Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Janoary, 2014
SARIPIKA: Drone Maka Sary Ny Hakanton'i Thailand
Tamin'ny fampiasana "drone" ilay bilaogera Richard Barrow monina ao Thailand no mizara sary talaky maso maro mahasondriana ao amin'io firenena iray io. Nampiasaina ihany koany "drones" hanarahana ny fizotry ny fihetsiketsehana any Bangkok
SARIPIKA : Ireo Olona Any Afovoany Atsinana Sy Afrika Avaratra
Nosoratan'i Joey Ayoub fa nalaza ilay hetsika " ireo Olon'i", mandrakotra ny planeta misy antsika isan-tanàna. Tsy navahana tamin'izany ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.
Mpiadin'ny Toetrandro Ao Pasifika: “Tsy Dobo An-drano izahay, Mbola Mitolona izahay”
Misy fanentanana iray mikatsaka ny hanova ny sarin'ireo mponin'ny Nosy any Pasifika hiala amin'ny hoe traboina tsy mahefa na inona na inona ho lasa mpiady am-pilaminana manohitra ny fiovaovan'ny teotrandro
Hosoka Ilay Sarin'ny Orita Goavana Hita Tany California
Ilay sary namboamboarina dia nampiarahan'ny tatitra hosoka navoakan'ny tranonkalam-baovao fantatra fa mpananihany antsoina hoe Lightly Braised Turnip [Navet Nodorana Kely]. Saingy tsy nanakana ny mpisera aterineto maro hino ilay vaovao ho tena nisy izany.
SARIPIKA: Olombelon'i Shanghai
Nitsangana tamin'ny Marsa 2013 ny pejy Facebook Olombelon'i Shanghai page ary manasongadina ny seha-piainana andavanandron'ny Shinoa metropolis.
SARIPIKA: Olon'i Azia Atsimo
"Mampatsiahy ahy ny hitia sy hanaja ny rehetra izany - zavatra izay zary adinon'ny olona maro aty Pakistana"
SARIPIKA: Olombelon'i Ethiopia
Raha namakivaky an'i Ethiopia aho tamin'ity fahavaratra ity dia nanangana tahala ahafahako mizara ny indray mitopy mason'ny fiainan'ny vahiny, namana vaovao, ary ny fomba fiainana mahavalalanina manomboka azoko tany. Aingam-panahy avy amin'ny Olombelon'i New York an'i Brandon - Nina Steinberg
SARIPIKA: Tonizia Tamin'ny 2013: Taona Iray Maozatra
Taona iray maozatra ho an'i Tonizia ny 2013: vonoolona politika roa, hetsi-panoherana, tafika sy herim-piarovana nataon'ireo vondrona mitam-piadiana ho lasibatra ary krizy politika tsy misy fiafaràny.
Birmania Tamin'ny 1897: Saripika 10 Rakitry Ny Ela
Nifantina saripika folo izahay avy tao amin'ny tahirintsary Flickr mifandimbin'ny British Library , izay manome topimaso mahaliana momba ny fiainan'ny fiarahamonina Birmana nandritry ny taonjato faha-19 lasa iny