Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Aogositra, 2015
Siansa-Famisavisana Shinoa Nandrombaka ny Loka Hugo Tantara Foronona Tsara Indrindra
"Eny fa na dia amin'ny siansa-famisavisana mampiahiahy an'i Liu Cixin aza, raha apetraka eo ankilany ny taletany ara-haisoratra, dia mbola misongona lavitra dia lavitra ireo Shinoa mpanoratra siansa-famisavisana indray mihira aminy ny fahaizany maka an-tsary an-tsaina."
Ny Fitsingerenana'ny Andro Nahaterahako

Tsahivin'ilay syriana mpikatroka mafana fo, Marcell Shehwaro, tamin'ny alàlan'ny zavatra maro niseho tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany taloha sy ankehitriny ny dona sy ny fahorian'ny fiainana any Syria tamin'ny andron'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany.
Ankizivavy vs. Andriambavilanitra: Voaisa Ny Andron'ny Jadona Mavokely
Mamporisika ireo ankizivavy tsy hamela ireo fitafy misarika filàna, ireo kiraro avo vodi-tongotra, sy ireo ankosotra ary ny oroky ny andriandahy hangalatra ny zony ary hanapa-kevitra ny amin'izay tiany haha-izy azy, ny lalao virtoaly iray vita ao Bolivia.
Azo Heverina Ve Izany Hoe Bangladesh Sakaizan'ny Ankizy Kokoa?
Tetibola manokana hoan'ny ankizy ao anatin'ny tetibola 2015-16 mba hiarovana tsara kokoa ny zon'ny ankizy sy ny mahasoa azy ireo ao Bangladesh
Sary Mampiseho Ny Fahasamihafana Ara-kolontsaina Eo Amin'i Hong Kong sy Shina
Vao haingana izay ny vondron'artista miorina ao amin'ny Facebook antsoina hoe Local Studio Hong Kong no namoaka andiam-pandravahana mitondra ny lohateny hoe "Hong Kong tsy i Shina", manamarika ny fahasamihafana eo amin'ny fiarahamonin'i Hong Kong amin'i Shina Tanibe eo amin'ny lafiny politika, sosialy, fiteny ary kolontsaina.
Fomba Fitety An'i Japana Amin'ny Fandehanana Fiarandalamby Nefa Tsy Mivoaka Ny Trano
Misy lahatsary an'arivony ao amin'ny Youtube ahafahanao mitrandraka, saiky efa ho ny faritra rehetra ao Japana, amin'ny alàlan'ny fiarandalamby, tsy miala eo amin'ny solosaina.
6 Taona Taorian'ny Namonjana Azy, Milaza Ilay Rain'ny Bilaogy Iraniana Fa Niova Ho Ratsy Ny Aterineto Ankehitriny
Voafonja nandritra ny enin-taona i Derakhshan, mpanoratra taloha tao amin'ny Global Voices, noho ny fitorahany bilaogy. Mitsikera ny toetry ny aterineto ankehitriny ny lahatsorany voalohany amin'ny teny anglisy, hatramin'ny nivoahany ny fonja.