Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Mey, 2019
Mandoko fanovana eny an-dalambe ny ‘Art Lords’ ao Afghanistan
"Te hanomboka hetsika ifotony ho an'ny fanovàna ny fahatsapan'ny daholobe izahay - hetsika izay mety hahatonga ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra," hoy i Sharifi tamin'ny Global Voices nandritra ny resadresaka tao amin'ny biraon'ny vondrona.
Ny ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney
Namokatra bilaogy momba ny sakafo tamin'ny zava-niainany ilay Japoney mpanao gazety mpaka sary, Hiroshi Okamoto, izay nandeha namita asa tany Iraka tamin'ny taona 2004 ary nandany iray volana tany Samawa.
Navadik'i Stella Nyanzi ho fitaovam-piadiana ve ny fivaviana? Notsaraina amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana ny vehivavy feminista Ogandey
Amin'ny fikatsahany governemanta tsara tantana, "hentitra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta Ogandey" i Stella Nyanza ary tsy matahotra ny hiady hevitra momba ny fady manodidina ny fananahana sy ny miralenta ary mijoro hiaro ny zon'ny LGBT.
Shina: Fenitry ny vozon'akanjo fotsy
Ao anatin'ny tontolo Sinoa, mifandray amin'ny fomba fiainana mendrika sy mampitsiriritra ny vozon'akanjo fotsy. Ohatrinona no vola tsy maintsy azonao vao azo hosokajiana ho toy ny mpiasa manana vozon'akanjo fotsy ianao any Shina? Manome fenitra ofisialy ho an'ny olona ny tatitra vao haingana navoakan'ny Akademia Sinoa ho an'ny Siansa Sosialy.