Kolombia: Nanaiky ny fialan'i ‘Bolillo’ Gómez tsy ho Mpanazatra ny Federasiona

Andro vitsy monja mialoha ny fanombohan'ny lalao savaranonandro fifanintsanana hiadiana ny amboaran'ny FIFA izay hotontosaina any Brezila amin'ny 2014, no naneken'ny komity mpanatanteraka ao amin'ny Federasionan'ny Baolina Fandaka Kolombiana (FCF) ,notaterina ny alin'ny alahady 21 aogositra, ny fametrahan'i Hernán Darío Gómez fialana amin'ny maha-mpanazatra ny ekipam-pirenena azy, sady tsy azo ivalozana intsony izany fanapahan-kevitra izany.

Tontosa moa ity fanekena hiala ity ora vitsy taorian'ny nitakian'ny filoha Juan Manuel Santos ny fialan'i Bolillo noho ny toe-javatra vao nitranga vao tsy ela izay sy ny nanolorany hevitra mba hompanazatra vahiny no hisolo ny toerany. Niteraka ny fialan'ny [es] mpiara-miasa akaiky amin'ny Bolillo koa moa io toe-javatra io: ny mpanampy azy (Leonel Álvarez), ny mpikarakara ny vatana (Elkin Sánchez) ary ny Tale (Francisco Maturana)

Foto de Lully
Saripika Lully

Vokatr'izany moa dia niroso ny fifampiraharahana tamin'ilay teratany Arzantina Gerardo ‘Tata’ Martino hameno ny toerana banga, izay niteraka izao karazana fitsapan-kevitra [es] rehetra izao ny amin'izay tokony ho mpanazatra vaovao. Mandritra izany fotoana izany dia mitohy ny adihevitra an-tserasera.

Carlos V. Morales (@CarlosVictorM) avy any Ekoatera dia mitompo teny fantatra amin'izay ho mpanazatra vaovao:

Ya hay acuerdo entre Federación Colombiana y Martino. Presidente Bedoya prepara viaje a Rosario para cerrar negociación. Tata será el DT de Colombia.

Efa misy ny fifanarahana eo amin'ny Federasiona Kolombiana sy i Martino. Ea miomana ny handeha ho any Rosario ny filoha Bedoya mba hamita ny fifanarahana. Tata no ho mpanazatra an'i Kolombia.

Mpanao gazety Gabriel de las Casas (@gabodelascasas), manolotra safidy amin'izay handray ny toerana ary manontany:

Hoy NO se conocerá técnico de la selección. Opcionados, Comesaña, Gareca, El Tata Martino. ¿Cuál le gusta a usted?

Anio TSY misy mahalala ny ho mpanazatra ny ekipam-pirenena. Maro no azo isafidianana: Comesaña, Gareca, Tata Martino. Iza no tianao?

Chinita Berrío (@chinitaberrio) miarahaba ny fialan'ny mpanazatra sy ny mpanolotsainany:

Bolillo y Maturana fuera…. Gracias

Bolillo sy Maturana voaroaka…. Misaotra

Andrés Echeverría (@AndreloE) no anisan'ireo vitsy nanohana azy rehefa nanaiky ny hiala i Bolillo:

Me hace reír, un equipo mediocre como el de #Colombia necesita un buen técnico y no un mediocre como el Tata Martino, prefiero al Bolillo.

Mampihomehy ahy izany ekipa eo ho eo ihany tahaka an'i #Colombia no mitady mpanazatra tsara fa tsy mpanazatra eo ho eo ihany tahaka an'i Tata Martino, aleoko aza i Bolillo.

Mitsikera ny tsy fahampian'ny fahombiazan'ny Federasiona Kolombiana Fandaka-Baolina ny mpanao gazety Felix de Bedout (@fdbedout):

La ineptitud de la federación llevo a tiempo extra lo inevitable, a esta hora ya tendríamos técnico y al bolillo arreglando sus asuntos.

Ny tsy fahombiazan'ny Federasiona no nahatongavana tany amin'ny fotoana fanampiny, tokony ho efa miandraikitra ny raharahany manokana amin'izao fotoana izao i “Bolillo” ary tokony efa manana mpanazatra i Kolombia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.