· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Marsa, 2012

Thailandy: Fomba Miavaka Manokana Fandravahana Fiarakaretsaka Ao Bangkok

Noforonina efatra taona lasa izay, ny bilaogy Still Life in Moving Vehicles dia nanasongadina karazan-tsary samihafa mahasondriana amin'ny fanaingoana ireo fiarakaretsaka ao Bangkok. Dale Konstanz, izay nanomboka nanangona ireny sary ireny efa ho taona dimy mahery izao, dia mitantara ny aingam-panahy nanosika azy hanao ilay tetikasa anaty aterineto. Indreto ny sasany amin'ireo sarinà talismans, ireo olo-masina ara-pivavahana, ary sary apetaka maneho resaka politika

26 Marsa 2012

Jordania: Ny Nandraisan'i Amman Ny Andro Nirotsahan'ny Ranomandry

Manodidina ny ririnina henjana ao Jordania sy ny fanantenana kely eny an-tsefantsefany eny, mba nahazo fankaherezana kely ny Ammanita nahita ranomandry ny Alakamisy teo, mba nandoko ny faran'ny herinandrony ho fotsy; bitsika safononoky ny hafaliana sy fizaràna sarin-dranomandry nandrakotra ny faritra manodidina ary ireo asa famoronana tampotampoka avy amin'ny ranomandry

06 Marsa 2012

Pôrtô Rikô: Diabe Hanoherana Ny Fantsom-pitaterana Solika

An-jatony ireo olona manerana ny nosy iray manontolo no nandray anjara tamin'ilay "Diaba Nasionaly: Mijoro manohitra mafy ny Fantsom-pitaterana Solika i Pôrtô Rikô" izay notarihan'ilay fikambanana Casa Pueblo. Mizara vitsivitsy amin'ireo sariny nandritra ity hetsika tao San Juan ity ilay mpanao gazety amin'ny alalan'ny sary, Ricardo Alcaraz.

03 Marsa 2012

Mali: Ny Renirano Niger An-Tsary

Nanao fitsidihana sekoly ambanivohitra vitsivitsy tamin'ny alalan'ny sambo nentin-drazana Maliana i Boukary Konaté, ao anatin'ny fikambanan'ny Global Voices ao Mali, vao tsy ela akory izay noho ny tetikasam-pampianarana aterineto tontosainy. Io dia io no nahafahany manavatsava sy nakany sary ny karazan-javatra maro hita ao amin'ny fireneny manaraka iny reniranon'i Niger mirefy 4184 km iny. Indreto sary noraisiny hojerenao

02 Marsa 2012