
Sary: “Very anaty Rivo-mahery” an'i Napachie Pootoogook avy ao amin'ny Foibe Ara-kolontsaina sy ny fivarotana Printy. Nahazoana alalana avy amin'ny QIA. ato raha hijery ny rohy Instagram.
Niditra media sosialy ny Fikambanana Qikiqtani Inuit (QIA) mba handrisika ny fampiasana bebe kokoa ny Inuktitut, fiteny Inuit. Miorina ao amin'ny faritr'i Qikiqtani (Baffin) ao Nunavut, faritany tanora indrindra ao Canada, miasa mba “hiaro, hitantana sy hampandrosoana ny zo sy tombontsoan'ny Qikiqtani Inuit” ny fikambanana .
Ny ezak'izy ireo ao amin'ny media sosialy dia mifototra amin'ny andraikitra ataon'izy ireo mba hampiroboroboana ny fiteny Inuktitut. Tamin'ny resadresaka imailaka tamin'ny QIA, nanoratra ny solontenan'ny fikambanana hoe:
Language preservation is an integral part of building pride among Inuit, particularly young Inuit. Learning, speaking-in and thinking-in Inuktitut helps young Inuit feel more connected to our community and traditional values.
Ny fitehirizana ny fiteny dia ampahany feno amin'ny fananganana rehareha eo amin'ny Inuit, indrindra ny tanora Inuit. Ny fianarana, ny fitenenana sy ny fisainana Inuktitut dia manampy ny tanora Inuit hahatsapa fifandraisana bebe kokoa amin'ny vondrom-piarahamoninay sy ny soatoavina nentim-paharazanay.
Zava-dehibe indrindra izany satria ny mpikaroka dia manamarika “ny fihenan'ny hatsaran'ny Inuktitut ao Nunavik – anisan'izany ny fitsipi-pitenenana ambany, ny taha ambany amin'ny fahaizana voambolana sy ny fanafangaroana hatrany ny inuktitut amin'ny teny Anglisy.” Araka ny tatitra nataon'ireo mpikaroka, dia ny fiantraikan'ny media tsy amin'ny fiteny Inuktitut sy ny tsy fahampian'ireo mpampianatra mahafehy ny Inuktitut no antony fanampiny
Araka ny vaovao avy amin'ny loharanom-baovao samihafa avy amin'ny Tetikasa momba ny Fiteny An-dalam-pahaverezana, dia eo amin'ny 14.000 sy 30.000 ireo teratany mpiteny ny Inukutit, saingy heverina ho “marefo” ny teny araka ny filazan'ny Atlas momba ny Teny Manerantany an-dalam-pahaverezana ao amin'ny UNESCO.
Ny fanentanana an-tserasera natao tao amin'ny Instagram, Twitter, sy Facebook dia mampahafantara ny teny Inuktitut nosoratana tamin'ny silabon'ny tompotany Kanadiana ary nanangona azy ireo tamin'ny alàlan'ny fanontana novokarin'ny Foibe Ara-kolontsaina sy ny Fivarotana Printy ao Cape Dorset. Mampiseho endrika maro amin'ny kolontsaina Inuit ny fanazavana
Iray amin'ireo hetsika maro natao hampiroboroboana ny fiteny ny tetikasa Word of the Day (ny voambolana anio). Manohana ny fifaninanan-kira sy tononkalo inuktitut fanao isan-taona, ary ny famokarana fitaovam-pianarana ho an'ny ankizy madinika ny QIA. Miara-miasa amin'ny Inhabit Media, orinasa fanontana iray izay Inuit no tompony any Nunavut, mamokatra boky ho an'ny ankizy nosoratan'ireo mpanoratra Inuit avy ao amin'ny faritany ny QIA.
Raha hijery ny sary feno, tsidiho ny kaonty Instagram @Qikiqtani_Inuit.
To see the full set, visit the @Qikiqtani_Inuit Instagram account.