· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Marsa, 2011

Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.

22 Marsa 2011

India: Ny Lokon'ny Holi (Fetibe Hindu)

Anatin'izao oran'ny fisavoritahana izao, angamba mba mila firavoravoana kely izao tontolo izao, ary inona no tsara indrindra miohatra amin'ny loko marevaka sy manjelatry ny Holi, ny fetin'ny lohataona, ho fanavaozana ny faniriantsika, ny fanantenana ary ny fifaliana.

21 Marsa 2011