Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Novambra, 2017
Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto
Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana
Taratasin'i Ayatollah Khomeini: Fitaovam-piadiana Nokleary sy Fiafaran'ny Ady
Araka ny tatitry ny haino aman-jery isan-karazany, nampahafantatra ampahibemaso an'i Tehran mikasika ny taratasy efa tamin'ny taona 1988 ny filoha teo aloha Hashemi Rafsanjani, izay nanononana ny komandy ambony ao Iran ho nilaza fa mila baomba nokleary i Iran mba handresy ny ady amin'i Iraka.
Bitsibitsika Afghana: Lesona Hampianarina & Hianarana
Mahaliana fa mahita ireo firenena vahiny tahaka an'i Iran sy Iraka ireo bilaogera Afgana ary miezaka mianatra sy mampianatra lesona momba ny fandriampahalemana sy ny hafaliana.
Ny Ao Anatin'ny Tontolon'ny Blaogy Japoney
Raha toa ny fomba fanaovan'i Fujita blaogy ka somary mitokozihitra kokoa, Cyber Agent, toa an'i Livedoor, kosa dia orinasa Japoney hafa izay mamboly ny fandraisana andraikitry ny isam-batanolona sy ny faharanitan-tsaina ho amin'ny fandraharahan'ireo mpiasany, sy toa malaza eny anivon'ireo tovovavy Japoney mitodika amin'ny asa ao Japàna.
Tafatafa Niarahana Tamin'ny Bilaogy “Afghan Warrior”
Nanomboka fanadihadiana maromaro niaraka tamin'ireo bilaogera Afgana ny Global Voices. Ny vahiny voalohany dia i Waheed avy amin'ny Afghan Warrior
Bitsibitsiky ny Afghana: Fianjerana Fiaramanidina & Fitroarana
Araka ny filazan'ny haino aman-jery herinandro lasa teo izay, niparitaka manerana ny renivohitra ny fihetsiketsehana mahery setra manohitra ny vahiny tamin'ny Alatsinainy rehefa nandòna fiara maromaro ny kamiao miaramila Amerikana. Andeha hojerentsika izay lazain'ny bilaogera momba ity zava-nitranga ity.
Ny Bitsibitsika Afgana : Hankalaza Sa Tsia!
Miresaka momba ny tsingerintaona nirodanan'i Kabul teo am-pelatànan'i Mujahedin ireo bilaogera Afgana . Tsy mitovy hevitra izy ireo na hankalaza izany na tsia. Nahoana no tokony hankalaza io andro io ny vahoaka Afgana? Moa ve nahazo fahafahana, rariny ve izy ireo na ....
Jordania: Ny Bilaogin-dahatsarin'ny Mpanjakavavy Rania
Nosaloran'ny Blogger Times, gazetibokin'ny bilaogy tantanan'ireo bilaogera Arabo, ny anarana hoe "bilaogeran-dahatsary Arabo malaza indrindra " tao amin'ny YouTube ny mpanjakavavy Rania any Jordania taorian'ny fahombiazan'ireo andian-dahatsary tao amin'ny YouTube izay nalefany mba hiadiana amin'ny karazana fiheveran-diso mikasika ny Arabo.
Barlow Sy Ny Fomba Vaovao Hanamboarana Tetezana
Raha mba John mantsy ny fanampin'anarako...