Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Jolay, 2018
Myanmar: Sary sy rohy famintinana
(Marihina fa tamin'ny 8 May 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) Nahita sary tsara tarehy vitsivitsy avy amin'ireo bilaogera ao Myanmar aho ka nangoniko izy ireo ho toy ny sary sy rohy itetezana ny lahatsoratra. Ity sary ity dia avy amin'ny bilaogy fifty viss izay nandefasan'ilay bilaogera Aung Kyaw ny...
Panama: Zavatra mahavariana eny amin'ny lalambe
Indraindray rehefa mandeha fiara amin'ny làlan'i Panama dia mahita zavatra hafahafa tokoa. Raha tsy nisaraka tamin'ny fakantsary teny an-tanana i CaDs dia nahazo ny sarin'ny lehilahy iray natory tamin'irony 'hamac' (fatoriana mitsingevana) irony taorian'ny kamiao iray am-pandehanana izy.
Ny hetsiky ny vehivavy Iraniana tsy nisy fanavakavahana ny lahy sy ny vavy na sokajin-taona
Noho i Kosoof, bilaogeran-tsary malaza, dia afaka mahita an-tsary ireo fotoana lehibe tamin'ity fihetsiketsehana ity isika tao anatin'ny roa taona farany. Ireto misy sary miisa dimy nofantenana mba hanehoana fa tsy nisy ny resaka fanavakavahana ny lahy sy ny vavy na sokajin-taona tamin'ny tolona.
Goatemala: Ao anatin'ny kolontsaim-panatanjahantena, ireto misy bilaogy ara-kolontsaina fito
Ho an'ireo laharam-pahamehana any Goatemalà, dia tsy maintsy alefa any amin'ny fanatanjahantena ny tsy latsaky ny 3% amin'ny tetibolam-panjakana. Tamin'ny gazety, ny sehatra natokana ho an'ny "fanatanjahantena" dia lehibe kokoa noho ny iray amin'ny "kolontsaina".
Tafatafa amin'i Kosoof, Bilaogeran-tsary Iraniana malaza
Bilaogeran-tsary malaza i Arash Ashoorinia izay efa nahazo ny loka Reporters Without Borders tamin'ny fifaninanana BOBs (Bilaogy Tsara Indrindra) nokarakarain'ny Deutsche Welle fampielezan-tsary Alemàna ny bilaoginy, Kosoof. Nanana fahafahana nitafatafa tamin'i Arash i Hamid Tehrani ato amin'ny Global Voices.
Ny zava-nitranga tao Koety
Nankafy ny toetr'andro mahafinaritra i Koety tamin'ity herinandro ity. Marobe ireo olona nanararaotra izany sy nandeha nitsangatsangana tany amin'ny tany efitra.