· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Marsa, 2010

GlobalPulse 2010: Fanasana hiresaka an-tserasera amin'ny mpanapa-kevitra

  27 Marsa 2010

Hatramin'ny 29 ka hatramin'ny 31 mars no ikendren'ny Global Pulse 2010 hamoriana an-tserasera olona sy solontenan'ny fifandaminana [ naotin'ny mpandika teny: tenin'ny akademia, ilay antsointsika mahazatra hoe fikambanana] mihoatra ny 20.000 hiresadresaka lohahevitra tahaka ny fampandrosoana ny mahaolona ka hatramin'ny haihay [siansa] sy ny teknolojia. Tohanan'ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID),...

India: Ady an-dokambarotra ifanandrinan'ny Rin sy ny Tide

  10 Marsa 2010

Ampahany avy amin'ny sary mihetsika, avy tamin'ny fahatsaram-pon'i Vivek Bhatia Niteraka fifanoherana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy any Inda ny dokam-barotra mampiranty vovon-tsavony 2 samy hafa mpifaninana. Miady hevitra momba ny fifaninanana, ny zavatra azo atao sy tsy azo atao mikasika ny dokambarotra sy ny fifaninana ireo mpitoraka bilaogy. Asstha Jain...

Però: mpanamory lasa olo-malazan'ny aterineto

  10 Marsa 2010

Noho ny fomba fiteny fiarahabana miavaka nataony tamin'ny 20 desambra 2009 voarakitra an-dahatsary, dia nahasarika olona maro dia maro any Però hijery azy ao amin'ny Youtube  ny lehiben'ny sidina (commandant de bord) iray ao amin'ny TACA, César Soto. Nilaza izao teny manaraka izao i Soto rehefa nipetraka minitra vitsivitsy tao...

SuperPower: BBC sy Global Voices

Amim-pifaliana ho ahy ny milaza aminareo ny fiaraha-miasa eo amin'ny Global Voices sy ny BBC News ao anatin'ny BBC's SuperPower season[fotoanan'ny tanjakamaherin'ny BBC] izay nivoaka androany. Nisongadina tokoa iny taona lasa iny teo amin'ny fiaraha-miasan'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny zoton'olona hanao gazety [Naotin'ny mpandika teny: ekeko tokoa fa mbola sahirana izahay ny mitady...

Maraoka : Ka ny bolongan'iza ary no BOMB e?

  05 Marsa 2010

Ny fifaninanana Best Of Morocco Blog,[Bolongana Maraokana Tsara indrindra] na ny BOMBies, no fifaninanana famahanam-bolongana fanao isan-taona farany indrindra. Mifantoka amina bolongana miteny anglisy izy ity. Nikatona tamin'ny 21 febroary 2010 ny fifidianana izay hofantenana tao anaty sokajy dimy samihafa. Nanambara ny lisitra fenon'ny voafantina sy ny nandresy ny MoroccoBlogs.com...