Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2014

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Desambra, 2014

31 Desambra 2014

Makedoniana ‘Mamihina’ Toeram-Piantsenana Ao Skopje Hiarovana Azy Amin'ny Fironana ho Amin'ny “Baroque”

Tetikasa mahabe resaka sy mandany volabe ny Skopje 2014 izay mikendry ny hanomezana endrika indray ireo tranobe ao an-tanàna mba hanana endrika "neoclassique" na "baroque".

28 Desambra 2014

Hetsi-Panoherana Faobe Tsy Fahita Firy Tao Pakistan Hanoherana ny Radikalisma

Taorian'ilay fanafihana mampihoronkoditra nahafatesan'ny mpianatra mihoatra ny 130 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, dia nisy mpitondra fivavahana iray manahirana ny mieritreritra azy tsy nety nanameloka ny famonoana ka niteraka hetsi-panoherana izany.

15 Desambra 2014

Lahatsary 3 Mampiseho Ny Sotasota An-dalambe Mahazo Ireo Vehivavy Ao Amerika Latina

Zavamisy tsy maintsy atrehin'ny vehivavy ao Amerika Latina ny fanorisorenana eny an-dalambe.

12 Desambra 2014

Tranomboky Kely Mahefa Be ao Grenada

Miteraka zavatra tsara eo amin'ny fiainan'ny tanora ao Grenada sy ny fahaizana mamaky teny ny fijoroan'ny tranomboky Mt. Zion ao afovoan'i St. George's.

11 Desambra 2014

Ho Ela Velona Anie Ny Miss France Agricole 2015 !

Nahita fahombiazana goavana no sady naresaka be teny anatin'ny tontolon'ny tranonkala amin'ny teny frantsay ny 'Miss France Agricole', fifaninanana hatsaràna, nahafinaritra, nokarakaraina tao amin'ny Facebook, hiadiana amin'ny ankosotra sy ny tentina ataon'ny Miss France ary hanomezan-kaja ireo vehivavy tantsaha.

04 Desambra 2014

Manome Voninahitra An'i Phillip Hughes Amin'ny Alalan'ny Diezy Twitter #PutOutYourBats Ireo Mpankafy Criket

Nanome voninahitra an'i Philip Hughes, mpilalao cricket izay namoy ny ainy tamin'ny Alakamisy ny mpisera Twitter sy ny mpilalao cricket. Nandefa sarina fively cricket sy satroka napetraka eo ivelan'ny varavaran'izy ireo ireo mpankafy.

02 Desambra 2014

Movember Ataon'ireo ‘Mo Bros’ Amin'izao Fotoana Ao India

Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia manao ny Movember amin'ny fomba miavaka i India . Ny fanaovan-tsoa sy ny mahafinaritra, nanova ny endriky ny olana ara-pahasalaman'ny lehilahy, sady ara-bakiteny no sarinteny ihany koa.