Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Oktobra, 2007
Alzerìa : Feno rano eny rehetra eny
Vakio ny lahantsoratry ny mpiblaogy Alzeriana Nouri sy ny antony namalian'ny rain'ny namany azy hoe : « there's water everywhere, but not a drop to drink! » « feno rano eny rehetra eny, saingy tsy misy vongan-drano iray akory hosotroina ! » [FANAMARIHANA: « mangetaheta ambony lakana » angamba no...
Bahamas: Ny setrin'ny heloka bevava?
Ny mpikarajia amin'ny onjam-peo maro no mihevitra fa ny fanamafisana ny fanamelohana ho faty no ahafahana misoroka ny fitombon'ny heloka bevava. Miezaka hanazava ny heviny izay mifanohitra amin'izany fironan'ny be sy ny maro izany kosa i Rick Lowe ao amin'ny weblogBahamas.com. Sombiny kely holazaiko voasoratra ao ny hoe misy andraikitry...
Topi-maso Arabo : Aorian'ny Facebook, Miala any ny Hatebook
Aorian'ny Facebook [bokin'ny endrik'ireo tapaka sy namana], miala any ny Hatebook [bokin'ny fankahalana]. Indreto blaogy roa avy any Tonizìa sy Omana mizara ny fomba fijeriny ireto vohikala vaovao – Hatebook.com sy Hatebook.org ireto. Sarin'ny hatebook.com nindramina tamin'ny Sleepless in Muscat. Tonizìa : Ny blaogy Subzeroblue avy any Tonizìa dia manazava...
Pop!Tech ho Iraisam-Pirenena sy ho amin’ny fiteny maro
Efa tapaky ny volana oktobra sahady isika ary amin’ny toerana maro amin’ny ila-bolatany avaratra dia efa mivoaka tany amin’ny nampirimana azy amin’izay ny akanjo mafana ary efa mihintsana ny ravina manopy mavo sy mena. Fa izao koa ny fotoana hivorian’ireo mpandalina ny hay, ny mpampilatro na mpaneho antsary ny zavatra...
St. Vincent sy ireo Grenadina : Manompo vahoaka ?
Manontany tena ny mpiblaogy Abeni raha « mba hitombo fahendrena amin'izay ireo mpanao pôlitika ka hahatsiaro tena ny maha-mpanompon'ny vahoaka azy ireo ? » [Anglisy] raha mitantara ny fialantsinin'ireo Ministra taorian'ireo raharaha roa izay nahitana fanararaotam-pahefana ampahibemaso nataon'izy ireo.
Fahafatesan'ny fiteny : vokatry ny lalànan'ny fivoarana, sa làlam-javaboahary, sa famotehana ?
Isika zanak'olombelona dia miaina anivon'ny firenena miisa 194 fotsiny, aleo angaha atao hoe na mihoatra kely na latsaka kely, anefa dia ny fitenintsika dia anelanelan'ny 7'000 sy 8'000 isa. Mihena an-toerana anefa ireny fiteny maro samihafa ireny. Tombatombanana ho fiteny iray no manjavona isan-tapa-bolana. Zato taona lasa izay, firenena Erôpeana...