Noafahana ilay mpilalao baolina kitra Palestiniana Mahmoud Sarsak omaly [10 Jolay 2012]. Namoaka ny sariny fiarahabana azy tongasoa tao Gaza ny pejy Facebook misy ny ekipa Palestianina. Nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009 izy, raha niezaka namonjy ny ekipany tao avaratry ny sisintany nobodoina, nogadraina i Sarsak nanomboka hatreo ary nosokajiana ho toy ny “fahavalo mpanani-bohitra” kanefa tsy nisy ny antony mazava nahavoharohirohy azy
Nitokona tsy nihinan-kanina niaraka tamin'ireo gadra Palestiniana ao Isiraely manodidina ny 2000 eo ho eo i Sarsak, ka naharitra 80 andro ny fifadian-kanina nataony. Nihamafy hery izy ireo taorian'ny famporisihana tamin'ny alalan'ny taratasy misokatra nalefan'i Eric Cantona ho an'ny filohan'ny UEFA, Michel Platini sy ny filohan'ny FIFA Joseph Blatter izay mangataka an'i Isiraely mba hamoaka ireo mpilalao baolina kitra Palestiniana nogadraina satria manitsakitsaka ny fifanekena momba ny zon'olombelona iraisam-pirenena.