Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Janoary, 2018
Iran: Kabarin'i Ahmadinejad Tao Amin'ny Oniversiten'i Columbia
Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media manerana izao tontolo izao ny kabarin'ny filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadineajd tao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York sy ny teny mafy ary ny tsikera nataon'ny filohan'ny onivesite Lee C. Bollinger nandritra ny fanamarihany tamin'ny Alatsinainy 24 Septambra.
Kambodza : Teknolojia Fampahafantarana Ny Tsirairay aka Atrikasa Fidirana Tranokala
Miha maro ireo Kambodziana voasariky ny fanoratana bilaogy tamin'ny alalan'ireo atrikasa nokarakaraina teny amin'ny Oniversiten'i Phnom Penh, renivohitr'i Kambodza
Lahatsary: Lasa Ambasadaoron'Olom-pirenena Ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanan'ny Firenena Mikambana
Manolotra anareo ny horonantsary miisa 5 nandresy tamin'ny fifaninanan'ny Firenena Mikambana izahay izay nahitana ireo mpandray anjara nandefa tao anaty lahatsary ny hafatra tiany holazaina tamin'ireo mpitondra raha toa ka omena alàlana hanao izany izy ireo.
Metropolis TV Sy Ny Hivos: Lahatsary Ho An'ny Olona Mahaleotena
Tetikasa Hivos sy VPRO TV any Holandy ny Metropolis TV, izay mampiray ireo mpanatontosa horonantsary sy ireo mpanao gazetin-dahatsary manerantany mba handrakitra an-tsary sy hampita ny lafiny samihafa amin'ny fiainana sy ny kolontsaina any an-tanindrazany.
Shina: Ny Fomba Nanovan'ny Bilaogy Ny Fiainako
Ho atao ao Hanzhou amin'ity faran'ny herinandro ity ny Fihaonamben'ny Bilaogera Shinoa. Mba hiomanana amin'izany, nanambara fandefasana lahatsoratra momba ny "Fomba nanovan'ny bilaogy ny fiainako?" ireo mpikarakara.
WeMedia: Fomba Iray Hilazana azy Ireo Izay Eritreritrao
Natao tany Miami (26-28 Febroary 2008) ny Fivoriamben'ny WeMedia. Tonga tany an-toerana ihany koa ireo bilaogera ao amin'ny Global Voices ary nanolotra ny fomba fijery mitsikera amin'ny ankapobeny momba ny fampitam-baovao vaovao, tahaka ny nataon'ny ekipanay tamin'ny taona 2006.
Lahatsary : Ireo Famakiamboky Entina Mandehandeha Misy Manerantany
Amin'ny ankamaroan'ny rafitry ny famakiam-boky, nanjary tena ilaina ny famakiamboky mandehandeha, mitondra boky ho an'ireo tsy afaka miditra any amin'ny trano famakiamboky. Fa na izany aza, any amin'ny toerana maro, noho ny faharatsian'ny làlana na tsy fahampian'ny fitaovana dia tsy azo atao intsony ilay rafitra mahazatra, fitondràna izany amin'ny fiarabe fitaterana na kamiao. Noho izany dia nipoitra ho toy ny safidy mety hitondràna boky ho an'ireny vondrom-piarahamonina irenyny famakiamboky amin'ny saretin'omby, ny famakiamboky entin'ny ampondra ary ny famakiamboky entin'ny môtô.