· Jolay, 2014

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Jolay, 2014

Mandalina Ny ‘Fotoam-piovàn'ny Kanto Sy Ny Fampielezan-kevitra’ ireo Mpanakanto Any Skopje

Ny Kooperacija (“Cooperation” na Fiaraha-miasa, teny Makedoniana entina hilazàna ny tranombarotra enta-madinika any amin'ireo tanàna kely), vondrom-panakanto tsy mampidi-bola fa mamelon-tena, dia nampiantrano fampirantiana nitondra ny lohateny hoe “Fotoam-piovàna: Ny Kanto ho Fanentanana Fanoherana ny Tsindrihazolena” [en, mk, misy sary] tany Skopje, vao tsy ela akory izay. Araka ny tatitra [mk]...

Però: Ny Fitiavana Dia… Fomba Vaovao Hanairana Ny Olon-tinao

  15 Jolay 2014

Hanairany ny olon-tiany mandritra ny tsingerintaona nahaterahany, efa voaomany avokoa ny zavatra rehetra amin'ny fanomezana saribakoly vorodamba goavana, saingy nahatonga azy tsy maintsy handeha tongotra [es] maherin'ny efatra miles (fito kilometatra) nibata ilay fanomezana goavambe ny fitokonan'ny fitaovam-pitaterana. Ity no tantara tsara fiafara an'i Jonatan Rosas, avy any amin'ny distrikan'i Yanacancha, any...