Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Marsa, 2009
Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana
Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.
Korea: Fihaonana voalohany, ahoana no ahalalanao ny ho sakaizanao anatin’ny 10 minitra.
Amin’ny fomba ahoana no mety ahitanao ilay lehilahy sahaza anao haingana indrindra? Tsinjoko fa mizara famakafakana ara-pomba-piaina (psychologique) mahavariana ireo mpamaham-bolongana izay milaza manao hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahanao...
Tontolon’ny Arabo: Fety nahaterahana fampieritreretana
Maro ny mpitoraka bolongana manerana ny tontolo Arabo no maneho aterineto ny fety nahaterahana amin’ny alalan’ny lahatsoratra filozofika, izay mitantara ny fiainana, ny fanantenana, ny zava-bita ary ny nofinofin’izy ireo.