Miasa Toy ny Uber ny Fampiasa Rosiana Vaovao, Fa Natao Ho Amin'ny Fandevenana Ihany Izany

Image: Pixabay

Sary: Pixabay

Manana ny ilaina rehetra sy ny fahavitrihana ara-teknika toy ny tambajotra-pitaterana Uber izy, kanefa kosa manampy anao amin'ny fandaminana ny fandevenana, fa tsy amin'ny fitaingenam-piara. Namolavola ny fampiasa antsoina hoe “Umer” ( “Maty” amin'ny teny Rosiana) ny mpitantana tetikasa iray miasa ao amin'ny Aterineto Rosiana goavam-be Yandex , tolotra iray naorina hanampiana ny olona hiala amin'ny olana ara-pitaovana rehefa hametraka ny fianakaviana any amin'ny toeram-pialan-tsasatra mandrakizay.

Manombana ny vola lany amin'ny fandevenana sy manangona ny antontan-taratsasy rehetra takiana amin’ ny  fanambaràna fahafatesana ary manao ny fandaminam-pandevenana ny Umer. Hanome safidy tranom-paty isan-karazany ny fampiasa araka an'i Dmitriy Geranin, ilay lehilahy ao ambadiky ny fampiasa , anisan'izany ny fandevenana mahazatra sy ny fandoroana faty .

Dmitry Geranin. Sary: Facebook

“Toa tahaka ny mandeha ho azy ny zava-drehetra ho antsika, afa-tsy ny fahafatesana. Tiako ny handamina izany”, hoy i Geranin nanoratra tao amin'ny Facebook.

Mbola tsy miasa aloha amin'izao fotoana ny Umer, kanefa manantena ny hanomboka ny fampiasany ao anatin'ny  telo volana manaraka i Geranin, aorian'ny fifampiraharahana farany amin'ireo trano isan-karazany mpikarakara fandevenana.

Avy amin'ny filalaovana ny teny “Uber”  ny anaran'ny tolotra , novaina fotsiny ny litera iray mba hanomezana ny teny Rosiana hoe “Maty.”

Raha mbola ao anatin'ny fivelarany, niteraka fahalianana maro tao amin'ny aterineto sahady ny Umer, na dia mino tanteraka aza i Sergei Mokhov, lehiben'ny toniandahatsoratry ny gazety ara-tsiansa “Ny Arkeolojian'ny Fahafatesana Rosiana,”  fa tsy hahomby ny tetikasa .

“Samy manana ny sarany manokana ny fandevenana tsirairay,” hoy izy tamin'ny tranonkala TJournal. “Diso tahaka ny manontany hoe ‘Ohatrinona ny fiara?’  ny manontany hoe ‘Ohatrinona ny fandevenana?” hoy izy nanampy. Nilaza ihany koa i Mokhov  fa tsy voafaritry ny lalàna ny tsenam-pandevenana ao Rosia  ka mahatonga ny sarambidy fanampiny isan-karazany  ho sarom-pantarina mialoha.

“Tsy maintsy mandoa ianao hivoahan'ilay razana ara-potoana sy amin'ny  endriny tokony ho izy,” hoy i Mokhov. ” Kanefa  maka vola 30.000 robla [ 500 dolara] ny tranom-paty iray, raha maka vola 10.000 [165 dolara] kosa ny tranom-paty iray hafa. Ary mihevaheva hatrany ny sara. “

Na dia mbola aloha loatra aza ny hamantarana ny fomba hivoahan'ny Umer amin'ny tsenan'ny fampiasa, dia marina ny filazan'i Mokhov mikasika ny fikorontanan'ny fandevenana ao Rosia. Tamin'ny Taombaovao teo, nandevina ny sisa tamin'ireo olona maty mihoatra ny 100 izay novonoin'ny tafika Rosiana roapolo taona lasa izay ireo manampahefana ao  Chechnya . Tsy fantatra ireo niharam-boina ary natsipy tanaty fasana faobe ny sisa tavela tamin'izy ireo .

A video posted by ДУМ ЧР (@dumchr) on

Nitarika fivavahana tao amin'ny fandevenana natao mangingina ny mpitondra Chechen Ramzan Kadyrov, tafaporitsaka tao amin'ny WhatsApp tao an-toerana ny vaovao. Ora vitsy taty aoriana, na izany aza, nitsiky tao amin'ny fahitalavitra niarahaba Taombaovao tamin'ny repoblika i Kadyrov.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.