Inona No Anarana Fanome Ny Ankizy Any Meksika ?

“Any Meksika, misy ireo olona nomen'ny ray aman-dreniny anarana hoe ‘Terminator’,'Usnavy’, ‘Hitler’, ‘Lady Di’ na Zoila Rosa’.” Sary navoaka tamin'ny fampiasàna lisansa Creative Commons (CC BY-SA 2.0) .

Mialoha ny hanoratana lahatsoratra ho an'ny Global Voices, ny ampahany manan-danja indrindra amin'ny dingana dia manomboka amin'ny fifampiresahana — fifanakalozan-kevitra amin'ireo mpikambana ato anatin'ny vondrona. Amin'ny alàlan'ny sehatra aterineto isan-karazany no hanaovana ilay fifanakalozan-kevitra, fa miha-mahery ilay tosa-kevitra rehefa mihaona mivantana ireo mpisera amin'ny GV — mifanatrika– tahaka ny firaisana latabatra nataon'ny ampahany amin'ny ekipan'ny Global Voices any Amerika Latina sy ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra tany Mexico City tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra 2016 :

– Y ¿cuáles son las costumbres de la gente para nombrar a sus hijos en México? Donde yo vivo la gente opta por nombres tradicionales como Juan, Manuel o María.

– Oh no, acá ya casi no pasa eso. Déjame contarte algunos de los nombres que los padres dan a sus descendientes…

– Ary inona no anarana mahazatra fanomen'ny olona any Meksika ? Any amin'ny tany onenako, anarana mahazatra no omen'ny  olona, toy ny hoe Juan, Manuel na Maria.

– Oh tsia, mahalana no hitrangan'izany eto. Aleo ho tantaraiko ny anarana omen'ny ray aman-dreny ny zanany…

Manontany tena ve ianao ny amin'ny fiafaran'ny resaka ? Ahitana ity fehezanteny tsy azo ihodivirana ity ny valiny :

Escribamos una nota al respecto.

‘Ndao hanoratra lahatsoratra momba izany.

Ireo anarana vahiny soratana amin'ny tsipelina tsy mahazatra no resahana voalohany. Voarakitry ny mpiasam-panjakana miandraikitra ny soram-piankohonana, ao amin'ny raki-tsoratra hita ao amin'ny vavahadin-tserasera  Aristegui News any Nuevo León — fanjakana any avaratra atsinanan'ny firenena– ity olana ity :

Tenemos en nuestra base de datos una cantidad de nombres que son poco comunes, entre ellos Kevin, Britany y Brayan, pero tenemos otros mucho más raros que son causa de bullying.

Betsaka ny anarana tsy mahazatra ao amin'ny angon-drakitray, isan'izany ny Kevin, Britany sy ny Brayan, fa mbola betsaka ireo saro-tadiavina izay mampijaly.

Betsaka angamba ny mahita hoe sarotra ny mino fa any Meksika misy ireo nomen'ny ray aman-dreniny anarana hoe Terminator, Usnavy, Hitler, Lady Di na Zoila Rosa (izay azo vakiana mafy hoe ” izano no raozy” amin'ny teny Espaniola), nefa tena zava-misy marina izany.

Any amin'ireo fanjakana hafa, nisy ny lalàna navoaka mba hamerana izany zava-misy izany. Miavaka amin'izany ny any Querétaro izay, raha araka ireo loharanom-baovao sasany, dia afaka manolotra sosokevitra ireo ray aman-dreny ny mpiasam-panjakana miandraikitra ny sora-piankohonana raha toa ka mety hitarika fanesoana ny anarana tadiavin'izy ireo omena ny zanany. Tsy maintsy mandanjalanja tsara anefa ireo mpiasan'ny sora-piankohonana ireo, satria tsy maintsy manaja mandrakariva ny fahalalahan'ireo ray aman-dreny amin'ny fisafidianana ny anaran-janany. Tsy hoe resaka fandraràna ireo anarana sasany io, tahaka ny tany Sonora ( any avaratra andrefan'ny firenena), araka ny vaovao ao amin'ny vavahadin-tserasera Sopitas.

Según el artículo 46 del nuevo marco legal, los oficiales del Registro Civil ahora tienen terminantemente prohibido inscribir a los infantes con nombres que sean peyorativos, discriminatorios, infamantes, denigrantes, carentes de significado, que sean signos o siglas o que los expongan a burlas.

Araka ny andininy 46 ao amin'ny lalàna fehizoro, dia raràna mafy ireo mpiasa ao amin'ny sora-piankohonana tsy hanoratra anaran-jaza manambany, manavakavaka, manala baraka, manivaiva, tsy misy dikany, sariohatra na fanafohezan-teny na izay mety hitarika fanesoana.

Misy mihitsy aza ny lisitry ny anarana voarara. Raha tia karokaroka ianao , dia jereo ao amin'ny  tranonkala Animal Politico. Ohatra amin'izany : All Power, Email, Scrotum, Harry Potter, Pocahontas, Twitter, Virgin ary Yahoo.

Tsy lohahevitra nandalo fotsiny izany ho an'ny haino aman-jery mahazatra, saingy tsara ny milaza fa noho ny  fandrakofana izany, no toa vao mainka nampirongatra ny fanimbazimbàna ny fiainana manokan'ny olona.

Na any amin'ny fahitalavitra na any amin'ny aterineto, dia mety ho hita  ny sary tapaky no olona antsoina hoe Usnavy Marine na Christmas Day, tsy misy sivana na fanamboarana. Mampiseho ireo mombamomba azy manokana toy ny adiresiny, ny andro nahaterahany, amin'ny fanitsakitsahana ihany koa ny fiainany manokana ary mametraka azy ireo ho lasibatry ny halatry ny mombamomba ny tena, heloka be vava izay mateti-pitranga any Meksika izany.

Ny dika natao aho an'ny aterineto amin'ny gazety Excélsior dia manome ohatra amin'ny fanitsakitsahana fiainana manokana tahaka izany ; asehony ny karatra lehilahy iray izay manana anarana iray amin'ireo voatanisa ery ambony. Eto, anefa, dia nandray fepetra izahay mba tsy hivoahan'ny mombamomba azy manokana. .

Captura de pantalla obtenida del sitio de noticias Excelsior.com. La imagen ha sido distorsionada para proteger los datos personales del titular de la identificación en cuestión.

Dikasary avy amin'ny tranokalam-baovao Excelsior.com. Novàn'ny Global Voices ny sary mba hiarovana ny mombamomba ilay olona manokana.

Tsara ny manamarika fa tsy Meksika irery ihany no firenena latino-amerikana izay mahasarika ny saina noho ny antony ratsy ” ny famoronan'ny” ray aman-dreny anarana iantsoana ny zanany. Tena mahaliana manokana ny tranga any Shili, fa tsy tara loatra i Orogoay, tahaka izay hita ao amin'ny tantaran'i Nélson Fernández, izay ahitàna anarana mampahonena iray voafidy  noho ilay izy hoe misy ifandraisany amin'ny kalandrie :

La creatividad (o irresponsabilidad) de algunos uruguayos para nombrar a sus hijos, ha sido motivo de atención durante muchos años. Uno de los ejemplos más raros fue el de un matrimonio que quiso aplicar el criterio de bautizar con el santo del día. Miró el almanaque el día del nacimiento de su hijo y coincidía con el final de la feria judicial (vacaciones anuales de la Justicia). Increíblemente pero cierto, confirmado por el Director del Registro Civil, ese niño nació con el nombre de “Ábranse Los Tribunales”.

Ny famoronana ( na tsy fandraisana andraikitra) avy amin'ireo ray aman-dreny Orogoiana sasany amin'ny fanomezana anarana ny zanany no nifantohan'ny saina nandritra ny taona maro. Ny ohatra iray mahavariana amin'izany dia ilay mpivady iray izay te-hanao batisa ny zanany amin'ny anaran'ny olomasin'io andro io. Nijery ny andro nahaterahan'ny zanany lahy tamin'ny kalandrie izy ireo ary hitany fa nifanandrify tamin'ny fiafaran'ny fotoana fialantsasatry ny fitsaràna ( ny fotoam-pialàntsasatra fanaon'ny sampan-draharahan'ny fitsarana isan-taona). Tsy mampino, nefa marina, namafisin'ny lehiben'ny sora-piankohonana fa ‘Open the Courts’ (Fisokafan'ny fitsarana) no anaran'ilay zaza tamin'izy vao teraka.

Hatao adihevitra amin'ny antsipirihiny amin'ny lahatsoratra manaraka ny fanesoana sy ny fanarabiana zakain'ireo ankizy manana anarana tahaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.