Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Jolay, 2018
Singapaoro: Fivoriana voalohany ho an'ireo pelaka
Nikarakara ny hetsika voalohany ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny PinkDot tao Singapaoro, saika faly tamin'izany avokoa ireo nandray anjara ary miandry fatratra ny andiany manaraka.
Tontolo iainana : Resaka rano ao Afrika Atsinanana
Mety hiatrika krizin-drano i Afrika Atsimo ary miady ny nosy Migingo kosa ireo firenena afrikana telo mifampizara ny farihy Victoria.
Mividy ny vokatra eo an-toerana ny Ejypsiana
Nanapa-kevitra "hanao ankivy ny ankivy" sy hanitatra izany tsara kokoa i Inji, bilaogera tia fandrosoana sady tanora mpahay toekarena izay kivy noho ny mailaka sy hafatra SMS marobe ary mitaky ny hanaovana ankivy amin'ireo vokatra.
Liberia: Ny fiandohana sarotra ho an'ny tontolon'ny blaogy

Sarotra ny maminavina toerana iray izay tena sarotra kokoa ny fitazonana blaogy noho ny any amin'ny firenena izay tsy misy fizarana herinaratra ho an'ny daholobe fotsiny tsotra izao. Fa ireo liberiana mitsiriritra ny ho mpanao gazety mazoto kosa dia miasa mafy mba hanjohy an'ireo mpanao gazety sy blaogera mpiara-miasa aminy any amin'ny sisintanin'ny haino aman-jery afrikanina vaovao''
Inde: Ny hazakazaka amin'ny vahaolana ara-toetrandro
''Nitety izao tontolo izao tamin'ny fiara mandeha amin'ny herinaratra, angovo avy amin'ny masoandro, [la Reva] i Alexis Ringwald sy Caroline Howe mba hanintonana ny saina amin'ny fiovana ara-toetrandro ao amin'ilay soba-kaontinanta indana goavana.''
Hatezerana sy loza tao UCLA, Vono olona tao Iran
Araka ny tatitra tamin'ny haino aman-jery, imbetsaka torana noho ny fandoroana azy tamin'ny herinaratra (taser) i Mostafa Tabatabainejad, mpianatra UCLA ary avy eo noentina notazonina rehefa tsy nahavita niala ny Laboratoara CLICC tao amin'ny Tranomboky Powell ao UCLA tamin'ny fomba ara-potoana.
Goatemala: Ao anatin'ny kolontsaim-panatanjahantena, ireto misy bilaogy ara-kolontsaina fito
Ho an'ireo laharam-pahamehana any Goatemalà, dia tsy maintsy alefa any amin'ny fanatanjahantena ny tsy latsaky ny 3% amin'ny tetibolam-panjakana. Tamin'ny gazety, ny sehatra natokana ho an'ny "fanatanjahantena" dia lehibe kokoa noho ny iray amin'ny "kolontsaina".
Tafatafa amin'i Kosoof, Bilaogeran-tsary Iraniana malaza
Bilaogeran-tsary malaza i Arash Ashoorinia izay efa nahazo ny loka Reporters Without Borders tamin'ny fifaninanana BOBs (Bilaogy Tsara Indrindra) nokarakarain'ny Deutsche Welle fampielezan-tsary Alemàna ny bilaoginy, Kosoof. Nanana fahafahana nitafatafa tamin'i Arash i Hamid Tehrani ato amin'ny Global Voices.
Lasibatra manokan'ny sivana ny vehivavy ao Iran
Miatrika olana maro ao Iran, tahaka ny hafa, ny bilaogera. Tranonkala Iraniana maro amin'ny ankapobeny, ary ny politika no tena voasivana. Tao anatin'ny roa taona farany, nanjary niha-ratsy ny fanivanana sy ny sivana. Indrindra fa marobe ireo bilaogim-behivavy voasivana.
Te ho maritiora ve sa tsia
Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih.