Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Jolay, 2010
Global: Teny Grika mankany amin'ny teny Anglisy, teny Sinoa mankany amin'ny teny Rosiana, ary teny Espaniola mankany amin'ny teny Masedoniana
Samy efa nandre ireo zava-mahatsikaiky mitranga isika rehefa lasa mampihomehy ny fandikana ireo fomba fitenin'ny teny iray avadika amin'ny teny hafa. Ny fandikana ireo teny sarotra ireo dia anisan'ireo fifaninanana lehibe indrindra ao anatin'ny fandikan-teny, na ho an'ny olombelona izany na ho an'ireo solosaina.Ny Wikidioms dia loharano amin'ny aterineto vaovao manampy ireo mpandika teny handresy izany olana izany. Niresaka tamin'ny mpamorona ity vohikala ity, Pavel Kats, sy tamin'ny iray amin'ireo mpanampy azy, Yasna Trandafilovska.
Jordania: Naningotra ny fotoana nampanonofy antsika ve ny teknolojia?
Mitàna andraikitra lehibe eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny solosaina sy ny teknolojia. Mahatsiarotsiaro ny raomantisma eo am-pandraisana taratasy amin'ny alalan'ny mailaka ny mpitoraka blaogy iray avy any Jordana ary hoy izy ao anaty blaoginy: "Mankahala ny elektraonika aho."
Alzeria: Lasa lamaody ve ny fihatsarambelatsihy?
Mandinika ny fihatsarambelatsihy ilay mpitoraka blaogy Alzeriana Salim (Ar) ary manontany hoe: Lasa lamaody ve ny fihatsarambelatsihy? Ndeha hojerena hoe inona no nitondra azy tamin'izany famaranana izany ato amin'ity lahatsoratra ity.
Indonezia: Rehefa ny vehivavy no mifehy ny fampiasam-bolany
Resaka nandeha avy hatrany mikasika ny fitantanana orinasa sahanin'ny vehivavy, ny fahazotoana sy ny fampiasam-bola miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny serasera anaty aterineto Resadresaka Hanatsarana ny Tany, mizara ohatra avy any Indonezia i Carolina.
Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo
Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity na dia naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io aza ny Fiangonana Katôlika. Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.
Tontolo Arabo: Eritreritra momba ny lalao famaranana ny Fiadiana Tompon-daka Eran-tany
Marina ny tenin'ilay horita mpaminany Paul ary naharesy ny Espana tamin'ny lalao famaranana ny Fiadiana ny Tompon-daka eran-tany, izay nifarana tany Afrika Atsimo minitra vitsy lasa izay. Tany amin'ny tontolo Arabo dia nizara hevitra vitsivitsy momba ilay lalao famaranana sy ny fifaninanana manontolo ireo mpampiasa Twitter
Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe
Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa...