Hampiantrano Ny Word Social Forum 2016 (Vovonambe Sosialy Iraisampirenena) Momba Ny Fifindrà-monina i São Paulo

Em 2014, Fórum foi em Joanesburgo. Em 2016, será a vez do Brasil voltar a receber o evento. Crédito: Rodrigo Borges Delfim/MigraMundo

Ny taona 2014, natao tao Johannesburg ilay Vovonambe. Ny 2016, mbola hampiantrano ilay hetsika indray i Brezila. Sarin'i: Rodrigo Borges Delfim/MigraMundo

Amin'ny ny maha-tanàna lehibe indrindra azy any Amerika Atsimo, anaty toerana iray izay mifamatotra betsaka amin'ny fifindrà-monina ny tantarany, hampiantrano ny andiany fahafito amin'ilay Vovonambe Sosialy Iraisampirenana momba ny Fifindrà-monina (WSFM, na FSMM amin'ny fanafohezana Portiogey) i São Paulo, ny taona 2016. Avy tamin'ny Kaomitin'ny WSFM, ireo mpikarakara ilay hetsika, ilay fanambaràna.

Hanamarika ny faharoan'ny niantranoan'ilay Vovonambe Sosialy Iraisampirenana momba ny Fifindrà-monina any Brezila io. Teo aloha, nokarakarain'i Brezila tao Porto Alegre ilay andiany voalohany tamin'ny WSFM ny taona 2005, tanàna izay nampiantrano ihany koa ny andiany voalohany tamin'ilay Vovonambe Sosialy Iraisampirenana momba ny Fifindrà-monina lehibe fanao isan-taona ny taona 2001. Hatramin'ny niantombohany ny taona 2005, ireo andiany fanao isaky ny enim-bolana amin'ilay Vovonambe Sosialy Iraisampirenana momba ny Fifindrà-monina kelikely kokoa, dia natao tany Madrid, Espaina, (2006 sy 2008); Quito, Ekoatera (2010); Manila, Filipina (2012) sy Johannesburg, Afrika Atsimo (2014).

Logo do FSMM, já com a menção a São Paulo como sede para 2016. Crédito: Divulgação

Ny sary fangon'ny WSFM, mampiseho an'i São Paulo ho mpampiatrano ny taona 2016.
Sarin'i: Divulgação

“Mampiseho ny fanekena ny adin'ireo hetsika sosialy nandritry ny taona maro tao an-tanàna, ilay vovonambe, indrindra, ny an'ireo mpifindra monina, izay lasa manana andraikitra bebe kokoa hatrany amin'ny fitarihana. Mino aho fa ho mpandray anjara lehibe amin'ny fizotry ny hetsika ireo mpifindra monina,” hoy Paulo Illes, mpandrindra ny politikan'ny fifindrà-monina ho an'ny kaominin'i São Paulo ary mpikambana ao amin'ny kaomity mpikarakara ilay vovonambe.

Mbola tokony ho tapahana ireo daty marina sy ny toerana, fa efa vinavinaina hatao ny tapaky ny taona 2016 ilay hetsika. Toy izao ny teny faneva ho an'ilay andiany vavao amin'ny WSFM: “Mpifindra monina: manamboatra safidy hafa ho solon'ny fikorontanana sy kirizy maneran-tany amin'ny resa-bola” (Migrantes: construindo alternativas frente à desordem e à crise global do capital, in Portuguese).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.