Fahatsiarovana Ny Tsingerintaona  Nahaterahan'i David Bowie Sy Ny ‘Diany Manatantara’ Tao Varsovia

Screenshot from a video of Bowie's performance of the song "Warszawa" in Japan (see video bellow).

Pikantsary avy amin'ny lahatsary fampisehoana nataon'i Bowie nihira ny  “Warszawa” tao Japana (jereo ny lahatsary eto ambany ).

Nanamarika ny 8 Janoary, tsingerintaona nahaterahan'i David Bowie, tamin'ny alàlan'ny fanadihadiana fampahatsiahivana fohy an-tserasera ary nampifandray azy tamin'i Varsovia renivohitra Poloney ny gazetiboky an-tserasera iray natokana hanandratana ny kolontsaina Poloney Culture.pl .

Nivoaka tamin'ny Jolay 2016 ny fanadihadiana, ary miresaka ny fitsidihana tsy nampoizina nataon'i Bowie  tao Żoliborz , tanàna itatr'i Varsovia, nandritra ny fijanonan'ny fiaran-dalamby  vetivety tamin'ny taona 1973 na taona 1976.

Mihoatra noho ireo Tandrefana hafa mpiangaly mozika malaza, nandany fotoana tany Eoropa Atsinanana i Bowie , ary nandalo indroa tao Varsovia tamin'ny alalan'ny fiaran-dalamby, rehefa an-dalana ho any na hiverina any Moskoa izy. Nandritra ny fandalovana iray, voalaza fa nandeha an-tongotra manodidina ny garan-dalamby i Bowie, ary nividy rakikira Poloney tamin'ny fivarotam-boky teo akaiky teo.  Namelona ny fitsidihana an-tongotra ny fanadihadiana enina minitra ary nanao vinavina fa izany no nitarika ny famokarana ny hira “Warszawa”  tao amin'ny rakikirany mitondra ny lohateny hoe Low, izay nivoaka volana maromaro tatỳ aoriana.

Maneho ny fanatontosan'i Bowie ny “Warszawa” nandritra ny fanokafana ny fampisehoana nataony tao Tokyo, Japana, tamin'ny 12 Desambra 1978 ity lahatsary manaraka ity.

Nosoratana niaraka tamin'i Brian Eno ny hira, ary mampiseho ny fanintonan'ny hiram-bahoaka Poloney ao aminy. Milaza ny fanadihadiana fa  mety ho avy amin'ny fitambaran'ny rakikiram-bahoaka Śląsk ny ilay herim-panintonana.

Manolotra ny hira “Helokanie” izay noforonin'i Stanisław Hadyna , ary nalaina tamin'ny hira nokaloin'ireo mpiandry ombivavy ity LP ity.

Tamin'ny volana Martsa 2016, nisy ny sary an-drindrina natao ho fahatsiarovana ny nahafatesan'i Bowie vao haingana sy an'i Ziggy Stardust izay olona nolalaoviny an-tsehatra nolokoina tao amin'ny distrikan'i Zoliborz.

Tianay i #Bowie, ka faly izahay sy mirehareha manana rindrina lehibe natokana ho an'i #ZiggyStardust ao #Varsovia!

Tamin'ny taona 2016, nitatitra ireo fanehoan-kevitra manerantany nanoloana ny fahafatesan'i Bowie ny Global Voices anisan'izany ny fitomaniana avy any Karaiba , ary ny fampisehoana ny hosodoko an-drindrina goavana iray natokana ho azy [mg] tao Sarajevo , Bosnia sy Herzegovina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.