· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Jolay, 2012

Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava

  16 Jolay 2012

Madagasikara no mampiantrano ny Fiadiana Tompon-daka nokarakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny 4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe "Makis de Madagascar" (Ny Maki an'i Madagasikara)

Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!

Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany. Takon'ny fahasarotana ara-toekarena, ny fifanolanana teo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena noho ny fanagadrana ny praiminisitra teo aloha Yulia Tymoshenko...

Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

  13 Jolay 2012

Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.

Palestina: Noahafana Ilay Mpilalao Baolina Kitra Mahmoud Sarsak

  12 Jolay 2012

Noafahana ilay mpilalao baolina kitra Palestiniana Mahmoud Sarsak omaly  [10 Jolay 2012]. Namoaka ny sariny fiarahabana  azy tongasoa tao Gaza ny pejy Facebook misy ny ekipa Palestianina. Nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009 izy, raha niezaka namonjy ny ekipany tao avaratry ny sisintany nobodoina, nogadraina i Sarsak nanomboka hatreo ary nosokajiana ho...