“Ny Kolontsaiko No Mari-panondroana Ahy”, Hoy Ilay Timorey Rui de Carvalho Mpanao Fitafiana Lamaody

Imagem publicada na pagina Rui Collection, utilizada com permissao.

Sary navoaka tao amin'ny pejin'ny Angona Rui , nahazoana alàlana .

Fanambin'ny tanora izay mirehareha maneho ny mari-panondroana Timorey eto amin'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny fitaovany manokana ny fampiroboroboana ny asakanto amin'ny alalan'ny kolontsaina sy ny fomban-drazana hatramin'ny fahaleovantenan'i Timor Atsinanana. Ohatra amin'izany ny fivoaran'ny orinasan'ny fitafiana ao Timor izay ahitana “ny”  lamba vita tanana tsy manam-paharoa ataon'ny vehivavy any ambanivohitra.

Teraka noho izany ilay mpamorona Rui Madeira de Carvalho, avy any Dili , izay ao amin'ny vondrom-piarahamonina noho ny asany amin'ny fanjairana lamaody . Nankasitrahan'ny vondrom-piarahamonina ny faniriany hampiroborobo ny kolontsaina sy ny fomban-drazana ao Timor hisandrahaka manerana izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fitafiana sy ny kojakoja miaraka aminy .

Nanazava i Rui de Carvalho nandritra ny resadresaka nifanaovany  tamin'ny Global Voices (GV)  :

Hau nia objectivo atu preserva no promove tais no turismo ba mundo tomak. alen de ne atu hadia mos ekonomia no desenvolve feto nebe mak halo tais iha area rural. depois hakarak halo tais sai nusa marka nbe mak ho identidade timor nian dunik.

timor-leste-shoes

Sary navoaka tao amin'ny pejy Facebook Angona Rui ,nahazoana alàlana..

Ny miaro sy mampiroborobo ny “toy izany” sy ny fizahantany manerana izao tontolo izao no tanjoko. Ankoatra izany, mandray anjara amin'ny toekarena sy manampy ny vehivavy izay manao izany any ambanivohitra aho. Tiako ihany koa ny manome ohatra sy  fantatra ho marika sy mari-panondroana an'i Timor.

Nanambara ihany koa i Rui de Carvalho fa efa manana fivarotana roa ao Dili izy amin'izao fotoana izao, ao Nicolau Lobato Làlana Acait ny voalohany, izay mivarotra kojakoja, kitapo sy kiraro, ary ny faharoa ao amin'ny Belarmino Lobo Làlana Bemori , Dili izay mivarotra akanjo.

Malahelo i Rui nilaza raha nanontaniana momba ny mety ho fanitarany ny raharaham-barony amin'ny alàlan'ny fivarotana ny vokatra an-tserasera ao amin'ny tsena iraisam-pirenena, fa mbola manana olana maro ny fandefasan'entana avy any Timor Atsinanana ka mbola manasarotra na tsy ahafahana mihitsy manao fanafaran'entana. Na izany aza mety ho tanteraka ny fivarotana an-tserasera raha vao misy ny làlana misokatra bebe kokoa amin'io heviny io, nanamarika izy fa:

Online seidauk fan tamba hare ba transporta ba  rai liur sei susar. maibe iha dili laran deit bele.

Tsy mbola afaka mivarotra an-tserasera aho noho ny olana fandefasana entana izay tena sarotra. Amin'izao fotoana izao ao Dili ihany .

Manamarika hetsika manan-danja maro tamin'ny tantaran'ny Timor Atsinanana vao haingana ny pejy Angona Ruy izay ahitana ny marika Rui de Carvalho. Ohatra amin'izany ny marika Angona Rui hita eo amin'ny akanjon'ireo mpilalao olaimpika nisolotena ny firenena tamin'ny Lalao tao Rio de Janeiro taona 2016. Tsara homarihina ihany koa ny fandraisana anjaran'ny atleta Timorey Domingos Correia Cárceres tamin'ny fifaninanana body building tany Aostralia, ary farany, ny fandraisana anjaran'ireo mpanakanto Timorey madinika tao amin'ny fifaninanan-kira iraisampirenena  Akademia Aziatika any Indonezia . Ireo no porofo fa marika tena malaza eo amin'ny Timorey ny Rui Collection noho izany, na amin'ny sehatry ny filatroana antoniny na tena mihaja..

ruic

Sary navoaka tao amin'ny gazetiboky  Fampitam-baovao  Timor. ho an'ny daholobe.

Tamin'ny 8 Desambra 2016 tao Dili, nikarakara ny fampilatroana lamaody voalohany i Rui de Carvalho ” Ny Hatsarana Timor, Ny Kolontsaiko No Mari-panondroana Ahy ” ôrizinaly, fiaraha-miasa niaraka tamin'ny Minisiteran'ny Fizahantany, Zavakanto ary Kolontsaina ao Timor-Leste sy ny vahiny manokana toy ny mpilatro Indoneziana Kimmy Jayanti sy mpilatro Filipiana Sirenne Sutton.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.