Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Avrily, 2018
Ny Harenan'ny Iraniana Sy Ny Hevitr'I Ganji
Vao tsy ela akory no nitatitra ny Chicago Tribune fa nandà vavolombelona lehibe iray avy amin'ny Oniversiten'i Chicago ny mpitsara federaly Amerikana tamin'ny Fampiakarana fitsarana nataon'ireo olona sisa velona tamin'ilay fandarohana baomba nataon'ny Amerikana ny taona 1997 tany Jerosalema nikatsahana ny famarotana ireo zava-tsarobidy Iraniana (takelaka tranainy) tao amin'ny tahirin'ny Oniversite mba ho fanonerana amin'ny maha firenena mpiray tsikombakomba an'i Iran amin'ny asa fampihorohoroana.
Inona no itovian'ny Bitcoin, ny firohotana tamin'ny voninkazo Tulipe ary ny tsenambola nizeriana
"Though tulips had no practical use and lacked fragrance and medicinal value, at the height of tulip mania investors sold their homes to purchase a single bulb. Sound familiar?" ""Na dia tsy nanana fampiasana azo tsapain-tanana aza ny tulipe ary tsy nahafa-po ny fofona sy ny lanjany ara-pahasalamana, teo amin'ny haavon'ny tulip craze, dia namidin'ireo mpampiasa vola ny trano fonenany mba hividianana jiro iray."
Afovoany Atsinanana: Sombiny Amin'ny Eid
Ho an'ireo Miozolomana an-tapitrisany manerantany, fotoana ho amin'ny fankalazana, fiarahan'ny fianakaviana sy fandinihana momba izany ny Eid Al Adha. Ity sombiny amin'ireo fanehoan-kevitry ny bilaogera ao Tonizia, Koety, Ejypta, ary Tiorkia.
#GirlsOnBikes: Mitaingina Bisikileta Ny Vehivavy Hitakiana Ny Toerana Ho An'ny Daholobe Any Pakistana
"Mifanentana izahay mba handray anjara amin'ity hetsika iombonana ity ary mba hanamafisana ny zonay hivezivezy amin'ny sehatra ho an'ny daholobe araka izay tianay."
Koety: Tsy Tonga Soa ny Vahiny Haingan-Doatra
Misy lalàm-pifamoivoizana vaovao manipy ireo vahiny manitsakitsaka ny lalàna ivelan'ny firenena, ary nampisahotaka an'i Koety. Raha nisy bilaogera iray nanontany hoe inona ny olona raha efa misy firenena hafa mampihatra lalàna mitovy amin'izany, ny hafa kosa nampandresy lahatra fa henjana loatra ilay fampanginana vaovao.
Global Voices Any amin'ny Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media
Ity no Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media faharoa karakarain'ny Media Center an'ny Ivontoeran'ny Fanaovangazety Amerikana, izay hatao any Lôndôna. "Fitokisana" no lohahevitra hodinihina amin'izany, koa tongava ary ampio izahay hitady ny valin'ireo fanontaniana maro, na hamerina handrafitra ny adihevitra amin'ny fametrahana fanontaniana vaovao!
Davos: Topimaso sy Fandraisana Anjara Amin'ny Alàlan'ny Lahatsary
Hatao ny 23 Janoary ka hatramin’ny 27 Janoary ny fihaonambe fanaon'ny World Economic Forum (Zaikabe momba ny Toekarena Eran-tany) hivorian'ny mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra [...] afaka mandray anjara amin'ity zaikabe ity ny olon-tsotra amin'ny fandrosoana ny heviny mba hahatonga ny tontolo ho toerana tsara kokoa.
Nahatratra Ny Toerana Ambany Tao Holandy
Fa, hoy ilay namanay: ampy izay. Rarao ny burka, satria tsy ho fantatro velively izay olona ao anatiny....Lasa Holandey tamin'ny fomba hafa maro koa aho.
Fihaonana Tamin'Ireo Manampahaizana Karibeana: Derek Walcott, Wilson Harris, Aubrey Williams
"Fiderana sy fankafizana fatratra ho atao mandrakizay doria" Karibeana mpanoratra momba ny telo tamin'ny mpara-belona taminy.