Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Novambra, 2012

Tohin

Bolgaria: Revolisiona Voatabia

  28 Novambra 2012

Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”. Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia Tamin'ny 9 Novambra, namoaka ny sarin’ [bg] ny lapan'ny Antenimiera feno saosy voatabia ny fampahalalam-baovao tsy miankina OFFNews. Tsy fantatra izay olona nanao izany sy...

Tohin

Côte d'Ivoire: Hiakan-katezeran'ireo Mpikirakira Aterineto Noho Ny Fanangonana Fe-potoam-piasàna

  15 Novambra 2012

Sitrak'ireo Ivoariana bilaogera raha mba misy resaka matotra miainga mikasika ity fanangonana fe-potoam-piasàn'ireo parlemantera ao Côte d'Ivoire ity. Reraky ny mahita ireo solombavambahoaka lasa ben'ny tanàna avy eo na filohanà filankevitra, ka ety anaty tambajotra sosialy na amin'ny alàlan'ny fanangonan-tsonia dia angatahan'ireo mpikirakira aterineto ireo ivoariana mpitarika politika mba hitsipaka ny fampivangongoana.

Tohin

Herinandro Fitorahana Bilaogy Ao Maoritania Hanoherana Ny Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany Ataon'ny Vahiny

  14 Novambra 2012

Nanao hetsika fanentanana mitondra ny lohateny hoe "Fanoherana ny fitrandrahan’ireo orinasa vahiny ny harena an-kibon’ny tany" ny mpitoraka bilaogy Maoritaniana nandritry ny herinandro. Mizara amintsika ny lahatsoratra tanaty bilaogy sy ireo bitsika avy amin'io fanentanana io, izay mikendry ny anehoana ny voka-dratsy aterak'ireo orinasa ireo eo amin'ny sehatry ny toe-karena, tontolo iainana, maha-olombelona sy ny fahasalamana i Ahmed Ben Jedou.

Zimbabwe : Tenifototra #263Chat Hiadian-kevitra Momba Ny Olana Misy Ankehitriny

  10 Novambra 2012

Bilaogera zimbabweana, Sir Nigel, nampahafantatra tao amin'ny bilaogy mikasika ny tenifototra #263Chat, izay karazana resaka mivantana na karajia amin'ny aterineto fanao isan-kerinandro ao amin'ny Twitter mba ahafahan'ireo Zimbabweana miresaka momba ny olana lehibe atrehin'ny firenena : Tamin'ity taona ity, nampandroso hevitra ny amin'ny tokony hikarakarantsika adihevitra tsy ofisialy amin'ny Twitter...

Tohin

Mitsabo Ny Fifandraisan'i Japana Sy Shina

  09 Novambra 2012

Taorian'ireo hetsi-panoherana fankahalàna an'i Japana tany Shina, ny fifandroritana ofisialy misy amin'ny firenena roa tonta dia mihizina nanomboka tamin'ny Oktobra lasa teo. Raha miady amin'izay hampivoarana ny fifandraisana ny governemanta roa tonta, eny amin'ny sehatry ny fiarahamonina sivily no tsikaritra ny sasany amin'ireo fahombiazana. Jerentsika ato anatin'ity lahatsoratra ity ny sasany amin'ireo hetsika ireo.

Tohin

Resadresaka Niarahana Tamin'i Rebecca MacKinnon Momba ny Boky Nosoratany ‘Consent Of The Networked’

  08 Novambra 2012

Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices, mpanao gazety sy bilaogera manana traikefa nandritra ny taona maro, be hevitra maranitra raha ny lohahevitra tena iantsorohany no jerena, izay amin'ny ankapobeny mikasika ny fahalalahan'ny fiaraha-monina sy ny fahalalahana ao amin'ny aterineto. Tamin'ny Janoary lasa teo, namoaka boky mitondra ny lohateny hoe Consent of the Networked (Fankatoavan'ny mpiserasera) izy,...