Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Janoary, 2011
Kamerona: Ireo mpamorona sy mpanamboatra
Ny famoronana, ny fahaiza-mamorona sy ny fitantanana dia mihetsiketsika any Kamerona araka ny hitantsika ao amin'ireo horonantsary manaraka mampiseho ireo mpanefy vy eo am-piasana, tranona finday sy solosaina finday vita avy amina bararata sy asa tanana fampikotrehana atody.
Gresy: Monomonona manoloana ny tetikasa fananganana fefy sy ny fandroahana mpifindra monina
Ny harivan'ny andro niandrasana ny taona vaovao dia niteraka fanehoan-kevitra kahery vaika ny fanambarana nataon'ny ministra Grika ho Fiarovana ny olom-pirenena, Christos Papoutsis, mikasika ny tsy fsisian'ny indrafo ao anatin'ny politikan'ny governemantany amin'ny resaka fifindra-monina.
Japana: Famporisihana ny olona hanadino ny nofinofiny
Ahoana tokoa moa raha ohatra ka misy olona manontany soso-kevitra aminao mikasika ny lalana izorany hanatratrarany ny nofinofiny nefa tsapanao fa tsy tsara ho azy ireo izany? Inona ny zavatra mety indrindra tokony ho atao?
Japana: Ny herintaona nitorahana bilaogy
Satria voafidy ny tarehin-tsoratra 暑 (sho) izay midika 'mamay na hafanana' hanehoana ny taona 2010 tamin'ny fankalazàna isan-taona [en] tao Kyoto, ndeha isika hijery fantina "lohahevitra mamay" izay norakofan'ny Global Voices tamin'ity taona ity.