Syria: “Damaskaosy ity!”

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12.

Taorian'ny fahatapahana naharitra andro roa, niverina indray ny tolotra aterineto tamin'ny Sabotsy teo, tao Damaskaosy sy ny manodidina azy ary ireo tanàna lehibe hafa , araka ny tatitry ny mpampahalala vaovao avy ao anatin'i Syria.

Nampanano-sarotra ny fanarahana ny toe-draharaha teny an-kianja ilay fahatapahan'ny serasera satria ambara fa niha-mafy ny fifandonana eo amin'ireo hery mpomba ny governemanta sy ireo mpihoko, indrindra fa any amin'ny faritra manakaiky ny seranam-piaramanidin'i Damaskaosy.

Miaraka amin'ilay ady izay tsy mampiseho mihitsy marika fisiàna fitonitoniana, ary ny serasera manjary miha-sarotra na tsy azo antoka intsony, nisy “fanentanana niainga tampoka izany ho fanehoana firaisankina [ar] amin'ireo vahoaka Siriana voatampim-bava” natomboka tao amin'ny aterineto.

Tanaty hetsika iray hanehoana firaisankina amin'ny vahoaka Siriana, nanomboka nibitsika teo ambanin'ny tenifototra “#هنا_دمشق”, dikanteny Arabo amin'ny hoe #This_Is_Damascus (Damaskaosy ity) ireo mpisera amin'ny aterineto. Nandritra ireny fotoanan'ny fahirano sy ny fahatapahana ireny, ireo olona avy amin'ny tanàn-dehibe rehetra maneran-tany dia nasaina daholo hanolotra fialokalofana vonjimaika ho an'i Damaskaosy.

Ilay fanentanana dia fampahatsiahivana ny antso “Avy aty Damaskaosy… Kairo ity!”, izay nalefa avy any Syria rehefa tonga tamin'ny fara-tampony ny Adin'ny Arabo sy Israeliana tamin'ny 1956 fony nanafika ny foibe fanapariahana ny Radio Cairo ireo fiaramanidina mpiady an'ny Frantsay sy Britanika, niezaka ny hanàkana ny fakàn'i Ejipta notarihan'i Nasser ny Lakandrano Suez ho fananam-pirenena, nahavitan-dry zareo nampangiana tanteraka ny fandefasam-peo Ejiptiana.

BSyria mibitsika hoe:

#This_is_Damascus, na Damaskaosy ity no tenifototra voahevitra tsara indrindra, manohina, ary manan-karena ara-tantara izay nivoaka avy tao amin'ny revolisiona Siriana hatreto.

#This_Is_Damascus.. The Syrian revolution flag flies high in Jerusalem

#This_Is_Damascus.. Ny sainan'ny Revolisiona Siriana mihofahofa ambony tokoa tao Jerosalema. Sary nozarain'i @prometheus_92 tao amin'ny Twitter

Ny olona sasany avy ao Syria dia afaka ihany koa nirotsaka an-tsehatra tamin'ilay fanentanana. Toy ny tamin'ny 2011, Google sy Twitter dia namerina namelona indray ny Speak To Tweet, tolotra iray ahafahan'ireo mpampiasa azy mampakatra bitsika amin'ny alàlan'ny feony amin'ny fiantsoana laharan'antso iray iraisampirenena ary mametraka hafatra am-peo, tahaka ity mpiantso tsy nitonona anarana ity izay niteny fotsiny ny hoe :

This is Damascus!” (Damaskaosy ity!)

Fanehoan-kevitra vitsivitsy:

farooos manoratra hoe:

Teny amin'ny manodidina ihany i Damaskaosy hatrany amin'ny fiantombohan'ny fotoana. Tsy nisy tapaka, tsy ny daroka baomba mafonjan'i Assad no hampandohalika anay #This_Is_Damascus #Syria

Rime Allaf manoratra hoe:

Azonao atao ny mitondra “Damascene” (teratany iray avy ao Damaskaosy) hivoaka ivelan'i Damaskaosy, saingy tsy ho azonao alàna velively ao am-ponay i Damaskaosy. #This_is_Damascus

Razan Ghazzawi manoratra hoe:

Marary ny fonay, tsy hoe fotsiny noho ny alahelo an'ireo mpiara-mitolona, ireny mpiara-mitolona hotsaroan'ny tantara ireny. Marary ny fonay maniry hahita ny lahatsoratr'izy ireny, ny eritreriny, ny heriny sy ny tanjany izay toy ny areti-mifindra. Oh! tara kely foana ny revolisiona iray ianareo, raha toa mihevitra azy ireo hoe any ivelan'ny aterineto.

Tsy any ivelan'ny aterineto i Syria.
Ny ambin'izao tontolo izao no any.

Malahelo anareo ny tenako ry mpiara-mitolona. Maharary tokoa izany.

Sarab mibitsika hoe:

tsy ho azonareo atsahatra ny revolisiona. #هنا_دمشق

Taher Ishaid manampy hoe [ar]:

عندي شعور قوي جداً ان نهاية بشار اقتربت ، ولاكن اتمنى بعد رحيله ان تحافظ سوريا على وحدتها #هنا_دمشق

Manana fahatsapàna lalina aho fa toa efa akaiky ny fiafaràn'i Bashar [al Assad], saingy izaho manantena fa hitazona ny firaisankinany i Syria aorian'ny fandehanany, #This_Is_Damascus Damaskaosy ity

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.