Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2014

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Novambra, 2014

17 Novambra 2014

Niafara Tamin'ny Herisetra Sy Fisamborana Ny Hetsika Fifanorohana Tany India

Ny hetsika "Oroky ny Fitiavana" dia nijoro manohitra ny fifehezana ara-môraly ataon'ireo vondrona avy amin'ny elatra havanana, izay mihevitra fa fihetsika tsy maoty ny fifamihinana sy ny fifanorohana eny imasom-bahoaka.

16 Novambra 2014

Sambany Nankalaza Ny Diabem-pireharehana ny Hijras, Mpanova Taovam-pananahana ao Bangladesh

Nahazo fankatoavana avy amin'ny governemanta ho olona manana taovam-panahanana miavaka ny fiarahamonina Hijra Bangladesh tamin'ny taon-dasa, nankalaza ny tsingerintaona voalohan'izany izy ireo tamin'ny alalan'ny diabem-pireharehana maroloko araka ny hita amin'ireto sombin-tsary ireto.

15 Novambra 2014

Nasionalista Balkana: Mamerina Indray Ny Tombokavatsa Ho Fanandratana Ireo Politisiana Mitondra

Raha maro no mihevitra fa efa navalon'ny lasa ny tombokavatsa fanandratana olona tany Yogoslavia fahiny, dia safidy mafàna any Balkana hatrany ny fanaovana tombokavatsa ny sarin'ireo olo-malazan'ny politika.

Mamadika Ny Diky Ho Fidiram-bola

Nikarakara karajia tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #WasteOpportunities ny Clean Team Ghana mba hiresahana momba ny fomba fampiasana indray ny diky ho fidiram-bola.

11 Novambra 2014

Fitaovana Nomerika, Fampandraisana Anjara ireo Tanora Ao Tanzania sy Meksika Amin'ny Demaokrasia

Filan-kevitry ny Tanoran'ny Mwanza (Tanzania), #Yosoy132 (Meksika), ohatra roa amin'ny fampidirana ny tanora amin'ny fizotry ny demaokrasia izay noresahana nandritra ny Forum manerantany 2014 momba ny demaokrasia tao Strasbourg.

06 Novambra 2014

Mponin'i Tbilisi, Zeorzia : Mivoaka Mitaky Ny Sisin-dàlana Amin'ireo Mpamily Tia Tena

Efa zavatra malaza ao Tbilisi, renivohitr'i Zeorzia, ny fametrapetrahana fahatany ny fiara etsy sy eroa. Hetsik'olon-tsotra ety anaty aterineto no mikatsaka hanao zavatra momba io olana io.