Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Janoary, 2017
“Ny Kolontsaiko No Mari-panondroana Ahy”, Hoy Ilay Timorey Rui de Carvalho Mpanao Fitafiana Lamaody
Ny kolontsaiko no mari-panondroana ahy. Toy izany ny fanombohan'ny hatsarana Timorey eo amin'ny tontolon'ny lamaody ao Timor-Leste!
Taovolon'ny Printsy Vavy Leia Tsy Avy Any Amin'ny Vahindanitra Lavitra, Lavitra Any
Herinandro maro taorian'ny nahafatesan'ilay mpilalao sarimihetsika nankafizin'ny maro, Carrie Fisher, nohalalinin'ny aterineto ny fiaviana Meksikàna ananan'ilay taovolo malazan'ny Printsy vavy Leia.
Ilay Kroaty Mpanatontosa Sarimihetsika Tsy Amerikana Voalohany Nahazo ny Oscar Tamin'ny Fanaovana Sarimiaina
Amin'izao ankatoky ny fanolorana Oscar izao, fantaro ilay mpanatontosa avy any Kroasia nahazo ny Oscar tamin'ny taona 1961 amin'ny Sarimiaina Fohy Tsara Indrindra.
Tavoahangy Plastika Nariana Nasiana Zavamaniry Mamelana Natao Sakana Ao Amin'ny Garan-dalamby Indiana
"Nanaitra ahy ny fiantraikany lehibe indrindra tamin'ity fandraisana andraikitra tsotra kely ity....."
Miasa Toy ny Uber ny Fampiasa Rosiana Vaovao, Fa Natao Ho Amin'ny Fandevenana Ihany Izany
Manana ny ilaina rehetra sy ny fahavitrihana ara-teknika toy ny tambajotra-pitaterana Uber izy, kanefa kosa manampy anao amin'ny fandaminana ny fandevenana, fa tsy amin'ny fitaingenam-piara.
Fahatsiarovana Ny Tsingerintaona Nahaterahan'i David Bowie Sy Ny ‘Diany Manatantara’ Tao Varsovia
Nomarihan'ny ny gazetiboky an-tserasera iray natokana hanandratana ny kolontsaina Poloney Culture.pl tamin'ny alàlan'ny fampahatsiahivana ny fitsidihany an'i Varsovia ny tsingerintaona nahaterahan'i David Bowie.
Inona No Anarana Fanome Ny Ankizy Any Meksika ?
Fantatrao ve fa misy Meksikana antsoina hoe " Christmas Day" na " Yahoo" ary -- mba hanaratsiana ny toe-javatra-- dia zimbazimbaina amin'ny aterineto ny fiainan'izy ireo manokana ?
Asongadin'ny Fanafihana ny ONG Iray Miady Ho An'ny Zon'ny Mpiasan'ny Orinasa Makedoniana Mpanao Lamba Ny Loza Mananontanona ny Fiarahamonina Sivily
Ny fanafihana ny tranon'ny ONG iray izay manohana ny zon'ireo piasa amin'ny orinasan-damba, dia nampihena ny ezaka hanatsarana ny fepetra mahatsiravin'ny asa any amin'ireo orinasan-damba any Makedonia.
Tao Anatin'ny Fotoana Voafetra, Nahazo Fahafahana Miditra Malalaka Tamin'ny Tranomboky Nomerika Ahitana Boky 100 000 Ny Kroaty
Tsy any Kroasia? Ny fampiasa Croatia Reads koa dia manolotra boky maimaim-poana ho an'ireo olona any ivelan'ny firenena Kroaty.
Fanambaràna Momba Ny Haren'ireo Serba Mpanao Politika
Nahatonga adihevitra namaivay tamin'ny aterineto sy ny haino aman-jery mahazatra ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny KRIK, tambajotran'ireo mpanao gazety mpanao fanadihadiana .