjady amintsika noho ireo orinasa mpitrandraka ireo ny 19 Jolay tamin'ny alalan'ny Snaptu.

Tamin'i Ray Flores (@Rayf19) nilaza ny iray amin'ireo anaram-petak'i Juan Carlos Oblitas :  ‘El ciego’ (Ilay lehilahy jamba) :

En el entretiempo veo un comercial donde Oblitas habla sobre la minería, q mierra sabe ese won de minería, cómprenle unos anteojos #nololean 19 Jul via Snaptu

Nandritra ny fialan-tsasatra dia nahita dokambarotra iray momba ilay fitrandrahana aho iresahan'i Oblitas izay mba fantany amin'ny fitrandrahana, tsy misy inona mba fantany ny amin'izany, mba mividiana toerana ho azy.

Noho ny hatezerany , nandà mafy ny laza azon'i Oblitas teo tamin'ny baolina kitra i @pacobardales :

Oblitas, olvidé tu golazo a Argentina en las eliminatorias para México 86. Ahora eres un sicario más 19 Jul viaTweetDeck

Oblitas,  adinoko ilay baolina tsara be nampidirinao fony nifanandrina  tamin'i Arzantina tamin'ny dingana fifanintsanana ho amin'ny  Meksiko 1986. ,Ankehitriny ianao dia mpamono iray voakarama.  19 Jolay tamin'ny alalan'ny TweetDeck.

Misy hafa koa, tao an'i  Cesar (@zerojuls),  izay nanomboka nampifandray ilay valinà lalao ratsy tamin'ilay dokambarotra.

Gol uruguayo … por la san fruta!!!! #culpadeoblitas

Ny baolina matin'i Orogoaina…Henjana izany an!!! #culpadeoblitas [Oblita's fault] na ny hadisoan'i Oblita.

Hevitra mitovy amin'izay no nomen'i  Alberto (@mesones),  Francisco Ramos (@franciscoramos3),  Nila Vigil (@nilavigil),  Jorge Campos (@jorgelpotter) ary @jasbort58,  ankoatra ireo hafa.

Fankahalàna vahiny?

Fa ambonin'ireo fanehoan-kevitra misy amin'izao ireo, ny haino amanjery dia nanosotra [es]  ilay dokambarotra ho toy ny fankahalàna vahiny noho ny fanasongadinana ny fandrafiana an'i “Chile”  sy ny fampiasany tsy mendrika ny tarehi-marik'ireo habam-pitrandrahana any amin'ny firenena hafa.  Ny hafa kosa nandà io  tamin'ny filazana hoe :  “En Perú las mineras pagan menos que en Chile” – Ao Peroa kely ny vola aloan'ireo orinasa mpitrandraka miohatra amin'ny any “Chile”.  Na dia ireo mpanao politika sasany aza dia niresaka momba io [es] raharaha io.

Hita any anaty bilaogy ihany koa ny tsikera.  Galayza,  avy ao amin'ny bilaogy Marcamasi,  nandefa ny nambaran'ny mpitsikera iray [es] mikasika ilay orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ao Peroa izay mandoa onitra be noho ny any “Chile”,  Kanadà na Aostralia  :

Solamente decirle a Oblitas y a los lectores que en Canada las riquezas le pertenecen en Iexclusividad al estado. Ademas las empresas mineras que explotan los recursos naturales en Canada son Estatales o en el peor de los casos Hibridos (estatales-”privados”) asi es que la comparacion que hace Oblitas es para engañar a niños.

Te hiteny amin'i Oblitas sy amin'ny mpamaky fotsiny aho fa ao Kanadà ny vola dia an'ny Fanjakana irery ihany.  Fanampin'izany, ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany izay mitrandraka ny harena  voajanahary ao Kanadà dia an'ny Fanjakana ,  na,  ny ratsy indrindra , itambarana (Fanjakana – tsy miakina).  Noho izany,  ny fampitahan'i Oblita dia manao izay handiso fanantenana ny ankizy.

Tao  Manalogo,  Manoloprofe nanome ny eritreriny [es] momba ny fampiasana olo-malaza amin'ny dokambarotra.  Manamafy izy fa ohatra iray amin'ny dokambarotra moravidy ireny :

Lo del señor Oblitas es pasajero. Lo que no es pasajero ni puede serlo, es el intento de usar la publicidad, como la forma de comunicación en la que porque es pagada, se puede decir cualquier cosa. Hay algo que aquí se soslaya peligrosamente. Como producto, el comercial está bien hecho pero en general resulta bastante ramplón. Tanto que no lo siento como relevante. Es demasiado obvio en su pretendido mensaje. Publicitariamente creo que se auto anula, que no es efectivo.

Mandalo ihany ny zava-manjo an'Ing. Oblitas.  Ny zavatra tsy mandalo dia ny fampiasana ny dokambarotra ho toy ny làlana iray hifaneraserana ka satria fotsiny io nandoavam-bola dia tsy afaka ny hiteny na inona na inona ianao.  Misy zava-doza hita mivandravandra be amin'io dokambarotra io. Amin'ny maha vokatra azy,  dia vita tsara tokoa ilay izy,  fa raha amin'ny ankapobeny làlana tsotra loatra.  Tsotra loatra ka tsy hitako ny mampiavaka azy. Làlana hita mazava loatra ao anatin'ny hafatra tiany hatao. Raha amin'ny maha-dokambarotra dia milaza aho fa tsy tafavoaka izany,  tsy tafita.

Marco Zanelli,  avy ao amin'ny  Bilaogy Días Extraños dia nilaza mazava [es] ny hatezerany amin'ilay orinasa mpitrandraka :

¿Se volvieron locos los de las mineras que no quieren pagar el impuesto a la sobreganancia manoseando de tal manera las relaciones con otros países? […] la minera Antamina dejó de pagar 300 millones de dólares acogiéndose a unas exoneraciones tributarias -ya derogadas hace una década- del gobierno de Fujimori, mientras que la Southern Cooper tuvo una sobreganancia que sobrepasaba los 800 millones de dólares. Todo esto fue el año pasado, 2010, cuando la minería formal -inescrupulosa en muchos sentidos- hacía de las suyas sin una plena consulta a las comunidades aledañas

Very saina ve ireo olona ao amin'ny orinasa mpitrandraka no tsy te handoa ny haba izay vola vetivety e,  amin'ny fanaovana fampiraharahana amin'ireo firenena hafa toy izao ?  […] Ny Antamina Mine dia tsy nandoa 300 tapitrisa dollars tamin'ny nampiasàny ny fanafoanana haba avy amin'ny Governemanta Fujimori – Nanjavona efa ho ampolo taonany tany aloha tany ry zareo -raha nahazo vola nihoatra ny 80.000 tapitrisa dollars kosa ny Southern Copper.  Ireo zavatra rehetra ireo dia nitranga tamin'ny herintaona,  2010,  rehefa ireo mpitrandraka ara-dalàna, tsy manaraka ny fenitra ara-moraly amin'ny lafint maro, no nanao izay danin'ny kibony tsy nisy fakàna ny hevitry ny mpiara-monina akory.

Ernesto avy ao amin'ny  Física3 nanana fomba fijery hafa [es] amin'ny famokarana harena an-kibon'ny tany :

Y es que eso de apoyar a la minería basándonos tan solo en las cifras brutas del PBI no es lo recomendable, toca ver si eso es bueno para el país, y como ya lo había hecho antes en mis notas sobre valor agregado, el Perú debe de centrarse mas en producir los tramos de la cadena de valor que den mas riqueza, la minería es lo inmediato pero no lo que beneficia mas, así que suspirar porque abran mas minas (como si esta fuera la salvación del Perú) no es sino condenarnos a seguir siendo primario exportador.

Tsy fahendrena ny manohana ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany raha miainga fotsiny amin'ny endrika ratsin’ ny Harin-karena Faobe (PIB).  Mila jerentsika raha zavatra tsara ho an'ny firenena izany ary araka ny efa nosoratako tamin'ny lahatsoratro farany momba ny ” valeurs ajoutées “ [es], Peroa dia tokony hirona amin'ny famokarana misimisy kokoa amin'ny sehatra fanodinana ny vokatra mba hisy vidiny kokoa ka hiteraka harena.  Na dia ny fitrandrahana aza no tena asa mivantana, tsy io no iray tena ahitana tombontsoa.  Noho izany,  ny fiandrandràna ny famohana toeram-pitrandrahana hafa,  toy ny hoe izy ireny no mpanavotra [es] an'i Peroa, dia midika fa mamatotra antsika ho ny mpamatsy goavana hatrany.

Juan Carlos Lujan nanely [es] lahatsoratra tao amin'ny Sin Papel momba ny fanehoan-kevitry ny Sociedad de Mineria (orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany) tamin'ny tsikera tao amin'ny Aterineto :

Esta mañana los responsables de la cuenta en Facebook de la Sociedad Nacional de Minería intentaban resolver un gran problema de reputación a través de dos frentes; eliminación de comentarios en muro en Facebook y bloqueo de acceso a nuevos seguidores a través del botón Me Gusta. Ambas son acciones erradas que dejarán lecciones a futuro. No se puede afrontar una crisis de reputación con este tipo de acciones. Si son parte de una red social, como institución deben afrontar con honestidad y transparencia los comentarios negativos.

Io maraina io,  ny Mpitantàna ny kaonty Facebook- ny Sociedad Nacional de Mineria dia niezaka namaha olana iray goavana mahakasika ny voninahiny tamin'ny fampiasana fepetra roa : famafàna ny tsikera tao amin'ny rindrin'ny  Facebook ary fanakànana ny fidiran'ireo mpikambana vaovao tamin'ny alalan'ny bokotra “Tiko”.  Ireo dia fomba fanao ratsy hanome lesona antsika amin'ny ho avy. Tsy vita atrehana amin'ny fihetsika toy ireny ny olana momba ny voninahitra. Raha ao anaty tambajotra sosialy, amin'ny endrika fikambanana, dia am-pahamendrehana no tsy maintsy iatrehana ireo kiana.

Juan Carlos Oblitas nanambara [es]fa ” nino ny zavatra nataony izy”.  Niresaka momba ny tsy fahampian'ny fandeferana koa izy.  Fanampin'izany,  fantatra izao fa ilay mpanao dokambarotra malaza Gustavo Rodriguez (@gustavoescribe) no isan'ny iray nanao ilay dokambarotra mahabe resaka.  Tao amin'ny kaontiny  Twitter nanamafy izy hoe :

Comentaré SNMPE cuando salga toda la campaña. Por ahora, dos cosas: 6 hours ago via web

Hanao fanamarihana mikasika ny  SNMPE aho rehefa tafavoaka manontolo ilay dokambarotra fanentanana.  Màndraka androany, amafisiko ireto zavatra roa ireto :  6 ora lasa izay tamin'ny alalan'ny vohikala

I. 1/3 de lo q recauda el Estado son impuestos mineros. Mientras no desarrollemos otras actividades, no queda más que ser competitivo en eso 5 hours ago via web

I. 1/3 amin'ny volam-panjakana no mifamatotra amin'ny haba azo avy amin'ny fitrandrahana.  Raha tsy mamorona asa  hafa isika, dia tsy manana safidy hafa afa-tsy ny miezaka ho afa-mifaninana ao anatin'io. 5 ora lasa izay tamin'ny alalan'ny Vohikala.

II. Es injusto decir Oblitas vendido. De ser así, Sofía M. o Natalia M. serían unas vendidas, solo q a transnacionales de otro tipo. Gracias 5 hours ago via web

II.Tsy rariny ny hitenenana hoe nivarotra ny fanahiny i Oblitas.  Raha marina izany filazana izany, Sofia M na Natalia. M dia mba nivarotra ny fanahiny koa, fa  tamin'ireo karazan'orinasa hafa maso sampana ivelan'ny firenena. Misaotra 5 ora lasa izay tamin'ny alalan'ny Vohikala

Francisco Ganza manamarika [es] ao amin'ny bilaoginy Apuntes Peruanos momba ny lahatsary iray hafa dokambarotra fanentanan'ny SNMPE :

Cuando salió el video pro minería del entrenador Juan Carlos Oblitas se desató un furor en ciertos representantes de la llamada izquierda caviar reclamando por el anuncio. […] pero si es un caviar, como Nano Guerra (cuasi candidato por Fuerza Social, el extinto partido de Villarán) ahí si todos calladitos. […] Es un doble estandar bastante interesante.

Rehefa navoaka ny lahatsarin'i coach Juan Carlos Oblitas manome vahana ny fitrandrahana, dia nahatonga hatezerana be teo amin'ireo olona misolo tena [es] ny antsoina hoe ‘caviar left’  izay nitaraina momba ilay dokambarotra […],  nefa raha “caviar” toa an'i  Nano Guerra (izay saika Kandidàn'ny  Fuerza Social,  antoko fahiny nisy an'i Villaran [Ben'ny tanàn'i Lima ] ), tokony nakombon'izy ireo ny vavany […] Lenta roa tena mahaliana izany.

Na dia toa sarotra aza ny hisoroka ny fijery ratsy voalohany ny fikambanana iray izay ailiky ny mponina, dia mbola mila miandry ny  fivoahan'ireo lahatsary rehetra amin'ilay dokambarotra vao afaka ny hanome hevitra farany ireo Peroviana. Toa an'i Javier Bellina [es] manamafy [es] ao amin'ny bilaoginy Memorias de Orfeo mitanisa ilay orinasa mpitrandraka :

Señores: Hablen con la verdad, paguen sus impuestos, sean buenos muchachos, y en vez de navegar en tres yates, háganlo en solo dos, que lo pequeño es hermoso. Tengan ganancias sensatas en vez de jugar a la avaricia, paguen bien, cuiden el medio ambiente, demuestren que son mejores, y su situación será mucho más sostenible. O búsquense una dictadura africana que coimear.

Ramose isany:  Lazao ny marina,  aloavy ny habanareo,  mba zaza hendry,  raha tokony handehandeha amin'ny sambo telo,  mandehandehana amin'ny sambo roa, satria tsara ny manana kelikely.  Mahazoa vola mendrika toy izay hanao tendan-kanina,  mandoava vola tsara,  arovy tsara ny tontolo iainana, porofoy avy amin'ny ataonao ihany fa mahavita tsara noho io ianao dia ho hitanao fa hahay hiatrika ny fiainanao ianao.  Raha tsy izany, mitadiava mpitondra Afrikana mpanao jadona holambolamboina.
Ity lahatsoratra ity dia navoakan'ny Juan Arellano tao amin'ny bilaoginy Globalizado [es].  Ny sary ato dia sary nalaina tamin'ny dokambarotra anaty TV tao amin'ny  Youtube.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.